Jejoo

Dans la même rubrique

Nicola Dupuis, Melvin sy Faneva Ima: Nanentana amin'ny fijanonana ao an-trano

31/03/2020

Ho fiaraha-mientana amin'ny fanentanana ny vahoaka mahakasika ny tokony hanajan'ny tsirairay ny toromarika momba ny ady atao amin’ny coronavirus dia namoaka horonan-tsary fohy i Melvin, Faneva Ima sy ny coach Nicolas Dupuis. Ao anatin'izany horonan-tsary

 Lire la suite...

Covid-19 : Niakatra 43 no voa... mila mitandrina isika mitandrina

30/03/2020

Mahatratra 43 hatramin'ny omaly folakandro ny isan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus araka ny tarehimarika farany navoakan'ny mpitondra tenin'ny CCO-Covid 19.

 Lire la suite...

Matin'ny Coronavirus i Julie, 16 taona…

28/03/2020

Tovovavy 16 taona no zaza tsy ampy taona voalohany namoy ny ainy vokatry ny aretina Coronavirus tao Frantsa. Kohaka

 Lire la suite...

COVID-19 : Nitombo 4 ny voa, avy any andafy avokoa!

27/03/2020

Nitombo 4 indray ireo olona mitondra ny otrikaretina “coronavirus” eto amintsika, araka ny antontan’isa nomen’ny profesora Vololontiana Hanta, avy eny amin’ny

 Lire la suite...

COVID-19 : Tsy nisy tranga vaovao omaly

26/03/2020

Tsy nisy ny tranga vaovaon'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 24ora raha ny tatitra

 Lire la suite...

Fitiliana ny Covid-19 : Vehivavy iray sisa no karohina ao Toliara Polisy narahina ambulance no naka ramatoa iray

25/03/2020

monina ao Betania Tanambao ity omaly folakandro. Iray amin'ireo vehivavy roa nandeha tamin'ireo fiaramanidina niditra teto mialohan'ny nikatonan'ny seranam-piaramanidina ka karohina any Toliara moa ity ramatoa ity.

 Lire la suite...

CORONAVIRUS Tafiakatra 17 ireo voamarina fa voa Eo amin'ny « stade 1 » no misy an'i Madagasikara amin'izao,

24/03/2020

ao anatin'ny fiatrehana an'ilay valan'aretina Coronavirus, araka ny tatitry ny filoham-pirenena omaly. Mbola tsy mihoatra ny 300 hatramin'ny 500 isa mantsy ireo tratran'ity aretina ity eto amintsika ary tsy nisy ny namoy ny ainy vokatr'izany hatreto hoy ihany ny fanazavana.

 Lire la suite...

Actualités

Rdj Mozika Award: ireo lamaody nisongadina tamin'ny sabotsy

10/02/2020

Taona vitsy izay dia zary lasa fotoana andrasan’ny mpanakanto sy ireo mpankafy azy fatratra ny Rdj Mozika Award.

 

 

 

 

 

 

 Ilay hetsika hanolorana amboara ho an’ireo artista sy mpanakanto mendrika isan-tsokajiny an’ny taona lasa. Tamin’ity taona ity dia efa nahatratra 175 teo ho eo ireo mpanakanto voafantina sy tafiditra ao anatin’ireo ho fidiana. Niisa sokajy 21 no nosoritana  hanolorana amboara ho an’ireo artista sy mpamokatra ary fiaraha-miasa mendrika tamin’iny taona 2019 iny.

 

Isan’ireo nahazo amboara betsaka indrindra i Shyn sy Denise ary i Big Mj: Voasalotra ho Mpanakanto an’ny taona 2019 i Denise ary azony ihany koa ny amboara ho an’ny mozika milamina ho an’ireo artista vehivavy.

 

Ny Ivenco no mpamokatra sy mpikarakara lanonana nibata ny amboara. Ny Tarika Nate Tex no nahazo ny amboara ho an’ny hira milamina.  Ny reny nitaiza an’i Basta Lion no nandray ny amboara ho azy fa tsy eto an-toerana ity farany. Nahazo amboara roa be izao i Lion Hill.

 

Ireo vehivavy tonga nanotrona ny lanonana ka nanamarika ny fiakanjony.

 

Ireo ao amin’ny ekipan’ny Salon de beauté Vero Vero, Johane,  Titi Coach zumba, Tence Mena sy ny mpandihiny sy Rijade izay samy nokarakarain’ny Chic By Fabiola ny endrika sy ny akanjon’izy ireo. I Meizah kosa no nibata ny amboara ho an’ny “Look feminin” tamin’ny lanonana. Niaraka nandray ny amboara teny ambony sehatra tamin’i Wawa ny vady aman-janany.  Nanokatra ny lanonana, tany am-boalohany ny Na’Danse Girls.  Nampiakanjo an’i Mr Sayda i Lalaina Andria, mpamorona didin’akanjo avy any Frantsa. Tsy nanao ambanin-javatra ny fiakanjony koa ireo artista lehilahy. Palitao ambony ambany amin’ny endriny miavaka ny an’i Big Mj sy Jazz MMC. Nanome seho hafakely teo amin’ny fiakanjo i Zatia Rocher.  Ireo mpikambana avy ao amin’ny tarika Sisca

 

Rinhasoa

                                   

 

                                   

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo