Jejoo

Dans la même rubrique

Terrine de poisson aux petits légumes

30/11/2020

Akora ilaina : · Crème liquide 12 santilitatra · Trondro be nofony ka ny faritry ny rambony no ilaina, 1,2 kg · Atody 4

 Lire la suite...

Salady amin’ny crème sy radis

27/11/2020

Akora ilaina : · Crème fraiche 1/3 kaopy · Salady tsara tarehy 1 · Tongolo maitso 2 · Radis 4 · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Atody atao salady na sushi

26/11/2020

1. Salady atody Akora ilaina · Atody 2 · Salady 1 · Voatabia 1 · Oliva mainty · Crème fraiche 1 sotrokely · Sesame 1 sf

 Lire la suite...

Salady voatabia sy frezy

23/11/2020

Akora ilaina · Frezy 400g · Voatabia 4 · Fraomazy féta 150g · Ravina solila 6 · Saosy soja 4 sf · Vinaingitra Xérès 1 sf · Vovoka sakamalao ½ sk · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Mofomamy vita amin’ny vomanga

20/11/2020

Akora ilaina · Vomanga 1kg · Siramamy menamena ¼ kg · Lafarina 2sf · Dibera 200g · Atody lehibe 4 · Lavanila tahony 1 · Rhum 4 sf

 Lire la suite...

Pâté de poisson

19/11/2020

Akora ilaina · Nofon-trondro 400g · Ranom-boasarimakirana 2-3 sf · Cream cheese 125g · Dibera 200g · Ravina manitra, aneth · Persily · Voasarimakirana hanaingoana azy · Mofo 1 · Menaka oliva 2sf · Tongolo gasy hasiny 3

 Lire la suite...

Flan amin’ny mananasy

16/11/2020

Akora ilaina • Ronono mandry mamy 180g • “Caramel” 100g • Lafarinina 35g • Mananasy • Atody 4

 Lire la suite...

Sakafo

Mini cannelé Bordelais

23/10/2020

Akora ilaina · Sira 1 tsongo · Toaka 1 sf · Lavanila 1 sf · Dibera 50g · Siramamy 250g · Ronono ½ l · Atody 2 · Tamenak’atody 2 · Lafarinina 100g

 

Fikarakarana azy

1.       Ampangotrahina ny ronono.

2.       Tetehina roa ilay lavanila ka ny ao anatiny no alaina. Atambatra amin’ilay ronono io dia arotsaka ao koa ny dibera

3.       Mandritra izany fotoana izany dia afangaro ny siramamy sy ny atody ary ny lafarinina. Kapohina amin’ny “fouet”

4.       Araraka moramora ny ronono no sady aroina amin’ilay fouet ihany. Tokony hahazo paty mitsiranoka sy tsy misy mivaingambaingana mihitsy, toy ireny paty hanaovana crepe ireny.

5.       Rehefa vita dia avela hipetraka mandritra ny ora iray vao alefa ao ilay toaka ary afangaro tsara indray.

6.       Hafanaina mandritra ny 10 minitra, eo amin’ny 250°C, ny lafaoro

7.       Fenoina eo amin’ny 2/3 ireo lasitra hampiasaina. Raha ireny silicone ireny dia tsy mila asiana dibera akory.

8.       Ampidirina ao anaty lafaoro mandritra ny 5 minitra, ka atao eo amin’ny 300°C ny hafanana. Tapitra io 5 minitra io dia ampidinina 180°C ny hafanan’ny lafaoro ary andrahoina mandritra ny ora iray. Arahi-maso matetika. Tokony hiloko volon-tsôkôlà matroka be ny ivelany fa ny ao anatiny kosa tokony hijanona halemy foana.

9.       Avoaka avy ao anaty lasitra minitra vitsy, aorian’ny fahamasahany, dia apetraka ambony “grille”

 

Azo tehirizina ao anaty boaty vy ny « cannelés ». Ho an’ny lasitra indray, aleo kokoa mampiasa ireo vita amin’ny “silicone”, fa amin’iny mora esorina ny mofo, mora diovina ary betsaka ny mivarotra azy eto an-drenivohitra, raha mitaha amin’ireo lasitra vita amin’ny vy. Manomboka amin’ny 5.000Ar no ho miakatra ny vidiny.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo