Jejoo

Dans la même rubrique

Kenny Rogers,: nodimandry ilay mpanjakan’ny « Country »

23/03/2020

Ilay hira « Lady » izay nindramin’i Lionel Ritchie, taty aoriana, no tena ahafantarana an’i Kenny Rogers. Ilay hira mitondra ny lohanteny hoe « Lucille » no nampiakatra ny lazany, tany amin’ny taona 1977.

 Lire la suite...

Andie MacDowell : 61 taona …inona no mampafatifaty azy?

20/03/2020

Mahafatifaty ity mpilalao sarimihetsika ity na efa 61 taona aza. Mitantara ny fomba fikoloany endrika amam-bika izy. 1. Mpifoha maraina

 Lire la suite...

Andie MacDowell : tokony ho rehareha ny taona, hoy izy

19/03/2020

Mahafatifaty ity mpilalao sarimihetsika ity na efa 61 taona aza. Mitantara ny fomba fikoloany endrika amam-bika izy.

 Lire la suite...

Coronavirus : 20 mahery ireo olo-malaza voany

16/03/2020

Tsy mifidy ny valan’aretina « coronavirus » fa na olona tsy eritreretina ho voany aza dia tratrany avokoa.

 Lire la suite...

Katy Perry : miantsehatra na mitoe-jaza aza

11/03/2020

Tsy karazan’ireo vehivavy mitoe-jaza dia mipetrapetraka tsara any an-trano miandry ny fotoana ahaterahana ilay mpihira Katy Perry. Niakatra an-tsehatra mantsy izy,

 Lire la suite...

Taylor Swift : Nahalafo CD betsaka indrindra tamin’ny 2019

10/03/2020

Tonga eo amin’ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny famarotana kapila, tamin’iny taona 2019 iny, ilay mpihira amerikanina, Taylor Swift.

 Lire la suite...

Ireo mpanakanto malaza noho ny solomaso hanaovany

09/03/2020

Sokajiana ho kojakoja manampy amin’ny haingo izay hanaovana ny solomaso na ilay tsy maintsy hanaovana vokatry ny areti-maso na ilay « zesta » fotsiny.

 Lire la suite...

People

Big Flo sy Oli : nanolotra 500.000 euros, hanampiana ny mpiara-belona

18/02/2020

Ray mpiahy ilay fikambanana « Secours populaire » ireo roalahy mpivohy gadona rap, Big Flo & Oli. Araka ny efa nampanantenain’izy ireo tamin’ny taon-dasa dia narotsany ho an’ny fikambanana

 

« Secours populaire » avokoa ny tombony azon’izy ireo tamin’ilay fampisehoany farany. Notanterahina ny alarobia 12 febroary lasa teo moa izany, tao Toulouse. Vola mitentina 500.000 euros izany no natolotr’izy ireo ity fikambanana ity ary mbola narahin’izy ireo fanentanana izany ka nentin’izy ireo nilaza fa raha tsy manana vola omena ny tsirairay dia afaka manolotra fotoana ho an’ny zavatra iray tena masaka ao am-pony.

Elton john : Nampiato ny fampisehoany fa narary

Niezaka ihany ilay mpihira Elton John ny hanohy ny fampisehoana natolony hatramin’ny farany, saingy noho ny fahasalamany dia tsy vitany intsony izany. nikiry mafy ny hihira mihitsy mantsy izy, ny alahady 16 febroary lasa teo, tao amin’ny kianja Mount Smart d’Auckland any Nouvelle –Zélande. Mialohan’ny hijanonany tanteraka dia naatony aloha ny fampisehoana. Nanazava tamin’ireo mpijery sy mpankafy izy fa voan’ny aretin-tratra « pneumonie » ka haka aina kely aloha. Rehefa tapitra nefa ny hira roa taorian’ny niverenany niakatra an-tsehatra dia niato tanteraka i Elton John. Tsy afaka mihira aho hoy izy, tsy misy feo intsony ka tsy maintsy andeha. Niala-tsiny izy ary niala teo an-tsehatra. Tsy nisy moa ny nanome tsiny azy fa niaiky ny fahaizany nifehy izany aza ny praiminisitra tao an-toerana, Jacinda Ardern.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo