Jejoo

Dans la même rubrique

CEPE Vonona ny fotodrafitrasa, vonona ny kilonga!

31/08/2020

Hotanterahina rahampitso Talata fiandohan’ny volana Septambra ny fanadinam-panjakana CEPE taona 2020 ho an’Antananarivo sy Antsiranana.

 Lire la suite...

COVID-19 : Voaaro kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy ?

18/08/2020

Araka ny nambaran’ny « Santé publique France », nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19, dia ny lehilahy no betsaka sy mora voan’ny covid-19 kokoa, mihoatra amin'ny vehivavy. Mitombina marina ve izany ? Toy izao ny fanazavana azo tao amin’ny « bulletin de santé publique France », ny 9 aprily lasa teo.

 Lire la suite...

Ady amin’ny herisetra : Ankizy 1 amin’ny 4 no tsy mahatsiaro tena ho voaaro eo anivon’ny sekoly

21/06/2018

« Omena endrika izay tsy azo tantaraina » ! Lohahevitra nitondrana ny famoahana ny tatitry ny fanadihadiana momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, notontosaina ny talata lasa teo izany.

 Lire la suite...

Tsy fihafiana ny manam-bady …

13/06/2018

Vehivavy aho no mizara ny efa niainako eto amin’ny Jejoo anio. Te hanoro hevitra an’ireo vehivavy toa ahy aho, izay mihevitra fa fihafiana ny tokantrano.

 Lire la suite...

Hanova anarana: inona avy ny taratasy ilaina? aiza no haleha?

16/04/2018

Noho ny antony samy hafa dia mety tsy ho tiana ny anarana nomen’ny ray aman-dreny. Azo atao ny manova azy ireny, rehefa manao fangatahana any amin’ny filohan’ny fitsaràna ambaratonga voalohany. Atoro anao anio ny fanaovana izany.

 Lire la suite...

Fa maninona ny vehivavy amin’izao no lasa tia mikolo ny hatsaran-tarehy ?

22/01/2018

Tao anatin’ny 20 taona teo dia nisy fivoarana be teto Madagasikara, raha ny momba ny fikoloana ny hatsaran-tarehy. Efa maro isafidianana izao ny akora fikoloana tarehy hita eny an-tsena, hatrany anatin’ireny varotra amin’ny aterineto ireny. Matoa mihamaro izy ireny dia azo heverina fa mihaliana amin’izy ireny ny vehivavy malagasy. Inona tokoa no mety ho antony ?

 Lire la suite...

MARC TATANDRAZA : Tranon-dainga, mpaka an-keriny…Mitohy ny fikarohana azy!

15/01/2018

Marobe ireo olona tohina, noho ny zavatra rehetra nataon’ilay mpitondra fivavahana antsoina hoe : Tatandraza, izay milaza ny tenany ho apôstôly.

 Lire la suite...

Dossier

Ireo fahazarana atao any an-tsekoly, mba tsy hampiparitaka ny Coronavirus Covid-19 any an-tsekoly : Fadio ny mizara “gouter”, mifampindrana «stylo »,…

11/06/2020

Toeram-pianarana miisa 4 eny Alakamisy Fenoarivo ankoatra ny oniversite pôliteknika eny Vontovorona no voakasik’ilay valan’aretina Coronavirus izay niparitaka teny an-toerana.

Midika izany fa risika tokoa ny fifampikasohana any an-tsekoly ao anatin’izao vanim-potoan’ny valan’aretina izao. Ho an’ireo kilasim-panadinana anefa dia tsy maintsy manohy ny fampianarana foana ihany izy ireo amin’izao fotoana izao. Mitebiteby ny ray aman-dreny manoloana izany. Ireto ny torohevitra mahasoa, hamaha izay olanao izay.

 

 

Ampahafantaro azy tsara ilay aretina

Aza alefa any an-tsekoly ny zanakao raha mbola tsy mahafehy tsara ara-pratika ny mikasika ny Coronavirus izay misy eto amintsika. Toy ny hoe Virosy ity Covid-19 ity ka mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora sy ny fifampikasohana. Mety hipetapetaka eny rehetra eny ny piti-droran’ireo marary tsy mahatandrina ka izany no mila hanasana tanana matetika sao sanatria nifanena tamin’ilay virosy izy. Izany koa no tsy azo hikasihana orona, vava, maso sao tafiditra any ilay virosy ary ny aron-tava indray dia sady miaro ny namany no miaro azy koa…

 

Misy fihetsika tsy nahy anefa

 Na efa hay tsianjery aza anefa ireo fahalalana fototra ireo, dia mila hain’ireo ankizy ara-pratika koa fa misy fihetsika mahazatra fanao any an-tsekoly mety hahavoan’ny Covid-19. Anisan’ireny izao ny fifampihindramana fitaovam-pianarana, indrindra raha misy nanala aron-tava ka manaikitra “stylo”. Toy izany koa ny “gaoma” izay misy piti-drora matetika… Ankoatra izay dia mety hampifamindra Coronavirus koa raha sanatria misy voa ao am-pianarana ny mifampizara ody ambavafo sy ny fanandramana ny “gouter” an’ny namana. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo lalao ara-panabeazana na kilalao fanao rehefa maka rivotra izay misy mifandray tanana, na manapasipasy zavatra toy ny baolina. Izany rehetra anefa dia tsy voatery ho voahajan’ireo ankizy, ka andraikitry ny mpanabe sy ny sekoly ny manara-maso sy manoro izany.

 

Atoroy azy ary zarao any an-tsekoly ireo fahazarana vaovao

-          Manasa tanana amin’ny savony na ny “gel hydroalcoolique” mandritra ny 30s rehefa : hiditra eo am-bavahadim-pianarana ; isaky ny avy manintsin-delo amin’ny mosoara ; mialoha ny hihinana “gouter” ; rehefa tapitra ny fakan-drivotra ; rehefa avy any amin’ny toeram-pivoahana ; mialoha ny handeha hody amin’ny firavana

-          Mosoara taratasy no ampiasaina, ary isaky ny avy mampiasa dia aterina ao amin’ny fako avy hatrany izany fa tsy apetraka eo ambony latabatra na any anaty paosy sy kitapo

-          Isaky ny mihevina sy mikohaka dia tsy esorina ny aron-tava ary ao anaty sandry izany no atao

-          Tsy mikasikasika tarehy mihitsy

-           Tsy mihinana sakafo afa-tsy izay nentina avy any an-trano, ary tsy mizara ihany koa na dia fanao aza izany taloha

-          Tsy mampihindrana fitaovana

-          Tsy mikasika rindrina sy tohatra mihitsy fa atao any am-paosy foana ny tanana

 

 

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo