Jejoo

Dans la même rubrique

Kenny Rogers,: nodimandry ilay mpanjakan’ny « Country »

23/03/2020

Ilay hira « Lady » izay nindramin’i Lionel Ritchie, taty aoriana, no tena ahafantarana an’i Kenny Rogers. Ilay hira mitondra ny lohanteny hoe « Lucille » no nampiakatra ny lazany, tany amin’ny taona 1977.

 Lire la suite...

Andie MacDowell : 61 taona …inona no mampafatifaty azy?

20/03/2020

Mahafatifaty ity mpilalao sarimihetsika ity na efa 61 taona aza. Mitantara ny fomba fikoloany endrika amam-bika izy. 1. Mpifoha maraina

 Lire la suite...

Andie MacDowell : tokony ho rehareha ny taona, hoy izy

19/03/2020

Mahafatifaty ity mpilalao sarimihetsika ity na efa 61 taona aza. Mitantara ny fomba fikoloany endrika amam-bika izy.

 Lire la suite...

Coronavirus : 20 mahery ireo olo-malaza voany

16/03/2020

Tsy mifidy ny valan’aretina « coronavirus » fa na olona tsy eritreretina ho voany aza dia tratrany avokoa.

 Lire la suite...

Katy Perry : miantsehatra na mitoe-jaza aza

11/03/2020

Tsy karazan’ireo vehivavy mitoe-jaza dia mipetrapetraka tsara any an-trano miandry ny fotoana ahaterahana ilay mpihira Katy Perry. Niakatra an-tsehatra mantsy izy,

 Lire la suite...

Taylor Swift : Nahalafo CD betsaka indrindra tamin’ny 2019

10/03/2020

Tonga eo amin’ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny famarotana kapila, tamin’iny taona 2019 iny, ilay mpihira amerikanina, Taylor Swift.

 Lire la suite...

Ireo mpanakanto malaza noho ny solomaso hanaovany

09/03/2020

Sokajiana ho kojakoja manampy amin’ny haingo izay hanaovana ny solomaso na ilay tsy maintsy hanaovana vokatry ny areti-maso na ilay « zesta » fotsiny.

 Lire la suite...

People

« A star is born » : Tsiambaratelo vitsy momba ny horonan-tsary

19/02/2020

Horonan-tsary nanamarika ny fiainana ara-mpanakanton’i Lady Gaga ny « A star is born » nivoaka tamin’ny taona 2018. Nahatonga resabe ity horonan-tsary ity, ary na hatramin’izao aza, maneran-tany mihitsy. Misy ireo tsiambarantelo vitsy mba tsara ho fantatra mahakasika ity horonan-tsary ka handeha ho jerentsika ireo.

 

 

·         Manome voninahitra an’i Judy Garland izy

Ireo mpankafy ilay mpihira an’i « Somewhere over the rainbow » dia nahatsapa izany. Any anatin’ilay horonan-tsary mantsy dia mihira io hira io i Lady Gaga. Fomba iray entiny hanomezam-boninahitra an’i Judy Garland izay nandray anjara toerana tsotra sy mandona fo toa azy, tamin’ny fotoana niandohany tao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika.

·         I Lady Gaga mihitsy no nisafidy ny sasany tamin’ ireo niara-nilalao taminy

Nangatahin’i Lady Gaga ho Shangela Laquifa Wadley mihitsy no nandray ny anjara toeran’ilay « mentor ». nanazava izy fa ny ankamaroan’ireo « scène » nolalaovina tao amin’ilay klioba ho an’ny «dragqueen » dia noforonina fa tsy efa voasoratra akory.

·         Tsy nanao maquillage mihitsy

Nandritra ny volana maro naharetan’ny fanodinana ny horonan-tsary dia nataon’i Lady Gaga mihitsy izay hiainana tanteraka ao anatin’ilay anjara toerana nolalaoviny. Mpihira tsotra sy tsy be filirony i Ally ka safidy teo amin’ny lafiny artistika mihitsy izany no nisehoany tsy nisy « maquillage ». herinandro vitsy mialohan’ny fanodinana ilay horonan-tsary dia tsy nanao maquillage mihitsy i Lady Gaga.

·         Misy fianakaviany ao anaty horonan-tsary

Safidin’i Lady Gaga mihitsy ny ho voadidin’ireo olona akaiky azy. Any anaty horonan-tsary any izany dia ahitana ny mpamorona didin’akanjony, ny mpanosotra « maquillage », mpanao volo sy mpandihiny.

·         Tsy misy « playback »

Antony iray mahatonga ny horonan-tsary hamoaka ilay hafatra tena tiana ho ampitaina ao anatiny ilay izy tsy nomanina be loatra. Indrindra fa maro ireo hira izay nohiraina ao anatin’ity horonan-tsary ity. Voalazan’i Bradley Cooper, izay sady namokatra no nilalao tao anatiny fa tsy misy nalaim-peo mialoha ireo hira rehetra.

·         Efa horonan-tsary faha-4

Fahaefatra amin’ny horonan-tsary « A star is born » nivoaka ity ahitana an’i Lady Gaga sy Bradley Cooper ity. Tamin’ny taona 1937 no nivoaka ilay film « original » novokarin’i William A ary nolalaovin’i Janet Gaynor sy Fredric March.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo