Jejoo

Dans la même rubrique

Lova, Kaelle, Hanta…maty vonon’ny vadiny !

28/05/2020

Tsy vao izao fa efa hatramin’izay no manangan-tsandry amin’ny vadiny ny lehilahy rehefa misy tsy fifankahazoana ao an-tokantrano. Iharan’izany saika isan’andro izy efatra mirahavavy nitafatafa tamin’ny Jejoo anio : Lova, Kaelle, Hanta. Araho anie e!

 Lire la suite...

Dokotera maty tao Toamasina Tsy nananton-tena izany, hoy ny fianakaviany !

27/05/2020

Notsipahan’ny fianakavian’ilay mpitsabo maty tao Toamasina ny alahady lasa teo ny filazana fa nananton-tena ity dokotera ity. Tsy karazan’olona hamono tena izany ny dadako, hoy ny zanany vavy raha nanaovan’ny mpanao gazety fanadihadiana izy ireo. Aretin-kibo mahery vaika na “douleur abdominale intense” no niandohan’ny nahazo an’i Dr Daniel

 Lire la suite...

Lova Renée, 8 taona : Te ho lasa Dokotera na Mpanao Gazety ...

26/05/2020

Zazavavikely 8 taona monina any Toamasina i Lova Renée. Tao anatin’ilay “video” na horonan-tsarimihetsika noforoniny mikasika ny Coronavirus izay niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera sy tamin’ny fahitalavitra no namantaran’ny maro azy voalohany.

 Lire la suite...

Toamasina : Dr Daniel, hita faty niantona tao amin'ny "Manara-penitra"

25/05/2020

Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin'ny efitra misy marary iray ao amin'ny hopitaly Morafeno na ny hopitaly manara-penitra ao Toamasina no nahita fa efa nisaringotra tamin'ny tadin'ny serum nampiasaina taminy ny tendan'ny marary iray. Mpitsabo vao naiditra hopitaly ny asabotsy lasa teo ity hita niantona ity.

 Lire la suite...

Zoto 5 mianaka : Voaendaka teny Mahitsy!

23/05/2020

Ny alakamisy hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sasany tany, no nigadona tao Mahitsy i Zoto 5 mianaka. Noho ny habetsahan’ireo olona nijery sy nitsena azy ireo tao Mahitsy anefa dia voaharom-paosy i Zoto ka very vola.

 Lire la suite...

4 mianaka tra-doza : Ilay zaza 12 taona ihany no avotra

22/05/2020

Efa-mianaka niandriaka an-dranomamy tany amin'ny distrikan'i Soanierana Ivongo no tra-doza tany an-toerana. Maty tsy tra-drano noho ny loza nahazo azy ireo tamin'ilay lakana hazo ny mpivady miaraka amin'ny zanany kely vao 4 taona monja.

 Lire la suite...

Ryan Reyes, filipiana Matin'ny Covid-19 tao Ambatovy

20/05/2020

Ryan Reyes, teratany filipiana iray no fantatra fa maty ny alin’ny alatsinainy teo tao amin’ny toeram-pitsaboana ISOS ao amin’ny Ozinina Ambatovy ao Toamasina noho ny aretina COVID-19.

 Lire la suite...

Coronavirus

COVID-19 : Tsy nisy tranga vaovao omaly

26/03/2020

Tsy nisy ny tranga vaovaon'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 24ora raha ny tatitra

 

ofisialy avy eny amin'ny foibem-pibaikoana misahana ny Covid-19 eny Ivato. Teo anelanelan'ny talata 24martsa tamin'ny 12 ora antoandro, hatramin'ny alarobia 25martsa tamin'ny 12ora antoandro izay salanisa 0 izay. Mijanona ho 19 ihany izany hatreto ireo olona mitondra ny trangan'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Fitiliana miisa 150 kosa no natao tao anatin'io fe-potoana io. Fitiliana izay natao tamin'ireo olona nandeha tamin'ireo zotram-piaramanidina farany avy any ivelany niditra teto amintsika. Teo ihany koa ireo olona nifandray tamin'ireo olona vao tonga ireo ; ny mpiasan'ny seranam-piaramanidina niasa nandritra ireo fotoana ireo izay miisa 22 ary ankoatra azy ireo dia nisy ihany koa ireo olona nahiboka sy natoka-monina harahi-maso. Araka ny fanazavan'ny Doyen de la faculté de Medecine dia ny olona farofy sy efa mahazo taona no mety hanao endri-pisehoana misy fahasarotana na "forme grave" amin'ny aretina Coronavirus. Ny zokiolona no tena marefo indrindra amin'izany ankoatra ny olona marary. Mety hampiakatra ny taham-pahafatesana anefa ny zokiolona raha toa ka mitondra ity trangan'aretina ity, toy ireo izay hita any amin'ireo firenena nisehoana fahafatesana noho ny Coronavirus. Ho fisorohana izany dia miantso ny olona marefo, indrindra fa ny zokiolona ny lehiben'ny fakiolten'ny Medecine eto Antananarivo mba handray fepetra sy hampiakatra ny hery fiarovana ao aminy amin'ny alalan'ny fihinanana sakafo feno vitamina C sy sakafo be otrikaina toa ny koba, soja, …. Ankoatra ny fiarovan-tena amin'ny alalan'ny fihibohana ao an-trano. Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo