Jejoo

Dans la même rubrique

Terrine de poisson aux petits légumes

30/11/2020

Akora ilaina : · Crème liquide 12 santilitatra · Trondro be nofony ka ny faritry ny rambony no ilaina, 1,2 kg · Atody 4

 Lire la suite...

Salady amin’ny crème sy radis

27/11/2020

Akora ilaina : · Crème fraiche 1/3 kaopy · Salady tsara tarehy 1 · Tongolo maitso 2 · Radis 4 · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Atody atao salady na sushi

26/11/2020

1. Salady atody Akora ilaina · Atody 2 · Salady 1 · Voatabia 1 · Oliva mainty · Crème fraiche 1 sotrokely · Sesame 1 sf

 Lire la suite...

Salady voatabia sy frezy

23/11/2020

Akora ilaina · Frezy 400g · Voatabia 4 · Fraomazy féta 150g · Ravina solila 6 · Saosy soja 4 sf · Vinaingitra Xérès 1 sf · Vovoka sakamalao ½ sk · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Mofomamy vita amin’ny vomanga

20/11/2020

Akora ilaina · Vomanga 1kg · Siramamy menamena ¼ kg · Lafarina 2sf · Dibera 200g · Atody lehibe 4 · Lavanila tahony 1 · Rhum 4 sf

 Lire la suite...

Pâté de poisson

19/11/2020

Akora ilaina · Nofon-trondro 400g · Ranom-boasarimakirana 2-3 sf · Cream cheese 125g · Dibera 200g · Ravina manitra, aneth · Persily · Voasarimakirana hanaingoana azy · Mofo 1 · Menaka oliva 2sf · Tongolo gasy hasiny 3

 Lire la suite...

Flan amin’ny mananasy

16/11/2020

Akora ilaina • Ronono mandry mamy 180g • “Caramel” 100g • Lafarinina 35g • Mananasy • Atody 4

 Lire la suite...

Sakafo

Vomanga amin’ny ron’akoho Akora ilaina

22/10/2020

Vomanga lehibe 2 (voasana sy tetehina boribory tsy matevina loatra) Karaoty lehibe 2 (voasana ary tetehina boribory toy ireo vomanga) Menaka oliva 2 sf Ranom-boasarimakirana 30ml Tamotamo 1 sk Sira ½ sk

 

 

  •  
  • Sakay (esorina ny voany ary tetehina manify)
  • Nofon-trondro 450g (tsy asiana hodiny ary zaraina 4)
  • Tongolo lehibe 1 (tetehina manify)
  • Tongolo gasy 2  tetehina manify
  • Sakamalao 2 sf (nokikisana)
  • Voatabia 1 zaraina 4
  • Ron’akoho 125ml
  • Tavim-boanio 125ml
  • Voaisarimakirana (tsy voatery ho asiana)

Fomba fikarakarana azy

  1. Hafanaina ny lafaoro ka apetraka eo afovoan’ny lafaoro ilay “grille”. Atao eo amin’ny 220°C ny hafanana.
  2. Asiana taratasy fahandro ny lasitra iray
  3. Alahatra eo ambonin’io lasitra io ny legioma ka rarahina menaka oliva 1 sf. 
  4. Andrahoina mandritra ny 30 minitra fa tsy atao masaka loatra nefa.
  5. Raha tsy manana lafaoro dia azo atao ihany koa ny mahandro ireo legioma amin’ny evo-drano
  6. Mandritra izany fotoana izany, afangaro ny ranom-boasarimakirana, ny tamotamo ary ny sira sy dipoavatra.
  7. Arotsaka ao ihany koa ny nofon-trondro, aroina tsara ary avela hilona mandritra ny dimy minitra eo ho eo.
  8. Endasina ny tongolo, ny tongolo gasy sy ny sakamalao.
  9. Arotsaka ao ilay trondro nalona teo, ny voatabia sy ny ron’akoho ary ilay tavim-boanio.
  10. Avela ho ridritra aloha ilay saosy .
  11. Esorina eo ambony afo dia avela hipetraka kely  vao aroso miaraka amin’ny legioma sy ilay voasarimakirana notetehina efatra (raha toa ka nampiasa izany).

Torohevitra

Ron’akoho tsy be sira no ampiasaina amin’ity nahandro ity. Tavim-boanio tsy matavy loatra ihany koa mba hifanaraka tsara amin’ny nahandro natao ho an’ireo diabetika. Ahitana gliosida 24g sy fibres 4g ao anatin’ny  iray tasy amin’ity nahandro ity.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo