Jejoo

Dans la même rubrique

Sira sy menaka oliva, manala ny fanaintainan’ny hatoka

01/10/2020

Mety misy fotoana, manaintaina ny ao amin’ny hatoka ao. Manelingelina fatratra izany satria ny hatoka mantsy no natao hizaka ny loha.

 Lire la suite...

Manadio ny oron’ny zazakely

30/09/2020

Ilàna fahaizana sy teknika ny famafana lelon-jaza. Ireto misy teknika azo hampiharina Mila diovina

 Lire la suite...

Vinaingitra paoma + sakamalaho : Mampitony sinozia

29/09/2020

Otrikaretina mipetraka eo anivon’ny « sinus » ao anatin’ny orona no mahatonga ny sinozita, sery, gripa.

 Lire la suite...

Fihetsika tsotra, mampitony ny rarin-tsaina

22/09/2020

Noho ny rotoroto isan’andro, ny fitohanan’ny fiara, ny fikarakarana ny ao an-tokantrano,

 Lire la suite...

Ho an’ny mpifoka sigara… “jus” manadio havokavoka

15/09/2020

Iaraha-mahalala fa tena sarotra ny miala sigara. Misy singa poizina ho an’ny havokavoka anefa avy amin’ny sigara, izay manimba azy tokoa.

 Lire la suite...

Ahoana no tena tsara hihinanana atody?

11/09/2020

Mitondra otrikaina maro ho an’ny vatana ny fihinanana atody, amin’ny tahany antonony.

 Lire la suite...

Ireo sakafo misoroka ny « Alzheimer »

10/09/2020

Aretina manaranaka ny « Alzheimer ». Hatreto aloha dia mbola tsy nisy ny fanafody manokana hitsaboana azy io.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Smoothie frezy +voazavo + solila… manafisaka kibo

17/01/2020

Tsy voatery hanao ezaka be mety ho fisaka ny kibo. Ity zava-pisotro manaraka ity izao dia hanampy anao hanafisaka kibo raha sotroina isan’andro. Mahasolo sakafo rahateo izy satria mahavoky avy hatrany

 

 

Akora ilaina 

  • Voazavo na « pastèque » voatetika efamira 1 kaopy
  • Frezy 10
  • Voasarimakirana 1
  • Rano 1 kaopy
  • Solila raviny 7

Fikarakarana 

Tsotra dia tsotra ny atao. Sasana tsara ny akora rehetra dia omanina, esorina ny tahon’ny frezy dia zaraina roa, alaina ranony ny voasarimakirana, voasana dia atao efamira ny voazavo, sasana ny solila. Alefa ao anatin’ny fitotoana avokoa ireo rehetra ireo dia tapohina ny rano. Raha mahazaka mamanala moa dia azonao ampiana vaingana lagilasy izy ity fa vao mainka hampatsiro azy izany.

Anisan’ny mampiavaka ity smoothie ity ny voazavo izay voankazo feno rano sy potasioma. Samy manadio ny loto ao anaty izy no mamotika ny menaka entin’ny sakafo. Torak’izany koa ny voasarimakirana izay mpanadio taova mandaitra tokoa. Ankoatra izay dia manala ny asidra ao anaty rehetra koa ity zava-pisotro ity. Sady manafisaka ny kibo izy noho izany no mety hampihena koa raha ampiarahana amin’ny sakafo voalanjalanja. Sotroy isa-maraina vao mifoha ka tsy mbola misy na inona na inona ny vavony. Raha mahavita aza dia tsara hatao sakafo hariva ihany koa izy.

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo