Jejoo

Dans la même rubrique

Ambatoroka : Jiolahy 01 lavon’ny balan’ny polisy

31/03/2020

Ny alahady alina teo dia andian-jiolahy saika hanafika « villa » iray tetsy Ambatoroka no nifanehitra tamin’ny polisin’ny « Unité Spéciale d’Intervention ».

 Lire la suite...

Emma Theofilus,23 taona: Minisitra zandriny indrindra eran-tany

31/03/2020

Ny tanora no ho avin'ny firenena ary manome sehatra azy ireo ny ao Namibia. Porofon’izany ny nahalany an'i Emma Theofilus, tovovavy vao

 Lire la suite...

KAMASOA ENY ANDRALANITRA Sarotra ny fifehezana ny olona tsy hivoaka saingy vita ihany

31/03/2020

Tsy mora ny mifehy ny olona tsy hivoaka ny trano amin’izao fihibohana tsy maintsy hatao noho ny ady amin’ny coronavirus izao. Anisan’ny nisedra izany olana izany Mompera Pedro izay miahy ireo olona sahirana miisa 25.000 eny amin’ny Akamasoa Andralanitra. Raha araka ny

 Lire la suite...

Antsohihy Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

31/03/2020

Lehilahy iray no maty tratran’ny fitsaram-bahoaka tao Analamanga, fokontany Ankiririky avaratra II,distrikan’ Antsohihy ny marainan’ny alatsinainy 30 Martsa 2020 teo tokony tamin’ny 03 ora.

 Lire la suite...

ANTSIRABE Hikatona tanteraka ireo tsena lehibe anio

31/03/2020

Ho fiarovana ny amin’ny mety ho fiparitahan’ny tsimok’aretina “coronavirus” dia hitakona tanteraka ny tsena ao Sabotsy Antsirabe sy ao antsenakely anio Talata 31 Martsa. Noho ny asa fanadiovana sy fanondrahana ranom-panafody hataon’ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana no anton’izany.

 Lire la suite...

Sambava Misy mpianatra mihitsoka an-dalana

31/03/2020

Tao anaty ranomaso no nitalahoan’ireo solontenan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatry ny SESAME avy any Antananarivo izay tavela ao anaty alan’i Makoromotra, 80 Km tsy hidirana an’i Vohémar noho ny haratsin’ny lalana.

 Lire la suite...

MPITONDRA TUC TUC AO TOAMASINA Nitokona fa tsy nahazo fanampiana

31/03/2020

Toy ny mpamily fiara karetsaka sy taxi be ary ireo mpanampy azy dia mahatsiaro ho mijaly ihany koa ireo mpitondra tuc tuc ao Toamasina. Raha bangoina mantsy dia efa herinandro mahery ihany koa izy ireo izao no tsy nihetsika nampidi-bola nefa mamelom-bady aman-janaka avokoa.

 Lire la suite...

Actualités

Fitiliana ny Covid-19 : Vehivavy iray sisa no karohina ao Toliara Polisy narahina ambulance no naka ramatoa iray

25/03/2020

monina ao Betania Tanambao ity omaly folakandro. Iray amin'ireo vehivavy roa nandeha tamin'ireo fiaramanidina niditra teto mialohan'ny nikatonan'ny seranam-piaramanidina ka karohina any Toliara moa ity ramatoa ity.

 

 Tsy nety namoha trano izy, mialohan’ny fotoana nakana azy io, araka ny fantatra. Ny mpanampiny sy ilay mpiambina ny tanànany anefa nilaza fa ao an-tranony ihany izy. Voatery naka taratasy fahazoan-dalana tany amin’ny fokontany ireo manam-pahefana mba ahafahana mamoha an-keriny ny vavahady. Nentina niaraka tamin'ity ramatoa ity ihany koa ny mpiambina ny tranony sy ny vady aman-janany. Ilay vehivavy teratany vahiny iray izany sisa karohina any an-toerana. Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo