Jejoo

Dans la même rubrique

Dokotera maty tao Toamasina Tsy nananton-tena izany, hoy ny fianakaviany !

27/05/2020

Notsipahan’ny fianakavian’ilay mpitsabo maty tao Toamasina ny alahady lasa teo ny filazana fa nananton-tena ity dokotera ity. Tsy karazan’olona hamono tena izany ny dadako, hoy ny zanany vavy raha nanaovan’ny mpanao gazety fanadihadiana izy ireo. Aretin-kibo mahery vaika na “douleur abdominale intense” no niandohan’ny nahazo an’i Dr Daniel

 Lire la suite...

Lova Renée, 8 taona : Te ho lasa Dokotera na Mpanao Gazety ...

26/05/2020

Zazavavikely 8 taona monina any Toamasina i Lova Renée. Tao anatin’ilay “video” na horonan-tsarimihetsika noforoniny mikasika ny Coronavirus izay niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera sy tamin’ny fahitalavitra no namantaran’ny maro azy voalohany.

 Lire la suite...

Toamasina : Dr Daniel, hita faty niantona tao amin'ny "Manara-penitra"

25/05/2020

Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin'ny efitra misy marary iray ao amin'ny hopitaly Morafeno na ny hopitaly manara-penitra ao Toamasina no nahita fa efa nisaringotra tamin'ny tadin'ny serum nampiasaina taminy ny tendan'ny marary iray. Mpitsabo vao naiditra hopitaly ny asabotsy lasa teo ity hita niantona ity.

 Lire la suite...

Zoto 5 mianaka : Voaendaka teny Mahitsy!

23/05/2020

Ny alakamisy hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sasany tany, no nigadona tao Mahitsy i Zoto 5 mianaka. Noho ny habetsahan’ireo olona nijery sy nitsena azy ireo tao Mahitsy anefa dia voaharom-paosy i Zoto ka very vola.

 Lire la suite...

4 mianaka tra-doza : Ilay zaza 12 taona ihany no avotra

22/05/2020

Efa-mianaka niandriaka an-dranomamy tany amin'ny distrikan'i Soanierana Ivongo no tra-doza tany an-toerana. Maty tsy tra-drano noho ny loza nahazo azy ireo tamin'ilay lakana hazo ny mpivady miaraka amin'ny zanany kely vao 4 taona monja.

 Lire la suite...

Ryan Reyes, filipiana Matin'ny Covid-19 tao Ambatovy

20/05/2020

Ryan Reyes, teratany filipiana iray no fantatra fa maty ny alin’ny alatsinainy teo tao amin’ny toeram-pitsaboana ISOS ao amin’ny Ozinina Ambatovy ao Toamasina noho ny aretina COVID-19.

 Lire la suite...

Eugène, 62 taona : Sempotra ary nitsirara tampoka...

19/05/2020

Raim-pianakaviana 62 taona i Eugène Rakotozafy. Tokony ho tamin'ny 9 ora maraina teo, omaly dia, nianjera nanoloana ny fivarotam-panafody iray tetsy Ankazomanga ny tenany.

 Lire la suite...

Coronavirus

COVID-19 : Nitombo 4 ny voa, avy any andafy avokoa!

27/03/2020

Nitombo 4 indray ireo olona mitondra ny otrikaretina “coronavirus” eto amintsika, araka ny antontan’isa nomen’ny profesora Vololontiana Hanta, avy eny amin’ny

 

ivon-toerana voatokana CCO-Covid-19 eny Ivato, omaly tolakandro. Niakatra ho 23 izany izao ny olona voamarina fa mitondra ny otrikaretina ka manaraka fitsaboana eny anivon’ny hôpitaly. Iray amin’izy 23 ihany moa no misy soritr’aretina fa ny 22 ambiny kosa tsy ahitana izany. Izany hoe tsy misy fanaviana sady tsy sempotra. Efa tsy misy atahorana intsony kosa ny fahasalaman’ilay misy soritr’aretina amin’izao, raha toa ka sempotra be izy ny alarobia lasa teo. Lehilahy moa ny telo amin’ireo voamarina fa mitondra indray ity tsimokaretina ity ireo, ary vehivavy mihoatra ny 60 taona kosa ny iray.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo