Jejoo

Dans la même rubrique

Terrine de poisson aux petits légumes

30/11/2020

Akora ilaina : · Crème liquide 12 santilitatra · Trondro be nofony ka ny faritry ny rambony no ilaina, 1,2 kg · Atody 4

 Lire la suite...

Salady amin’ny crème sy radis

27/11/2020

Akora ilaina : · Crème fraiche 1/3 kaopy · Salady tsara tarehy 1 · Tongolo maitso 2 · Radis 4 · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Atody atao salady na sushi

26/11/2020

1. Salady atody Akora ilaina · Atody 2 · Salady 1 · Voatabia 1 · Oliva mainty · Crème fraiche 1 sotrokely · Sesame 1 sf

 Lire la suite...

Salady voatabia sy frezy

23/11/2020

Akora ilaina · Frezy 400g · Voatabia 4 · Fraomazy féta 150g · Ravina solila 6 · Saosy soja 4 sf · Vinaingitra Xérès 1 sf · Vovoka sakamalao ½ sk · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Mofomamy vita amin’ny vomanga

20/11/2020

Akora ilaina · Vomanga 1kg · Siramamy menamena ¼ kg · Lafarina 2sf · Dibera 200g · Atody lehibe 4 · Lavanila tahony 1 · Rhum 4 sf

 Lire la suite...

Pâté de poisson

19/11/2020

Akora ilaina · Nofon-trondro 400g · Ranom-boasarimakirana 2-3 sf · Cream cheese 125g · Dibera 200g · Ravina manitra, aneth · Persily · Voasarimakirana hanaingoana azy · Mofo 1 · Menaka oliva 2sf · Tongolo gasy hasiny 3

 Lire la suite...

Flan amin’ny mananasy

16/11/2020

Akora ilaina • Ronono mandry mamy 180g • “Caramel” 100g • Lafarinina 35g • Mananasy • Atody 4

 Lire la suite...

Sakafo

Cassoulet

19/10/2020

Akora ilaina (ho an’olona 6) · Kotileta na soron’ondry 800g · Tratran-kisoa 300g · Saosisy 400g · Gana amin’ny boaty 2 · Tsaramaso maina 1 kg · Tongolo be 3 · Tongolo gasy 3 · Voatabia 250g · Voatabia lehibe 2 · Chapelure 6 sf · Bouquet garni 1 · Persily tahony 2 · Sira sy dipoavatra

 

 

 

Fomba fikarakarana azy

1.      Alona ao anaty rano mandritra ny alina ny tsaramaso. Ny ampitso dia tsihifina ary atao ao anaty vilany kôkôty lehibe.

2.      Ampiarahina aminy ao ny henan-kisoa .

3.      Voasana ny tongolo iray fa tsy tetehina dia arotsaka miaraka aminy ao avy hatrany

4.      Atambatra aminy ao ihany koa ny bouquet garni. Asiana sira sy dipoavatra dia avela hiketrika mandritra ny ora iray mahery eo

5.      Ampangotrahina ny voatabia dia esorina ny hodiny. Potserina ny nofony

6.      Tetehina enina ny kotileta na ny soron’ondry dia endasina miaraka amin’ny tavy nalaina avy amin’ilay gana amin’ny boaty

7.      Rehefa mendy dia esorina ao anaty lapoaly. Diovina io vilany io ary asiana tavin-gana hatsonika indray

8.      Voasana sy tetehina ny tongolo gasy sy ny ambina tongolo. Endasina ireo dia esorina rehefa vita, ka soloina ny saosisy indray.

9.      Hafanaina eo amin’ny 150°C ny lafaoro

10.  Tsihifina ny tsaramaso  fa tsy ariana ny ranony

11.  Asiana menaka ny lasitra iray ary arotsaka ao anatiny ao ny tsaramaso, ny hena sy ny saosisy ary ilay gana

12.  Afangaro ao anaty lovia kely aloha ny voatabia, ny tongolo, ny sira sy dipoavatra ary asiana kely amin’ilay rony nandrahoana ny tsaramaso teo.

13.  Araraka ao anatin’ilay lasitra misy ny tsaramaso teo ireo dia ampidirina ao anaty lafaoro mandritra ny ora roa.

14.  Mialohan’ny hamaranana ny fandrahoana dia rarahana chapelure eo amboniny ary averina ao anaty lafaoro indray

15.  Rehefa tena handroso azy vao tetehina ny persily dia araraka eo amboniny.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo