Jejoo

Dans la même rubrique

Nicola Dupuis, Melvin sy Faneva Ima: Nanentana amin'ny fijanonana ao an-trano

31/03/2020

Ho fiaraha-mientana amin'ny fanentanana ny vahoaka mahakasika ny tokony hanajan'ny tsirairay ny toromarika momba ny ady atao amin’ny coronavirus dia namoaka horonan-tsary fohy i Melvin, Faneva Ima sy ny coach Nicolas Dupuis. Ao anatin'izany horonan-tsary

 Lire la suite...

Covid-19 : Niakatra 43 no voa... mila mitandrina isika mitandrina

30/03/2020

Mahatratra 43 hatramin'ny omaly folakandro ny isan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus araka ny tarehimarika farany navoakan'ny mpitondra tenin'ny CCO-Covid 19.

 Lire la suite...

Matin'ny Coronavirus i Julie, 16 taona…

28/03/2020

Tovovavy 16 taona no zaza tsy ampy taona voalohany namoy ny ainy vokatry ny aretina Coronavirus tao Frantsa. Kohaka

 Lire la suite...

COVID-19 : Nitombo 4 ny voa, avy any andafy avokoa!

27/03/2020

Nitombo 4 indray ireo olona mitondra ny otrikaretina “coronavirus” eto amintsika, araka ny antontan’isa nomen’ny profesora Vololontiana Hanta, avy eny amin’ny

 Lire la suite...

COVID-19 : Tsy nisy tranga vaovao omaly

26/03/2020

Tsy nisy ny tranga vaovaon'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 24ora raha ny tatitra

 Lire la suite...

Fitiliana ny Covid-19 : Vehivavy iray sisa no karohina ao Toliara Polisy narahina ambulance no naka ramatoa iray

25/03/2020

monina ao Betania Tanambao ity omaly folakandro. Iray amin'ireo vehivavy roa nandeha tamin'ireo fiaramanidina niditra teto mialohan'ny nikatonan'ny seranam-piaramanidina ka karohina any Toliara moa ity ramatoa ity.

 Lire la suite...

CORONAVIRUS Tafiakatra 17 ireo voamarina fa voa Eo amin'ny « stade 1 » no misy an'i Madagasikara amin'izao,

24/03/2020

ao anatin'ny fiatrehana an'ilay valan'aretina Coronavirus, araka ny tatitry ny filoham-pirenena omaly. Mbola tsy mihoatra ny 300 hatramin'ny 500 isa mantsy ireo tratran'ity aretina ity eto amintsika ary tsy nisy ny namoy ny ainy vokatr'izany hatreto hoy ihany ny fanazavana.

 Lire la suite...

Actualités

Alex Barea vaovao

12/02/2020

Alexandre Ramalingom no anarany. Izy no ho anisan’ny mpilalao baolina kitra nanaiky hanatevin-daharana ny Barea. Teraka tao Frantsa ny 17 martsa 1993 izy.

 

 

 Manana fiaviana Malagasy izy na dia teraka tao Frantsa aza. Mpanafika ny anjara toerany. Tao amin’ny diviziona voalohany tao Frantsa no nanombohany ny maha-mpilalao baolina kitra matihanina azy ary efa nahatratra 30 mahery ny baolina matiny tamin’izy nilalao tao Frantsa. Ao amin’ny Royal Excelsior Virton ao Belzika no misy azy amin’izao fotoana. Efa manomboka miteraka resabe any anaty tambajotram-pifandraisana ity tovolahy ity.  Tsy ny fahakingany eo ambony kianja ihany no nanaitra ny olona taminy fa ny hatsaran-tarehiny sy ny bika hananany koa. Misy sahady aza ireo nilaza fa mety haharesy ny lazan-dry Melvin, izay mpiandry tsato-kazon’ny Barea sy ny an’i Dimitry Caloin ny lazany. Ankoatra azy moa dia anisan’ny hanatevin-daharana ity ekipan’ny Barea ity koa i Hakim Djamel Abdallah, mpanafika sady lohalaharana vao 22 taona,  izay milalao ao amin’ny FC Nantes nanomboka ny volana jolay 2018 ka hatramin’izao, ny iray amin’izany. Anisan’izany koa i Bastien Hery izay 28 taona. Irakiraka ny anjara toerany ary milalao ao amin’ny Linfield Ao Irlande Avaratra nanomboka ny volana jolay 2019 izy. Izy telo mirahalahy ireo izany no nanaiky hanatevin-daharana ny Barea de Madagascar ka ho isan’ny mpilalao hifanandrina amin’ny Côte d’Ivoire amin’ny volana martsa. Ankoatra izay moa dia fantatra fa efa miverina miakatra an-kianja koa i Zotsara raha voatery niato noho ny ratra nahazo azy. Mety hananosarotra kosa ny hilalaovan’i Jeremy Morel amin’io lalao amin’ny martsa io satria maratra koa izy.

 

 

Natty

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo