Jejoo

Dans la même rubrique

Déodorant : Azo analana vernis, anadiovana solomaso …

01/08/2016

Misoroka ny fofona ratsy avy amin’ny hatsembohana ao ambany helika sy mampihena ny fivoahan’ny hatsembohana ny tena asan’ny « déodorant ». Azo ampiasaina amin-javatra hafa koa anefa izy ireny. Araho anie e!

 Lire la suite...

Lasopy miloko mavo : hiatrehina ny ririnina !

03/05/2016

Sady tsy mitondra tavy firy no ara-pahasalamana ary matsiro ireto lasopy atoro anao ireto. Efa akaiky rahateo ny ririnina, ka andao mba hanararaotra hanala ireo poizina ao anatin’ny vatantsika.

 Lire la suite...

Manadio fitoeran-dabozia « photophore »

30/03/2016

Tsy avy hatrany akory dia esorina, fa avela hangatsiaka indray, mandritry ny alina manontolo. Ho mora kokoa ny hisintona ireo tain-dabozia niverina nivaingana, fa efa nihataka tamin’ilay fitoeran-dabozia. Raha sanatria tsy mora miendaka ireo tain-dabozia, rehefa narotsaka ao ny rano, dia somary sokirina amin’ny sotrokely dieny mbola mafana ny rano.

 Lire la suite...

Randriambololona Célestine 25 taona namelomana ny ankohonany tamin’ny familiana taxi

26/02/2015

Anisan’ireo Renim-pianakaviana iray amin’ny vehivavy dimy mpamily fiara karetsaka eto an-drenivohitra Randriambololona Celestine na i Neny Rasoa. Efa 25 taona nanaovana io asa fivelomana iray io izy nentiny namelomana ny ankohonany. Mbola manohy izany asa izany hatrany izy mandraka ankehitriny na dia efa 63 taona aza.

 Lire la suite...

Chaussures et vêtements, les bonnes associations

19/12/2014

Vous avez sûrement votre préférence en matière de chaussure. Toutefois, vous ne pouvez pas associer n’importe quel vêtement avec n’importe quelle chaussure. Ainsi, en ces fêtes de fin d’année, il faut garder en tête certaines règles :

 Lire la suite...

Tsy niafina intsony ny fitiavako an’i René

19/08/2011

Saika nahalala avokoa ny tao amin’ny fianakaviako fa raiki-pitia tamin’i René aho.

 Lire la suite...

Nandona fiaran’olona

20/07/2011

Tamin’ny fotoana nandraketana an-tsary ilay fandaharana dia nifamotoana tao amin’ny trano fisakafoana an’i Guysy i Dodo Morali indray izahay.

 Lire la suite...

Tantara mitohy

Nilalao fitia tamin’i René

22/08/2011

Tantara efa mahazatra loatra izany ary naverimberiko matetika nolalaovina tao an-dohako.

 Ny tena nahatsikaiky tamin’izany dia efa nisy sahady feo re siosio nandeha mikasika anay. Nisy namana sasany na mpiara-miasa nanontany ireo anadahy sy rahavaviko raha miaraka tokoa izaho sy i René. Vetivety dia tonga hatrany amin’ny boky aman-gazety rehetra ilay feo. Nisy mihitsy ireo naka ny hevitryny mpamaky momba izany. Marobe no tohina mafy noho ilay taonanay nifanelanelana be, tao koa ireo nieritreritra fa fanararaotam-pahefana no ataon’i René amiko satria nanampatra ny maha mpikarakara manokana ahy azy izy.

Tsy niresaka momba ireny siosion-dresaka ireny tamiko mihitsy anefa i René. Taty aoriana vao fantatro fa nanohina azy mafy ireny. Noho ireny resaka nandeha ireny dia nanjary lany andro izahay, andro izay tokony ho nifampizaranay fitiavana. Tsy nanamora zavatra koa ireny sisosion-dresaka ireny ho ahy. Nitombina anefa ny resaka nandeha, fara-faharatsina, marina tamin’ny antsasany. Tena tia mantsy aho, tia tanteraka an’i René. Mba nitia ahy koa izy, tamin’ny fombany. Fantatro izany, tsapako izany, hitako izany, fa indrindra, niriako mafy izany. Rehefa tafaraka izahay dia variana i René, tena talanjona mihitsy izy amiko. Tsy nijery na iza na iza afa-tsy izaho izy. Nijery ahy foana mihitsy izy. Dia izahay roa irery sisa no eto an-tany na dia nisy olona roapolo aza nanodidina anay.

Na tany amin’ny trano fandraisam-peo, rehefa mihaino ny hira vao noraiketiko izahay, na tany amin’ny trano fisakafoanana tany Montréal sy Parisy, dia nifanakaiky hatrany izahay no nipetraka, tena akaiky. Izahay roa ihany no tena nifampiresaka, tsy niraharaha na iza na iza. Matetika koa izahay no miara-mitokelaka. Mazana aho no miankina aminy, apetrako eo ambonin’ny sorony ny lohako. Nihevitra aho fa tsy hisy handray izany ho zavatra hafa. Tena nisy ambadika anefa ny fihetsiko taminy. Toa nandray anjara tamin’ilay kilalaoko koa i René ary tsapako mihitsy aza fa nahafinaritra azy izany. Nazava be fa tiany ny miaraka amiko. Nino tanteraka aho fa tia ahy koa izy, saingy niady mafy izy mba tsy ho tafalatsaka ao anatin’ilay fitiavana.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo