Jejoo

Dans la même rubrique

Fetin’ny fahaleovantena 2020 : Tsy azon’ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Hiavaka tsy toy ny isan-taona ny fankalazan’ny Malagasy ny fetim-pirenena amin’ity taona ity noho ny fisian’ny valanaretina covid-19 eto amintsika. Raha eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina hatrany mantsy no mahazatra hankalazana izany lanonana izany isan-taona,

 Lire la suite...

ALAOTRA MANGORO Mpamboly vary miisa 4 000 taraiky any amin’ny faritra hafa

28/05/2020

Mpamboly vary miisa 4 000 avy any amin’ny faritra Alaotra mangoro no miparitaka manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Manao asa any amin’ny faritra hafa ny ankamaroan’izy ireo, ary mihitsoka any amin’izay toerana misy azy avokoa raha tokony hampiaka-bokatra any Alaotra amin’izao fotoana izao,

 Lire la suite...

Alika mpitsongo dia : Nahazo fitaovana vaovao

28/05/2020

Fitaovam-piofanana feno sy « panneaux solaire » miisa 4 no natolotra ireo alika mpitsongo dia miisa 29 izay tantanin’ireo Maîtres-chiens miisa 30 mandrafitra ny CRFDC omaly alarobia 27 Mey.

 Lire la suite...

Ambatondrazaka Gadra 4 tafatsoaka ny fonja

28/05/2020

Voafonja miisa 04 mirahalahy no tafaporitsaka ny fonjan’Ambatondrazaka omaly alarobia tokony tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro.

 Lire la suite...

ANDOHATAPENAKA III Efa tranga mateti-piseho ilay fanariana zaza menavava

28/05/2020

Nahitana zaza rano iray nisy nanary tao anatina sachet plastika teny Andohatapenaka III afaka omaly maraina. Teny akaikina

 Lire la suite...

Kamiao tapaka "frein" teny Analamahitsy : Naiditra "fourrière"

28/05/2020

Voamarin'ny mpanamarina ara-teknikan'ny ekipan'ny service des opérations et contrôles routiers na SOCR ao anivon'ny foibe fitsarana fiarakodia fa tsy fietezana teo amin'ny tsindry hisatra tokoa no nahatonga ny loza nitranga tamin'ny fiara be kamiao iray teny Analamahitsy ny 21 mey lasa.

 Lire la suite...

Aviation Civile de Madagascar Nodimandry i James Andrianalisoa

26/05/2020

Nodimandry tany Paris ny alakamisy lasa teo i James Andrianalisoa, araka ny tatitra nataon’ny fianakaviany. Fantatra teo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka raha i James Andrianalisoa ary nanana traikefa iraisam-pirenena momba izany tanteraka.

 Lire la suite...

Actualités

ANTSIRABE Hikatona tanteraka ireo tsena lehibe anio

31/03/2020

Ho fiarovana ny amin’ny mety ho fiparitahan’ny tsimok’aretina “coronavirus” dia hitakona tanteraka ny tsena ao Sabotsy Antsirabe sy ao antsenakely anio Talata 31 Martsa. Noho ny asa fanadiovana sy fanondrahana ranom-panafody hataon’ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana no anton’izany.

 

Aorian’ny anio Talata dia tapak’andro ihany sisa no afaka mandray mpividy ny tsena tsirairay avy ka natokana ihany koa ny lalana hidirana sy hivoahana ao an-toerana. Avy any amin’ny vavahady atsimo sy avaratra ohatra no miditra ny rehetra raha tsy maintsy any amin’ny vavahady andrefana sy atsinanana kosa no mivoaka. Nampidirina ho ao anatin’ny vata fandrenesam-peo manatanteraka ilay fandaharana miara-manonja isan’andro ihany koa ireo vata fandrenesam-peo sy fahita lavaitra any an-toerana hahafahana manaraka ny fivoaran’ilay aretina coronavirus izay mitady hahazo vahana eto amintsika. Tsiahivina moa fa noho ny fisian’ilay tera-tany vahiny iray nitondra ny tsimok’aretina coronavirus nandalo tany an-toerana no antony tsy maintsy handraisana izao fepetra izao ka ankoatra ny olon-tsotra dia voakasika avokoa ireo mpiasan’ny hôtely fandraisam-bahiny maro isan-tsokajiny. Mikasika ireo posy sy cyclo posy ary bajaj fitaovam-pitaterana hany sisa miasa any an-toerana dia fantatra fa tsy mahazo mitondra afa-tsy iray isanisany izy ireo sisa.

Patty

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo