Jejoo

Dans la même rubrique

Lova, Kaelle, Hanta…maty vonon’ny vadiny !

28/05/2020

Tsy vao izao fa efa hatramin’izay no manangan-tsandry amin’ny vadiny ny lehilahy rehefa misy tsy fifankahazoana ao an-tokantrano. Iharan’izany saika isan’andro izy efatra mirahavavy nitafatafa tamin’ny Jejoo anio : Lova, Kaelle, Hanta. Araho anie e!

 Lire la suite...

Dokotera maty tao Toamasina Tsy nananton-tena izany, hoy ny fianakaviany !

27/05/2020

Notsipahan’ny fianakavian’ilay mpitsabo maty tao Toamasina ny alahady lasa teo ny filazana fa nananton-tena ity dokotera ity. Tsy karazan’olona hamono tena izany ny dadako, hoy ny zanany vavy raha nanaovan’ny mpanao gazety fanadihadiana izy ireo. Aretin-kibo mahery vaika na “douleur abdominale intense” no niandohan’ny nahazo an’i Dr Daniel

 Lire la suite...

Lova Renée, 8 taona : Te ho lasa Dokotera na Mpanao Gazety ...

26/05/2020

Zazavavikely 8 taona monina any Toamasina i Lova Renée. Tao anatin’ilay “video” na horonan-tsarimihetsika noforoniny mikasika ny Coronavirus izay niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera sy tamin’ny fahitalavitra no namantaran’ny maro azy voalohany.

 Lire la suite...

Toamasina : Dr Daniel, hita faty niantona tao amin'ny "Manara-penitra"

25/05/2020

Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin'ny efitra misy marary iray ao amin'ny hopitaly Morafeno na ny hopitaly manara-penitra ao Toamasina no nahita fa efa nisaringotra tamin'ny tadin'ny serum nampiasaina taminy ny tendan'ny marary iray. Mpitsabo vao naiditra hopitaly ny asabotsy lasa teo ity hita niantona ity.

 Lire la suite...

Zoto 5 mianaka : Voaendaka teny Mahitsy!

23/05/2020

Ny alakamisy hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sasany tany, no nigadona tao Mahitsy i Zoto 5 mianaka. Noho ny habetsahan’ireo olona nijery sy nitsena azy ireo tao Mahitsy anefa dia voaharom-paosy i Zoto ka very vola.

 Lire la suite...

4 mianaka tra-doza : Ilay zaza 12 taona ihany no avotra

22/05/2020

Efa-mianaka niandriaka an-dranomamy tany amin'ny distrikan'i Soanierana Ivongo no tra-doza tany an-toerana. Maty tsy tra-drano noho ny loza nahazo azy ireo tamin'ilay lakana hazo ny mpivady miaraka amin'ny zanany kely vao 4 taona monja.

 Lire la suite...

Ryan Reyes, filipiana Matin'ny Covid-19 tao Ambatovy

20/05/2020

Ryan Reyes, teratany filipiana iray no fantatra fa maty ny alin’ny alatsinainy teo tao amin’ny toeram-pitsaboana ISOS ao amin’ny Ozinina Ambatovy ao Toamasina noho ny aretina COVID-19.

 Lire la suite...

Coronavirus

Covid-19 : Niakatra 43 no voa... mila mitandrina isika mitandrina

30/03/2020

Mahatratra 43 hatramin'ny omaly folakandro ny isan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus araka ny tarehimarika farany navoakan'ny mpitondra tenin'ny CCO-Covid 19.

 

Mety hanano sarotra ho antsika ny hifehy ilay valan'aretina raha tsy manaja tsara ireo toromarika napetraka ny Malagasy tsirairay, hoy ny filoha tamin'ny asabotsy hariva lasa teo. Misy koa anefa ireo paika sy teknika entin'ny fanjakana miady manoloana ny fihanak'ilay aretina. Fantatra fa hanofana ireo Malagasy "biologiste" ny Institut Pasteur, hahafahana mampitombo isa ireo mpanao fitiliana eto amintsika ary hovatsiana fitaovana izay hafarana faran'izay haingana izy ireo. 150 hatramin'ny 200 isa isan'andro eo ihany mantsy ny fitiliana vitan'ny Institut Pasteur, ka amin'ny alalan'ny fanofanana ireo "biologiste" Malagasy dia tanjona ny hanatratra fitiliana 500 hatramin'ny 800 isa isan'andro. Hahetsika koa ireo "Clinique mobile" sy "labo mobile" hahafahana manao fitiliana mitety vohitra isam-paritra hoy ihany ny filoha. Nanomboka omaly kosa dia naparitaka any amin'ny hopitaly rehetra hatrany amin'ny faritra ireo fitaovana hahafahana manao fitiliana haingana na "test rapide" hitiliana faran'izay haingana ny olona marary sy mampiseho soritraretina mifandraika amin'ny Coronavirus. Anisan'ny asa lehibe atao ankehitriny ankoatra ireo kosa ny fikarohana ireo olona mety ho nifandray tamin'ilay tera-tany vahiny mararin'ny Coronavirus nivezivezy teto Antananarivo sy ny manodidina. Nomarihin'ny filoha Andry Rajoelina kosa fa mety hiakatra be ny salanisa eto amintsika amin'io herinandro io, raha vao tsy mahafehy tena mihiboka ao an-trano ny Malagasy tsirairay ho fiarovan-tena sy hisorohana ny fiparitahan'ny aretina.

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo