Jejoo

Dans la même rubrique

Ady atao amin'ny kere Velaran-tany mirefy 9 ha ao amin'ny Kaominina Maroaloke, Antaritarike sy Talaky-bas no hovolen'ny tanora balahazo

26/10/2020

Ho fanohanana ireo mponina izay hianjadian'ny kere any Atsimo dia nitondra ny anjara birikiny ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena izay tantanin'Atoa TINOKA Roberto.

 Lire la suite...

ANDAPA Tovolahy 19 taona tratra nangalatra lavalina

26/10/2020

Tra-tehaky ny pôlisy ny herinandro lasa teo, ny tovolahy kely iray 19 taona, nangalatra lavanila tao Ambahikarabo Andapa. Saika mitaraina ho very tahona lavanilahatrany ireo mponina ao an-toerana.

 Lire la suite...

ANTSIRABE Mpampianatra miisa 250 no hanatevin-daharana eny anivon’ny CEG

26/10/2020

Mpampianatra voahofana nandritra ny 2 taona miisa 250 misalotra ny anarana “Mahefa” no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny

 Lire la suite...

DRENTP Atsinanana Mikarakara fifaninana sary momba ny covid-19

26/10/2020

Nitondra fahalalana maro ho an’ny rehetra ny fisian’ny covid-19 teto amintsika. Mbola tsy foana anefa ny aretina, ary mbola

 Lire la suite...

Fanafihana teny Ambohimangakely: Maty ilay raim-pianakaviana, voaolana ny zanany vavy

26/10/2020

Tokantrano iray teny Tsarahasina Ambohimangakely no nisy nanafika, ny zoma alina lasa teo. Telo mianaka no mipetraka ao amin’ity trano voatafika ity ary alika nivovo tao an-tokontany no nanaitra ilay renim-pianakaviana ka nahatonga azy nivoaka, saingy efa nandrasan’ireo jiolahy tao ambadiky ny varavarana izy.

 Lire la suite...

Papa Francois: manaiky ny fanambadiana ara-panjakana eo amin’ireo mitovy fananahana

23/10/2020

Hatramin’ny fotoana nahalany azy dia efa niresaka mahakasika ny fanambadiana ara-panjakana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana ny Papa François ary fandavana no foto-keviny tamin’izany.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Natomboka ny fanisana ireo mponina

23/10/2020

Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo.

 Lire la suite...

Actualités

“Centre Régional de l’Artisanat Malagasy”, Sofia Nahazo toerana fanaovana asa-tanana

16/10/2020

Ho fanatsarana ny kalitaon’ny rofia malagasy sy ho fampiroboroboana ny sampam-pamokarana rofia dia notoloran-dRtoa Lantosoa RAKOTOMALALA,

 

 Minisitry ny MICA toerana fanaovana asa-tanana ahitana fitaovam-panodinana rofia manaraka ny vanin’andro ankehitriny toy ny “grand métier à tisser” miisa 2; “imprimante 3D” miisa 2 ary “materiel à gravure CNC” iray ny CERAM na ny “Centre Régional de l’Artisanat Malagasy” any amin’ny faritra Sofia ao Antsohihy. Vehivavy mpanao asa-tanana miisa 20 ao an-toerana no misikatra ity toerana ity saingy misokatra ho an’ireo fikambanana hafa izy io. Notolorana karatra maha-matihanina ihany koa ireto vehivavy mpanao asa-tanana ireto hidiran’izy ireo bebe kokoa eo amin’ny sehatra matihanina. Izany no natao dia ho fanampiana ireo mpanao asa-tanana any an-toerana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra mba hanaraka ny fenitra takian’ny tsena iraisam-pirenena ary koa hampitomboana ny famokaran’izy ireo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny Velirano 6 « ho an’ny fananana asa mendrika » sy ny Velirano 7 “ho an’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny vehivavy eny anivon’ny faritra” izao hetsika ataon’ny minisitera izao entina miatrika ny fikorontanan’ny toekarena nateraky ny Covid-19.

 

Lalaina Rav

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo