Jejoo

Dans la même rubrique

Nicola Dupuis, Melvin sy Faneva Ima: Nanentana amin'ny fijanonana ao an-trano

31/03/2020

Ho fiaraha-mientana amin'ny fanentanana ny vahoaka mahakasika ny tokony hanajan'ny tsirairay ny toromarika momba ny ady atao amin’ny coronavirus dia namoaka horonan-tsary fohy i Melvin, Faneva Ima sy ny coach Nicolas Dupuis. Ao anatin'izany horonan-tsary

 Lire la suite...

Covid-19 : Niakatra 43 no voa... mila mitandrina isika mitandrina

30/03/2020

Mahatratra 43 hatramin'ny omaly folakandro ny isan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus araka ny tarehimarika farany navoakan'ny mpitondra tenin'ny CCO-Covid 19.

 Lire la suite...

Matin'ny Coronavirus i Julie, 16 taona…

28/03/2020

Tovovavy 16 taona no zaza tsy ampy taona voalohany namoy ny ainy vokatry ny aretina Coronavirus tao Frantsa. Kohaka

 Lire la suite...

COVID-19 : Nitombo 4 ny voa, avy any andafy avokoa!

27/03/2020

Nitombo 4 indray ireo olona mitondra ny otrikaretina “coronavirus” eto amintsika, araka ny antontan’isa nomen’ny profesora Vololontiana Hanta, avy eny amin’ny

 Lire la suite...

COVID-19 : Tsy nisy tranga vaovao omaly

26/03/2020

Tsy nisy ny tranga vaovaon'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 24ora raha ny tatitra

 Lire la suite...

Fitiliana ny Covid-19 : Vehivavy iray sisa no karohina ao Toliara Polisy narahina ambulance no naka ramatoa iray

25/03/2020

monina ao Betania Tanambao ity omaly folakandro. Iray amin'ireo vehivavy roa nandeha tamin'ireo fiaramanidina niditra teto mialohan'ny nikatonan'ny seranam-piaramanidina ka karohina any Toliara moa ity ramatoa ity.

 Lire la suite...

CORONAVIRUS Tafiakatra 17 ireo voamarina fa voa Eo amin'ny « stade 1 » no misy an'i Madagasikara amin'izao,

24/03/2020

ao anatin'ny fiatrehana an'ilay valan'aretina Coronavirus, araka ny tatitry ny filoham-pirenena omaly. Mbola tsy mihoatra ny 300 hatramin'ny 500 isa mantsy ireo tratran'ity aretina ity eto amintsika ary tsy nisy ny namoy ny ainy vokatr'izany hatreto hoy ihany ny fanazavana.

 Lire la suite...

Actualités

Carine...nahazo 17/20 tamin’ny BACC, ho any Etazonia!

05/02/2020

Carine Ratsirahonana, 17 taona, mianatra ao amin’ny Saint Francois Xavier Fianarantsoa no nahazo ny naoty ambony indrindra manerana an’i Madagasikara, 17, 92/20 ny naotiny

tamin’ny fanadinana bakalorea farany teo. Inona no tsiambaratelony amin’ny fanalana fanadinana ? Andeha ho arahina ny resadresaka niarahana taminy. 

Tovovavy tena tsotra sy somary saro-kenatra i Carine Ratsirahonana. Tsy nanana olana loatra izy tamin’ny fotoana nanatanterahina ny fanadinana bakalorea ofisialy. « Atao toa ireny manao fanadinana any am-pianarana ireny ihany, hoy izy, dia mihena ny fitaintainana ». Ary hita fa nahomby taminy izany satria rehefa nivoaka ny valim-panadinana dia afaka soa aman-tsara ny tenany.

Tsy nanampo ahazo naoty ambony

« Mention Très bien » no azony tamin’izany. Efa ambony indrindra amin’ny sokajy nizarana ireo mpianatra izay afaka izany, ary famantarana fa manana naoty tsara dia tsara ny mpianatra iray matoa mahazo io « mention » io. « Tsy nanam-po ny ahazo ilay naoty ambony indrindra erak’i Madagasikara aho”, hoy i Carine. « Efa nikendry ny ahazo io « mention très bien » io aho, tamin’ny nianatra fa ny naoty no tsy nampoiziko ». Tamin’ny fotoana niantsoan’ny minisiteran’ny fampianarana azy ireo mantsy no nilazana taminy, ny naoty azony. Tamin’io fotoana io ihany koa, izay natrehan’ny solombavambahoaka Siteny, mpitarika ny « Fondation Siteny » no nilazan’ity farany fa ho isan’ireo mahazo ny fanomezana ho any Etazonia ny tenany.

Hiazo an’i Etazonia

Nanomboka teo dia nikarakara ny pasipaoro sy ny taratasy rehetra ho entina amin’izany dia izany i Carine sy ny reniny. Fivahinianana any Etazonia moa izy io, mandritra ny 15 andro ka hisy ny fitsidihana an’i Washington mandritra ny andro vitsy ary hijanona ao Parisy ihany koa, hitety toerana maromaro ao izay vao hiverina eto an-tanindrazana indray.

Maniry ahazo vatsim-pianarana any ivelany

Fanirian’ny reniny, ny ahafahan’i Carine manohy ny fianarany any am-pitan-dranomasina. « Finance et comptabilité » no taranja tian’ity zanany ity ho atao sy halalilinina. Nandritra ireo fotoana maro nahafahana nihaona tamin’ireo tomponandraikitra, hoy ny renin’i Carine dia efa niezaka hatrany izy ny hitady lalana ny amin’ny ahafahana mahazo vatsim-pianarana ho an-janany mankany am-pita. Varavarana misokatra ny fandraisana an-tanana nataon’ny Fondation Siteny fa mbola tsy nisy mihitsy kosa ny dingana izay nataon’ireo avy amin’ny fanjakana. Efa nametraka ny antontan-taratasy rehetra ilaina eny amin’ny CONABEX izahay, hoy ihany ny reniny, ka miandry valiny aloha no sady mifampiresaka amin’ireo tomponandraikitra mety afaka hanosika io fahazoana vatsim-pianarana io ihany. 

Efa nahay hatramin’ny kely

I Carine moa dia tovovavy efa nahay hatramin’ny kely, araka ny fitantaran’ny reniny. Tsy nanana olana firy izy teo amin’ny fianarana fa arahi-maso fotsiny ny fanaovana enti-mody. « Ezahina ho azo ao am-pianarana hoy i Carine ny lesona, mihaino ny fanazavana rehetra ka « excercice » fotsiny sisa no atao any an-trano fa tsy mianatra lesona be intsony »

 

Ny gazety Jejoo dia mankasitraka sy mirary soa an’i Carine.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo