Jejoo

Dans la même rubrique

Nicola Dupuis, Melvin sy Faneva Ima: Nanentana amin'ny fijanonana ao an-trano

31/03/2020

Ho fiaraha-mientana amin'ny fanentanana ny vahoaka mahakasika ny tokony hanajan'ny tsirairay ny toromarika momba ny ady atao amin’ny coronavirus dia namoaka horonan-tsary fohy i Melvin, Faneva Ima sy ny coach Nicolas Dupuis. Ao anatin'izany horonan-tsary

 Lire la suite...

Covid-19 : Niakatra 43 no voa... mila mitandrina isika mitandrina

30/03/2020

Mahatratra 43 hatramin'ny omaly folakandro ny isan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus araka ny tarehimarika farany navoakan'ny mpitondra tenin'ny CCO-Covid 19.

 Lire la suite...

Matin'ny Coronavirus i Julie, 16 taona…

28/03/2020

Tovovavy 16 taona no zaza tsy ampy taona voalohany namoy ny ainy vokatry ny aretina Coronavirus tao Frantsa. Kohaka

 Lire la suite...

COVID-19 : Nitombo 4 ny voa, avy any andafy avokoa!

27/03/2020

Nitombo 4 indray ireo olona mitondra ny otrikaretina “coronavirus” eto amintsika, araka ny antontan’isa nomen’ny profesora Vololontiana Hanta, avy eny amin’ny

 Lire la suite...

COVID-19 : Tsy nisy tranga vaovao omaly

26/03/2020

Tsy nisy ny tranga vaovaon'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 24ora raha ny tatitra

 Lire la suite...

Fitiliana ny Covid-19 : Vehivavy iray sisa no karohina ao Toliara Polisy narahina ambulance no naka ramatoa iray

25/03/2020

monina ao Betania Tanambao ity omaly folakandro. Iray amin'ireo vehivavy roa nandeha tamin'ireo fiaramanidina niditra teto mialohan'ny nikatonan'ny seranam-piaramanidina ka karohina any Toliara moa ity ramatoa ity.

 Lire la suite...

CORONAVIRUS Tafiakatra 17 ireo voamarina fa voa Eo amin'ny « stade 1 » no misy an'i Madagasikara amin'izao,

24/03/2020

ao anatin'ny fiatrehana an'ilay valan'aretina Coronavirus, araka ny tatitry ny filoham-pirenena omaly. Mbola tsy mihoatra ny 300 hatramin'ny 500 isa mantsy ireo tratran'ity aretina ity eto amintsika ary tsy nisy ny namoy ny ainy vokatr'izany hatreto hoy ihany ny fanazavana.

 Lire la suite...

Actualités

« Chips » saika nahafaty zaza!

06/02/2020

Raharaha iray manahirana ny ray aman-dreny ny fitadiavana ny ody am-bavafo ho an’ ny ankizy, indrindra raha te hijery ny ara-pahasalamana.

Matetika mantsy izay sakafo hitan’ny ankizy fa malaza, eny amin’ny ankizy hafa, dia iny ihany no « goûter » mety aminy. Mila mitandrina anefa sao mitarika aretina izy ireny, toy ity fijoroana vavolombelona nataona renim-pianakaviana ity.

Nivonto ny tarehy : Ny zoma no niaraka nividy “chips importé” ny zanako sy ny “cousine”-ny. Efa hariva moa izahay vao taonga dia efa lany teny an-tanan’izy mianadahy ireo tsakitsaky ireo. Ny sabotsy marainan’io anefa dia nivonto be ny maso havian’ilay zanako no sady feno pentipentina menamena ny endriny. Noheverinay fa lanin’ny biby. Rehefa nijery ny “cousine”-ny koa anefa  izahay dia  nivonto be ihany koa ny orony sy ny takolaka haviany, toy ireny marary nify be ireny.

Tsy marary, niakatra ny hafanana

Rehefa nanontanianay izy mianadahy raha maharary azy ireo ilay mivonto dia samy nilaza izy ireo fa tsia. Na izany aza anefa, ho an’ny zanako manokana, dia tsy nitsaha-nitombo ilay menamena tamin’ny tarehiny. Niaraka tamin’izany dia nisy hafanana be izy. Nomenay “efferalgan” sy “primalan” aloha mandrapahatonganay teny amin’ny hôpitaly.

Noho ilay “chips”

Rehefa nozahain’ny dokotera ilay zanakay dia tena noho ilay “chips” nohaniny mihitsy no nahatonga azy nibinabina tahaka io. Nahazo ny fanafody sahaza azy moa ny zanakay ary efa tsy hatahorana intsony amin’izao fotoana. Te-hanentana ny ray aman-dreny aho mba tsy hividividy ireny karazana tsakitsaky ireny fa mankarary.

 Resaka tamin’ny mpitsabo

Inona no atao hoe : “allergie alimentaire”?

Tsy fahazakana sakafo ny “allergie alimentaire”. Ao anatin’ny tsinay dia ahitana ny antsoina hoe : “microbiote”, bakteria mahasoa mivelona ao anatiny. Io bakteria io dia afaka mamadika sy mandevona ny sakafo ho hery fiasana, hery fitomboana, hery fanorenana ary hery fiarovana. Ka rehefa mihinana ilay sakafo be akora simika ny olona iray dia lasa potika ilay bakteria tsara. Lasa simba io “microbiote” io dia mikorontana ny tsinay : lasa miseho ireo fanelingelenana : sempotra, hidihidy amin’ny sofina, sery sns ary mety hahafaty. Fantaro anefa fa ny 70%-n’ny sela hiarovana ny vatana dia ao anaty tsinay avokoa.

Mety ilay “chips” ve no nahatonga ilay tohina?

Raha ho an’ity “chips” ity no asian-tena dia fantaro fa feno akora simika izy ireny, na ny any ivelany io na ny eto an-toerana. Io akora simika io izay hita ao anatin’ny lokon’ilay “chips” satria nisy “colorant” ary hita amin’ny alalan’ny fibontsinan’ilay “chips” ihany koa; miampy ny tsirony. Ireo olona manana tohina na “allergique” sy “asthmatique” no matetika tsy mahazaka azy ireny mihitsy. Ankoatra izay, fantaro fa ny zaza na olona avy amina fianakaviana misy tsy fahazakàna dia tsy tokony hampiditra an-trano ireny karazana tsakitsaky tsy ara-pahasalamana ireny : “croquette”, “caca-pigeons”. Ireto farany izay misy atody avy amin’ny “poule  pondeuse”, izay nomena sakafo feno akora simika mba hampitombo ny tahan’atody vokariny. Ireo sakafo misy an’io atody io dia mety hampihetsika ny tohina amin’ny olona iray. Torak’izany ihany koa ny mofomamy, ny mofobaolina sns izay misy atody.

Im-piry mihinana ilay tsakitsaky na sakafo misy ilay akora simika no mety hihetsika ny “allergie”?

Arakaraka voalohany indrindra. Misy ohatra ny hanina androany, dia any amin’ny herinandro na tapa-bolana vao miseho ny voka-dratsiny. Misy afaka roa na telo andro. Faharoa, miankina amin’ilay zavatra nohanina ihany koa anefa : ny habetsany, ny karazany, ary ihany koa ilay olona satria samihafa ny tsirairay.

Inona àry ny ohatra “goûter” tsara ho an’ny ankizy?

Ireto ohatra dia manampy, sy tian’io bakteria tsara anatin’ny tsinay io, no sady mahasalama :

·         Fraomazy “fondu” vita malagasy sy mofo dipaina.

·         “Kefir “: karazana “yaourt”.

·         Mofo dipaina misesika akondro.

·         Hena-baolina amin’ny omby  atao anaty mofo dipaina

·         Legioma manta atao “crudité” sy mofo dipaina. Tsy asiana voasarimakirana fa vinaingitra dia ampiana siramamy am-pahaefatry ny sotro.

·         Rano.

·         Voankazo ankoatra ireo tena mamy toy ny letisia, ny daty, fitsa sns.

 

Marihina fa mety hahafaty zaza ny “crise d’allergie” raha tsy tratra ara-potoana.

Isaorana ny dokotera RAVELOSON Handry

Medecin Chef SALFA PLUS Andohalo

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo