Jejoo

Dans la même rubrique

Ady atao amin'ny kere Velaran-tany mirefy 9 ha ao amin'ny Kaominina Maroaloke, Antaritarike sy Talaky-bas no hovolen'ny tanora balahazo

26/10/2020

Ho fanohanana ireo mponina izay hianjadian'ny kere any Atsimo dia nitondra ny anjara birikiny ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena izay tantanin'Atoa TINOKA Roberto.

 Lire la suite...

ANDAPA Tovolahy 19 taona tratra nangalatra lavalina

26/10/2020

Tra-tehaky ny pôlisy ny herinandro lasa teo, ny tovolahy kely iray 19 taona, nangalatra lavanila tao Ambahikarabo Andapa. Saika mitaraina ho very tahona lavanilahatrany ireo mponina ao an-toerana.

 Lire la suite...

ANTSIRABE Mpampianatra miisa 250 no hanatevin-daharana eny anivon’ny CEG

26/10/2020

Mpampianatra voahofana nandritra ny 2 taona miisa 250 misalotra ny anarana “Mahefa” no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny

 Lire la suite...

DRENTP Atsinanana Mikarakara fifaninana sary momba ny covid-19

26/10/2020

Nitondra fahalalana maro ho an’ny rehetra ny fisian’ny covid-19 teto amintsika. Mbola tsy foana anefa ny aretina, ary mbola

 Lire la suite...

Fanafihana teny Ambohimangakely: Maty ilay raim-pianakaviana, voaolana ny zanany vavy

26/10/2020

Tokantrano iray teny Tsarahasina Ambohimangakely no nisy nanafika, ny zoma alina lasa teo. Telo mianaka no mipetraka ao amin’ity trano voatafika ity ary alika nivovo tao an-tokontany no nanaitra ilay renim-pianakaviana ka nahatonga azy nivoaka, saingy efa nandrasan’ireo jiolahy tao ambadiky ny varavarana izy.

 Lire la suite...

Papa Francois: manaiky ny fanambadiana ara-panjakana eo amin’ireo mitovy fananahana

23/10/2020

Hatramin’ny fotoana nahalany azy dia efa niresaka mahakasika ny fanambadiana ara-panjakana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana ny Papa François ary fandavana no foto-keviny tamin’izany.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Natomboka ny fanisana ireo mponina

23/10/2020

Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo.

 Lire la suite...

Actualités

Fanajariana lalàna eny amin’ny kaominina Nahaliana ny maro ny momba ny fisaraham-panambadiana

16/10/2020

Ny Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy indray no nanohizana ny hetsika fampahafantarana sy fanajariana lalàna, izay karakarain’ny Fitaleavana misahana ny fandinihana sy fanavaozana ny lalàna (DERL) eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

 

 

 Tafiditra indrindra ao anatin’ny vinan’ny Minisitera momba ny « Fitsarana manakaiky vahoaka sy mora atonina », izay tohanan’ny PAJMA izy io. Tsapa nandritra ny fampahafantarana natao izay narahina fanontaniana sy fanomezam-baliny fa ny lalàna sy ny pitsopitsony momba ny fizaram-pananana eo amin’ny mpivady, ny lalàna mifehy ny fanambadiana, ny lalàna mikasika ny fisaraham-panambadiana no be mpanontany. Tsy latsa-danja ihany koa ny momba ny ady tany, ny fandovana, ny paikady heloka sy ny paikady ara-pitsarana. Tanjona ny hampahafantarana ny lalàna manan-kery sy ireo lalàna vaovao, ny hanapariahana izany amin’ny sehatra isan-tsokajiny, ny anaovana fampielezana eny ifotony ny andinin-dalàna sy ny paikady ara-pitsarana ary ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ho fampahafantarana ny lalàna. Hitohy hatrany moa izao fidinana ifotony tanterahin’ny DERL eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana izao ka ny ao amin’ny kaominina  Ambatofotsy, Ambatomanga, Ankazobe, Moramanga, Vatomandry, Mahanoro ary Fénérive-Est no haleha manaraka.

Lalaina Rav

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo