Jejoo

Dans la même rubrique

Lova, Kaelle, Hanta…maty vonon’ny vadiny !

28/05/2020

Tsy vao izao fa efa hatramin’izay no manangan-tsandry amin’ny vadiny ny lehilahy rehefa misy tsy fifankahazoana ao an-tokantrano. Iharan’izany saika isan’andro izy efatra mirahavavy nitafatafa tamin’ny Jejoo anio : Lova, Kaelle, Hanta. Araho anie e!

 Lire la suite...

Dokotera maty tao Toamasina Tsy nananton-tena izany, hoy ny fianakaviany !

27/05/2020

Notsipahan’ny fianakavian’ilay mpitsabo maty tao Toamasina ny alahady lasa teo ny filazana fa nananton-tena ity dokotera ity. Tsy karazan’olona hamono tena izany ny dadako, hoy ny zanany vavy raha nanaovan’ny mpanao gazety fanadihadiana izy ireo. Aretin-kibo mahery vaika na “douleur abdominale intense” no niandohan’ny nahazo an’i Dr Daniel

 Lire la suite...

Lova Renée, 8 taona : Te ho lasa Dokotera na Mpanao Gazety ...

26/05/2020

Zazavavikely 8 taona monina any Toamasina i Lova Renée. Tao anatin’ilay “video” na horonan-tsarimihetsika noforoniny mikasika ny Coronavirus izay niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera sy tamin’ny fahitalavitra no namantaran’ny maro azy voalohany.

 Lire la suite...

Toamasina : Dr Daniel, hita faty niantona tao amin'ny "Manara-penitra"

25/05/2020

Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin'ny efitra misy marary iray ao amin'ny hopitaly Morafeno na ny hopitaly manara-penitra ao Toamasina no nahita fa efa nisaringotra tamin'ny tadin'ny serum nampiasaina taminy ny tendan'ny marary iray. Mpitsabo vao naiditra hopitaly ny asabotsy lasa teo ity hita niantona ity.

 Lire la suite...

Zoto 5 mianaka : Voaendaka teny Mahitsy!

23/05/2020

Ny alakamisy hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sasany tany, no nigadona tao Mahitsy i Zoto 5 mianaka. Noho ny habetsahan’ireo olona nijery sy nitsena azy ireo tao Mahitsy anefa dia voaharom-paosy i Zoto ka very vola.

 Lire la suite...

4 mianaka tra-doza : Ilay zaza 12 taona ihany no avotra

22/05/2020

Efa-mianaka niandriaka an-dranomamy tany amin'ny distrikan'i Soanierana Ivongo no tra-doza tany an-toerana. Maty tsy tra-drano noho ny loza nahazo azy ireo tamin'ilay lakana hazo ny mpivady miaraka amin'ny zanany kely vao 4 taona monja.

 Lire la suite...

Ryan Reyes, filipiana Matin'ny Covid-19 tao Ambatovy

20/05/2020

Ryan Reyes, teratany filipiana iray no fantatra fa maty ny alin’ny alatsinainy teo tao amin’ny toeram-pitsaboana ISOS ao amin’ny Ozinina Ambatovy ao Toamasina noho ny aretina COVID-19.

 Lire la suite...

Santé

CORONAVIRUS Tafiakatra 17 ireo voamarina fa voa Eo amin'ny « stade 1 » no misy an'i Madagasikara amin'izao,

24/03/2020

ao anatin'ny fiatrehana an'ilay valan'aretina Coronavirus, araka ny tatitry ny filoham-pirenena omaly. Mbola tsy mihoatra ny 300 hatramin'ny 500 isa mantsy ireo tratran'ity aretina ity eto amintsika ary tsy nisy ny namoy ny ainy vokatr'izany hatreto hoy ihany ny fanazavana.

 

Raha ny salanisa omaly dia tafakatra 19 ireo tranga voamarina ho Coronavirus eto amin'ny Nosintsika hoy ihany ny filoha ary efa natoka-monina tanteraka izy ireo. Tombony ho antsika manokana ny fahalalana avy hatrany ireo olona ahiahiana ho mety mitondra ilay tsimok'aretina ary efa arahi-maso izy ireo. Misy ny fiara 70 isa izay mivezivezy manao ny fanarahi-maso ireo olona ireo hoy ny filoha. Afaka andro vitsy dia hahazo fitaovana fitiliana avy amin'ny firenena sinoa sy ny firenena mikambana isika, hahafahana mitily ao anatin'ny 20minitra ireo olona ahiahiana. Tsy maintsy maka ny fepetra rehetra ihany koa isika hisorohana ny fiparitahan'ity aretina Covid-19 ity, mba tsy hahatongavantsika any amin'ny "stade 2" izay mandrara tanteraka ny fifamoivoizana manerana ny Nosy raha sanatria tanteraka. Misy noho izany ny paika sy tatitra hahafahana misoroka izany izay miainga amin'ny fifehezan-tenan'ny tsirairay ao anatin'ny 15 andro efa napetraka. Ho an'ireo marary efa arahi-maso kosa dia homena tohana ara-tsakafo manamafy hery fiarovana vita malagasy izy ireo, ary omena sakafo be otrikaina ihany koa izay efa nolanjalanjaina tsara sy misy eto amintsika avokoa manomboka anio. Mila matanja-tsaina sy vonona hiatrika isika hoy ny filoha Rajoelina omaly, hahafahantsika mandresy ny valan'aretina Coronavirus. Araka ny nambarany moa, dia hanao tatitra amin'ny vahoaka isan'andro ny filoha Rajoelina, mikasika ny fivoaran'ny aretina Coronavirus eto Madagasikara. Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo