Jejoo

Dans la même rubrique

Terrine de poisson aux petits légumes

30/11/2020

Akora ilaina : · Crème liquide 12 santilitatra · Trondro be nofony ka ny faritry ny rambony no ilaina, 1,2 kg · Atody 4

 Lire la suite...

Salady amin’ny crème sy radis

27/11/2020

Akora ilaina : · Crème fraiche 1/3 kaopy · Salady tsara tarehy 1 · Tongolo maitso 2 · Radis 4 · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Atody atao salady na sushi

26/11/2020

1. Salady atody Akora ilaina · Atody 2 · Salady 1 · Voatabia 1 · Oliva mainty · Crème fraiche 1 sotrokely · Sesame 1 sf

 Lire la suite...

Salady voatabia sy frezy

23/11/2020

Akora ilaina · Frezy 400g · Voatabia 4 · Fraomazy féta 150g · Ravina solila 6 · Saosy soja 4 sf · Vinaingitra Xérès 1 sf · Vovoka sakamalao ½ sk · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Mofomamy vita amin’ny vomanga

20/11/2020

Akora ilaina · Vomanga 1kg · Siramamy menamena ¼ kg · Lafarina 2sf · Dibera 200g · Atody lehibe 4 · Lavanila tahony 1 · Rhum 4 sf

 Lire la suite...

Pâté de poisson

19/11/2020

Akora ilaina · Nofon-trondro 400g · Ranom-boasarimakirana 2-3 sf · Cream cheese 125g · Dibera 200g · Ravina manitra, aneth · Persily · Voasarimakirana hanaingoana azy · Mofo 1 · Menaka oliva 2sf · Tongolo gasy hasiny 3

 Lire la suite...

Flan amin’ny mananasy

16/11/2020

Akora ilaina • Ronono mandry mamy 180g • “Caramel” 100g • Lafarinina 35g • Mananasy • Atody 4

 Lire la suite...

Sakafo

Mofo amin’ny amende Akora ilaina

12/10/2020

“Semoule” na lafarinina mangahazo 500g · Siramamy 125g · Dibera nalefahina 50g · Hanitra 120ml (voasarimakirana) · Sira 1 tsongo · Amande nopotehina manify 150g · Siramamy 3sf · Hanitra 2 sf · Vovoka kanelina ½ sk Ho an’ny sirop : · Siramamy 500g · Rano 500ml · Hanitra 1 sf · Voasarimakirana · Tantely 150g

 

·   

Fikarakarana azy

1.         Ampidirina ao anaty lovia jobo lehibe ny “semoule”

2.         Atambatra ao aminy ao ny dibera ary kosehina amin’ny tanana mba hitrohan’ny  “semoule” ilay menaka

3.         Ampiana ilay sira sy siramamy

4.         Rarahina ilay hanitra voasarimakirana dia potsehina amin’ny lohan-tanana

5.         Saromana dia avela hilona mandritra ny alina

6.         Ny ampitson’iny: rarahina hanitra voasarimakirana 30ml indray ka haroina amin’ny lohan-tanana ihany.

7.         Avela hipetraka mandritra ny ora roa indray.

Ho an’ny amande

1.         Mandritra izany fotoana rehetra izany, afangaro ao anaty lovia jobo ny kanelina, ny amande, ny siramamy ary rarahina ilay hanitra indray dia atokana.

2.         Omanina ilay “sirop”

3.         Alefa ao anaty vilany kely iray ireo akora rehetra hanamboarana azy

4.         Apetraka eo ambony afo malefaka. Tokony harihitra somary matevina fa tsy maina loatra.

5.         Rehefa nipetraka ilay paty dia araraka ao anaty lasitra ny antsasany

6.         Alefa eo amboniny eo ilay “amande” efa nomanina teo ary araraka eo amboniny kosa ny ambin’ilay paty.

7.         Safoina amin’ny vodina sotro ny paty rehetra mba hitovy tantana ny haavony. Rehefa izay dia manoritra efamira amin’ny antsy ka ametrahana voana “amande” tsirairay eo afovoan’ireo efamira.

8.         Ampidirina ao anaty lafaoro mandritra ny 45 minitra, amin’ny hafanana 180°C

9.         Tokony ho mendy tsara vao avoaka ao anaty lafaoro

10.     Izy vao avoaka iny dia rarahina ny antsasak’ ilay “sirop” efa nomanina

11.     Avela hitroka sy hilatsaka io sirop io, tokony eo amin’ny 15minitra eo

12.     Rarahina ny ambin’ilay “sirop” teo aorian’izay.

13.     Ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana ka ny ampitso mihitsy vao hanina

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo