Jejoo

Dans la même rubrique

Lova, Kaelle, Hanta…maty vonon’ny vadiny !

28/05/2020

Tsy vao izao fa efa hatramin’izay no manangan-tsandry amin’ny vadiny ny lehilahy rehefa misy tsy fifankahazoana ao an-tokantrano. Iharan’izany saika isan’andro izy efatra mirahavavy nitafatafa tamin’ny Jejoo anio : Lova, Kaelle, Hanta. Araho anie e!

 Lire la suite...

Dokotera maty tao Toamasina Tsy nananton-tena izany, hoy ny fianakaviany !

27/05/2020

Notsipahan’ny fianakavian’ilay mpitsabo maty tao Toamasina ny alahady lasa teo ny filazana fa nananton-tena ity dokotera ity. Tsy karazan’olona hamono tena izany ny dadako, hoy ny zanany vavy raha nanaovan’ny mpanao gazety fanadihadiana izy ireo. Aretin-kibo mahery vaika na “douleur abdominale intense” no niandohan’ny nahazo an’i Dr Daniel

 Lire la suite...

Lova Renée, 8 taona : Te ho lasa Dokotera na Mpanao Gazety ...

26/05/2020

Zazavavikely 8 taona monina any Toamasina i Lova Renée. Tao anatin’ilay “video” na horonan-tsarimihetsika noforoniny mikasika ny Coronavirus izay niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera sy tamin’ny fahitalavitra no namantaran’ny maro azy voalohany.

 Lire la suite...

Toamasina : Dr Daniel, hita faty niantona tao amin'ny "Manara-penitra"

25/05/2020

Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin'ny efitra misy marary iray ao amin'ny hopitaly Morafeno na ny hopitaly manara-penitra ao Toamasina no nahita fa efa nisaringotra tamin'ny tadin'ny serum nampiasaina taminy ny tendan'ny marary iray. Mpitsabo vao naiditra hopitaly ny asabotsy lasa teo ity hita niantona ity.

 Lire la suite...

Zoto 5 mianaka : Voaendaka teny Mahitsy!

23/05/2020

Ny alakamisy hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sasany tany, no nigadona tao Mahitsy i Zoto 5 mianaka. Noho ny habetsahan’ireo olona nijery sy nitsena azy ireo tao Mahitsy anefa dia voaharom-paosy i Zoto ka very vola.

 Lire la suite...

4 mianaka tra-doza : Ilay zaza 12 taona ihany no avotra

22/05/2020

Efa-mianaka niandriaka an-dranomamy tany amin'ny distrikan'i Soanierana Ivongo no tra-doza tany an-toerana. Maty tsy tra-drano noho ny loza nahazo azy ireo tamin'ilay lakana hazo ny mpivady miaraka amin'ny zanany kely vao 4 taona monja.

 Lire la suite...

Ryan Reyes, filipiana Matin'ny Covid-19 tao Ambatovy

20/05/2020

Ryan Reyes, teratany filipiana iray no fantatra fa maty ny alin’ny alatsinainy teo tao amin’ny toeram-pitsaboana ISOS ao amin’ny Ozinina Ambatovy ao Toamasina noho ny aretina COVID-19.

 Lire la suite...

Actualités

Nicola Dupuis, Melvin sy Faneva Ima: Nanentana amin'ny fijanonana ao an-trano

31/03/2020

Ho fiaraha-mientana amin'ny fanentanana ny vahoaka mahakasika ny tokony hanajan'ny tsirairay ny toromarika momba ny ady atao amin’ny coronavirus dia namoaka horonan-tsary fohy i Melvin, Faneva Ima sy ny coach Nicolas Dupuis. Ao anatin'izany horonan-tsary

fohy izany no hanamafisan'izy ireo ny hafatra efa navoakan'ny tomponandraikitra rehetra, indrindra ny filoham-pirenena fa tsy tokony hivoaka ny trano ny tsirairay. Tokony hanasa tanana matetika ary ahay hiray hina ka hitandro ny tenany mba hiarovana ny hafa. Ankoatra ireo, nanamafy ny laharana tokony ho antsoina i Melvin, raha misy fanazavana tiana ho azo mahakasika ny tsimokaretina na efa misy ireo famantarana fa mitondra io tsimokaretina io. Namoaka horonan-tsary hafa moa ny coach Dupuis ka ao anatin'izany no hanoroany ireo zavatra azon'ny tsirairay atao mba hanalana andro ao an-trano toy ny fianarana teny hafa ankoatran'izay efa hay. Izy manokana dia mianatra miteny gasy. Manoro ihany koa izy fa azo atao tsara ny miara-manao fihetseham-batana amin'ny vady aman-janaka, miara-milalao sy ny sisa mba ahafinaritra ny fotoana fihibohana.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo