Jejoo

Dans la même rubrique

Atody atao salady na sushi 1. Salady atody

02/07/2020

Akora ilaina · Atody 2 · Salady 1 · Voatabia 1 · Oliva mainty · Crème fraiche 1 sotrokely · Sesame 1 sf

 Lire la suite...

Ile flottante

29/06/2020

Akora ilaina · Atody 6 · Ronono ½ litatra · Siramamy 170g + 50g ho an’ny caramel · Tahona lavanila 1 · Sira iray tsongo

 Lire la suite...

Tarte amin’ny korzety, tsy mampatavy

24/06/2020

Akora ilaina · Korzety 2 · Muscade voakiky ½ sk · Semoule 20g · Atody 2 · Crème tsy matavy (4%) 100 g · Fraomazy parmesan voakiky 30 g · Sira 1 tsongo · Dipoavatra 1 tsongo

 Lire la suite...

Cake amin’ny voana korzety sy voanio ary zavoka

22/06/2020

Akora ilaina · Lafarinina 1 ¾ tasy · Karibonetra na lalivay ½ sk · Sira ¼ · Vovoka muscade ¼ ( tsy voatery ho asiana) · Voanio voakiky ½ tasy na tavim-boanio · Korzety 2 · Zavoka 1 masaka tsara · Siramamy ½ tasy · Atody 2 · Ronono 4 sf · Hodim-boasarimakirana ½ voakiky

 Lire la suite...

Madeleine à la liqueur

19/06/2020

Akora ilaina · Lafarinina 250g · Siramamy 4 sf ( na araka izay tiana) · Dibera 120 g · Lalivay 1 fonosana · Atody 4 · Liqueur (izay tiana) 3 sf · Fleur de sel ( afaka tsy asiana)

 Lire la suite...

Rambon’omby sy legioma

15/06/2020

Akora ilaina · Rambon’omby 1.5kg · Lardon 100g ( tsy voatery ho asiana) · Tongolo be 1 · Karaoty 2 · Ovy 2 · Tongolo gasy hasiny 2 lehibe · Selery 150g · Voatabia izay tiana · Siramamy 1 sotrokely · Sira sy dipoavatra · Dità · Hodim-boasary · Divay mena 1 vera · Kioba manome tsiro henan’omby · Lafarinina 3 sf · Menaka olive na menaka tsotra

 Lire la suite...

Mofomamy vita amin’ny vomanga

11/06/2020

Akora ilaina · Vomanga 1kg · Siramamy menamena ¼ kg · Lafarina 2sf · Dibera 200g · Atody lehibe 4 · Lavanila tahony 1 · Rhum 4 sf

 Lire la suite...

Sakafo

CUISINE "Gaufre" masira, matsiro

27/04/2020

Rehefa mikarakara na mihinana « gaufre » dia tsy mahazatra loatra ilay izy masira.

 

 

 

Handeha hiova kely indray ka hahandro «gaufre » masira isika, ho an’ny anio. Mety be koa izy ity ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka tsy mety mihinana legioma.

 

 

Gaufre amin’ny ovy sy lardons

Akora ilaina ( ho an’olona 4)

• Ovy 350g

• Dibera 40g

• Atody 3

• Ronono 75ml

• Fraomazy mafy boribory 1 ( 150g)

• Lardons 450g

Fikarakarana azy

Voasana sy diovina ny ovy dia zaraina efatra ary andrahoina. Rehefa masaka dia potserina ary arotsaka miaraka aminy ao ny dibera sy ny ronono. Afangaro tsara. Sarahina ny tamenak’atody sy ny tapotsiny. Kapohina hiakatra ho fotsy tsara ilay tapotsiny fa ilay tamenany kosa atambatra miaraka amin’ilay ovy teo. Afangaro tsara vao arotsaka in-droa ao anatiny ao ilay tapotsin’atody nokapohina. Andrahoina ao anaty masinina fanamboarana gaufre ny paty. Endasika kosa ny “lardons”. Rehefa vita dia asiana lardons eo ambonin’ilay gaufre ary rarahina fraomazy efa voakiky dia ampidirina minitra vitsy ao anaty lafaoro. Rehefa mitsonika ilay fraomazy dia vita izay.

 

 

Gaufre amin’ny legioma

 

 

Akora ilaina

• Lafarinina 150g

 • Menaka 2 sf

• Sira sy dipoavatra

 • Atody 4

 • Korzety 2

• Persily efa notetehina manify

• Karaoty

 • (Azo asiana épinard ihany koa)

 Fikarakarana azy

Afangaro ny lafarinina sy ny tamenak’atody, arotsaka miaraka amin’ireo koa ny ronono. Asiana sira sy dipoavatra ary atambatra amin’ireo ny persily efa voatetika. Afangaro tsara dia avela hipetraka mandritra ny ora roa. Karakaraina ireo legioma rehetra dia kikisana manify. Endasina mandritra ny 5 minitra eo. Atambatra amin’ilay paty nokarakaraina teo ireo legioma. Kapohina indray ny tapotsin’atody mba ho lasa fotsy tsara ary asiana sira iray tsongo. Atambatra in-droa misesy amin’ilay paty teo koa io dia andrahoina amin’ny masinina amin’izay. Azo aroso miaraka amin’ny salady rehefa hihinana azy.

 

Rinahsoa

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo