Jejoo

Dans la même rubrique

Godrogodro amin'ny voanio

14/08/2020

Akora ilaina • Voanio 1 na tavim-boanio 50sl • Kobam-bary 1kg na 4 kapaoka • Siramamy1/2kg • Rano 8 kapoaka • Hanitra izay tiana Akora ho an’ny caramel • Siramamy 4sf

 Lire la suite...

Crèpes amin'ny sôkôla

13/08/2020

Akora ilaina • Ronono 300ml • Dibera 40g • Lafarinina 125g • Vovoka kakaô 25g • Atody 3 • Sira 1 tsongo • Siramamy 20g • Pate à tartiner na totom-boanjo

 Lire la suite...

Salady amin’ny crème sy radis

03/07/2020

Akora ilaina : · Crème fraiche 1/3 kaopy · Salady tsara tarehy 1 · Tongolo maitso 2 · Radis 4 · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Ile flottante

29/06/2020

Akora ilaina · Atody 6 · Ronono ½ litatra · Siramamy 170g + 50g ho an’ny caramel · Tahona lavanila 1 · Sira iray tsongo

 Lire la suite...

Tarte amin’ny korzety, tsy mampatavy

24/06/2020

Akora ilaina · Korzety 2 · Muscade voakiky ½ sk · Semoule 20g · Atody 2 · Crème tsy matavy (4%) 100 g · Fraomazy parmesan voakiky 30 g · Sira 1 tsongo · Dipoavatra 1 tsongo

 Lire la suite...

Cake amin’ny voana korzety sy voanio ary zavoka

22/06/2020

Akora ilaina · Lafarinina 1 ¾ tasy · Karibonetra na lalivay ½ sk · Sira ¼ · Vovoka muscade ¼ ( tsy voatery ho asiana) · Voanio voakiky ½ tasy na tavim-boanio · Korzety 2 · Zavoka 1 masaka tsara · Siramamy ½ tasy · Atody 2 · Ronono 4 sf · Hodim-boasarimakirana ½ voakiky

 Lire la suite...

Madeleine à la liqueur

19/06/2020

Akora ilaina · Lafarinina 250g · Siramamy 4 sf ( na araka izay tiana) · Dibera 120 g · Lalivay 1 fonosana · Atody 4 · Liqueur (izay tiana) 3 sf · Fleur de sel ( afaka tsy asiana)

 Lire la suite...

Sakafo

Atody atao salady na sushi 1. Salady atody

02/07/2020

Akora ilaina · Atody 2 · Salady 1 · Voatabia 1 · Oliva mainty · Crème fraiche 1 sotrokely · Sesame 1 sf

 

 

 

Fomba fikarakarana azy

Sasana aloha ny salady, diovina tsara dia avela hitsiaka rehefa avy eo. Maka lovia  jobo kely iray hikapohana ny atody ary asiana sira sy dipoavatra. Endasina amin’ny dibera, na menaka, arakarak’izay hitiavana azy. Afindra anaty lovia hafa ka ahorongorona amin’ny halavany, dieny izy mbola mafana iny. Tetehina tsy dia manify loatra. Maka lovia jobo iray asiana ny salady, ny voatabia efa notetehina efa-joro ary ny oliva nozaraina roa. Atambatra amin’ireo ilay atody voatetika teo dia rarahana “vinaigrette” amin’izay.

 

2.      Sushi vita amin’ny atody

Akora ilaina

·         Vary lava

·         Rano 22 sl

·         Vinaingitra 5sl

·         Siramamy

·         Sira

·         Atody 3

·         Kôkômbra 1

·         Voatabia

·         Saumon 150g (any amin’ny grandes surfaces)

·         Saosy soja 5sl

Fomba fikarakarana azy

Andrahoina ny vary fa tsy hatao masaka loatra. Endasina ihany koa ny atody, saingy tsy avadika akory fa atao masaka tsara fotsiny. Tetehina madinika sy lavalava ny kôkômbra ary atao toy izay koa ny trondro sy ny voatabia. Rehefa hanamboatra azy dia mila ireny tsihy natokana hamehezana “sushi” ireny. Raha toa ka tsy mahita dia afaka mampiasa “film alimentaire”. Apetraka eo ambonin’ilay tsihy kely, na ilay “film alimentaire” ny atody dia apetraka eo amboniny ny vary sy trondro ary  ny voatabia. Aparitaka mba hahazo ny velaran’ilay atody. Ahorongorona amin’izay ilay tsihy, na ilay “film”, ka fehezina mafy tsara mba tsy hivoraka. Tetehina araka ny habeny  izay ilaina. Aroso miaraka amin’ny saosy soja na saosy hafa, araka izay tiana.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo