Jejoo

Dans la même rubrique

Nicola Dupuis, Melvin sy Faneva Ima: Nanentana amin'ny fijanonana ao an-trano

31/03/2020

Ho fiaraha-mientana amin'ny fanentanana ny vahoaka mahakasika ny tokony hanajan'ny tsirairay ny toromarika momba ny ady atao amin’ny coronavirus dia namoaka horonan-tsary fohy i Melvin, Faneva Ima sy ny coach Nicolas Dupuis. Ao anatin'izany horonan-tsary

 Lire la suite...

Covid-19 : Niakatra 43 no voa... mila mitandrina isika mitandrina

30/03/2020

Mahatratra 43 hatramin'ny omaly folakandro ny isan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus araka ny tarehimarika farany navoakan'ny mpitondra tenin'ny CCO-Covid 19.

 Lire la suite...

Matin'ny Coronavirus i Julie, 16 taona…

28/03/2020

Tovovavy 16 taona no zaza tsy ampy taona voalohany namoy ny ainy vokatry ny aretina Coronavirus tao Frantsa. Kohaka

 Lire la suite...

COVID-19 : Nitombo 4 ny voa, avy any andafy avokoa!

27/03/2020

Nitombo 4 indray ireo olona mitondra ny otrikaretina “coronavirus” eto amintsika, araka ny antontan’isa nomen’ny profesora Vololontiana Hanta, avy eny amin’ny

 Lire la suite...

COVID-19 : Tsy nisy tranga vaovao omaly

26/03/2020

Tsy nisy ny tranga vaovaon'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 24ora raha ny tatitra

 Lire la suite...

Fitiliana ny Covid-19 : Vehivavy iray sisa no karohina ao Toliara Polisy narahina ambulance no naka ramatoa iray

25/03/2020

monina ao Betania Tanambao ity omaly folakandro. Iray amin'ireo vehivavy roa nandeha tamin'ireo fiaramanidina niditra teto mialohan'ny nikatonan'ny seranam-piaramanidina ka karohina any Toliara moa ity ramatoa ity.

 Lire la suite...

CORONAVIRUS Tafiakatra 17 ireo voamarina fa voa Eo amin'ny « stade 1 » no misy an'i Madagasikara amin'izao,

24/03/2020

ao anatin'ny fiatrehana an'ilay valan'aretina Coronavirus, araka ny tatitry ny filoham-pirenena omaly. Mbola tsy mihoatra ny 300 hatramin'ny 500 isa mantsy ireo tratran'ity aretina ity eto amintsika ary tsy nisy ny namoy ny ainy vokatr'izany hatreto hoy ihany ny fanazavana.

 Lire la suite...

Actualités

Lôby, 6 taona : Hita faty, noloarana ny masony!

11/02/2020

Zazalahy kely vao 6 taona monja, fiantso amin’ny anarana hoe Lôby, no hita faty omaly vao maraina tao amin’ny sekolim-panjakana iray ao Antaninarenina, Toliara.

 

Tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia fantatra fa nisy namono ny tenany, tsy miakanjo intsony ary efa tsy nisy voamaso intsony koa. Tsy mbola fantatra anefa izay nahavanona izao famonoana sy fakana ny mason’ity zazalahikely ity izao.

Nilalao baolina

Araka ny fitantaran’ny reniny dia hilalao baolina miaraka amin’ireo namany eo amin’ny tokontanin’ity sekolim-panjakana ao Antaninarenina ity no nialany tao an-tranony ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Raha efa nody avokoa anefa ireo naman’i Lôby tamin’ny 7ora hariva dia tsy mbola hita ihany ity zazalahikely ity. Rehefa tsy hita  ihany i Lôby hatramin’ny 10ora alina dia lasa namonjy ilay sekoly voalaza fa nilalaovany baolina niaraka tamin’ireo namany ity reniny ity saingy tsy nahita azy akory. “Nilaza ilay mpiandry tanànan’ny sekoly tamin’izay alina izay fa efa lasa daholo ireo ankizikely mpilalao baolina ka tsy misy olona intsony ao, ary mihidy avokoa ireo efitrano fianarana rehetra.” Hoy ny reniny nitantara ny zava-nisy. Tao aorian’izay dia nihevitra aho hoy ity renim-pianakaviana ity fa mety lasa any amin’ny rainy, izay efa nisara-panambadiana taminy, ity zazalahikely ity, ka rahampitso vao mety hody. Na izany aza, mailo ity reny ity ary nametraka fampandrenesana teny anivon’ny mpitandro filaminana ihany.

Hita faty tsy misy voamaso

Omaly alatsinainy vao maraina kosa dia niparitaka ny vaovao tao Toliara fa nisy fatin-jazalahikely tsy misy voamaso intsony, hita tao amin’ny efitrano fianarana iray tao amin’ilay sekolim-panjakana voalaza fa nilalaovan’i Lôby. “Tonga dia fantatro fa ny zanako izany” hoy ihany ilay renim-pianakaviana, kivy tanteraka.  Rehefa nozahana dia fantatra fa ny vatana mangatsiakan’ity zazalahikely tsy hita hatry ny alin’ny alahady teo tokoa ity hita ity ary efa tsy nisy voamaso intsony ny razana. Mihorohoro tanteraka ireo ray aman-dreny manan-janaka kely ao Toliara manoloana ny zava-nisy satria hala-taova avy hatrany no nandraisan’ny rehetra ny zava-nisy raha  vao fantatra fa tsy hita ny mason’ity zazalahikely ity. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ireo mponina manoloana izao zava-misy izao. Ny renin’ity zazalahikely ity kosa dia nilaza fa tsy miala amin’ilay mpiambin-tanànan’ny sekoly, izay niresaka taminy ny alina sy tsy namela azy hisava ny efitranon-tsekoly. Efa eo an-dalam-panatanterahina ny fanadihadiana lalina moa ny mpitandro filaminana ao an-toerana ary efa eo am-pelatanan’ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’i Lôby.

 

 

Ando

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo