Jejoo

Dans la même rubrique

Fetin’ny fahaleovantena 2020 : Tsy azon’ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Hiavaka tsy toy ny isan-taona ny fankalazan’ny Malagasy ny fetim-pirenena amin’ity taona ity noho ny fisian’ny valanaretina covid-19 eto amintsika. Raha eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina hatrany mantsy no mahazatra hankalazana izany lanonana izany isan-taona,

 Lire la suite...

ALAOTRA MANGORO Mpamboly vary miisa 4 000 taraiky any amin’ny faritra hafa

28/05/2020

Mpamboly vary miisa 4 000 avy any amin’ny faritra Alaotra mangoro no miparitaka manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Manao asa any amin’ny faritra hafa ny ankamaroan’izy ireo, ary mihitsoka any amin’izay toerana misy azy avokoa raha tokony hampiaka-bokatra any Alaotra amin’izao fotoana izao,

 Lire la suite...

Alika mpitsongo dia : Nahazo fitaovana vaovao

28/05/2020

Fitaovam-piofanana feno sy « panneaux solaire » miisa 4 no natolotra ireo alika mpitsongo dia miisa 29 izay tantanin’ireo Maîtres-chiens miisa 30 mandrafitra ny CRFDC omaly alarobia 27 Mey.

 Lire la suite...

Ambatondrazaka Gadra 4 tafatsoaka ny fonja

28/05/2020

Voafonja miisa 04 mirahalahy no tafaporitsaka ny fonjan’Ambatondrazaka omaly alarobia tokony tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro.

 Lire la suite...

ANDOHATAPENAKA III Efa tranga mateti-piseho ilay fanariana zaza menavava

28/05/2020

Nahitana zaza rano iray nisy nanary tao anatina sachet plastika teny Andohatapenaka III afaka omaly maraina. Teny akaikina

 Lire la suite...

Kamiao tapaka "frein" teny Analamahitsy : Naiditra "fourrière"

28/05/2020

Voamarin'ny mpanamarina ara-teknikan'ny ekipan'ny service des opérations et contrôles routiers na SOCR ao anivon'ny foibe fitsarana fiarakodia fa tsy fietezana teo amin'ny tsindry hisatra tokoa no nahatonga ny loza nitranga tamin'ny fiara be kamiao iray teny Analamahitsy ny 21 mey lasa.

 Lire la suite...

Aviation Civile de Madagascar Nodimandry i James Andrianalisoa

26/05/2020

Nodimandry tany Paris ny alakamisy lasa teo i James Andrianalisoa, araka ny tatitra nataon’ny fianakaviany. Fantatra teo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka raha i James Andrianalisoa ary nanana traikefa iraisam-pirenena momba izany tanteraka.

 Lire la suite...

Actualités

KAMASOA ENY ANDRALANITRA Sarotra ny fifehezana ny olona tsy hivoaka saingy vita ihany

31/03/2020

Tsy mora ny mifehy ny olona tsy hivoaka ny trano amin’izao fihibohana tsy maintsy hatao noho ny ady amin’ny coronavirus izao. Anisan’ny nisedra izany olana izany Mompera Pedro izay miahy ireo olona sahirana miisa 25.000 eny amin’ny Akamasoa Andralanitra. Raha araka ny

 

 

fanazavany mantsy dia nilana fanabeazana sy fanentanana goavana izany narahin’ny fizarana fanampiana ho an’ny isan-tokantrano. Mihoatra ny 4.000 tokantrano mantsy izy ireo k any an-tsasany dia tena sahirana avokoa. Ankoatra izay dia mbola omena sakafo atoandro isaky ny roa andro ireo ankizy ao an-tanana tena marefo izay miisa 600 amin’izao fotoana tsy hianarana izao raha mahatratra 9.000 rehefa amin’ny andavanandro. Nomarihin’ity mompera mpanao asa soa ity fa noho ny hateren’ny trano hipetrahan’izy ireo no tena mahakamo ny olona hijanona ao an-tokantranony raha manginy fotsiny ny tsy fahampiana izay tsy maintsy nitadiavany vahaolana. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa nanaiky ny hihiboka avokoa ny rehetra hatreto izay arahiny maso isan’andro ho fiarovana ny ain’ny rehetra.

Patty

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo