Jejoo

Dans la même rubrique

Kate Middleton : lasa filohan’ny skoto ao Angletera

01/10/2020

Lasa filoha lefitry ny skoto britanika i Kate Middleton. Noho io toerana azony io dia niaraka tamin’ireo skoto ao andrefan’i Londres izy ka niresadresaka sy nifampizara ny atrikasa fanaon’ireo skoto teo.

 Lire la suite...

Ed Sheeran : Lafo 65.000 dolara ilay “demo” navoakany taloha

29/09/2020

Nomeny anarana hoe “spinning Man” ity raki-kira andrana izay novokarin’i Ed Sheeran tamin’ny izy vao 13 taona ity. Lafo 252 tapitrisa dolara tamin’ny lavanty io demo io. Raha ny fantatra

 Lire la suite...

Kate Winslet, Reese Whiterspoon… Ny boky tena ankafiziny

22/09/2020

Mikatso ve ianao eo amin’ny famakiam-boky na tena tsy mbola nanomboka namaky akory aza?

 Lire la suite...

Ed Sheeran : Lafo 65.000 dolara ilay “demo” navoakany taloha

15/09/2020

Nomeny anarana hoe “spinning Man” ity raki-kira andrana izay novokarin’i Ed Sheeran tamin’ny izy vao 13 taona ity. Lafo 252 tapitrisa dolara tamin’ny lavanty io demo io. Raha ny fantatra dia nanao dika mitovy miisa 21 tamin’ity kapila mangirana ity i Ed Sheeran.

 Lire la suite...

Tom Hanks, george Clooney… : manimba sary fotsiny

14/09/2020

Ifanenjehina eto amintsika ny maka sary miaraka amin’ireo olo-malaza, ary tsy eto ihany nefa fa any am-pitan-dranomasina ihany koa.

 Lire la suite...

Lady Gaga, Kelly Osbourne : manana tombokavatsa eo amin’ny lohany

11/09/2020

Marika hanehoana hafatra ny tombokavatsa, ho an’ireo olo-malaza. Maro amin’izy ireo no mamadika ho tombokavatsa ny fotoana iray nanamarika azy ny anaran’ny zanany,

 Lire la suite...

R.Kelly : Nolavina ny famotsorana azy

10/09/2020

Nolavin’ny fitsarana indray ny famotsorana ilay mpihira R Kelly, mandra-piandry ny fitsarana azy, ny talata lasa teo.

 Lire la suite...

People

Ireo marika firavaka ankafizin-dry Beyoncé, Meghan Markle…

17/01/2020

Manana ny marika firavaka tena tiany ry Rihanna, Beyoncé, Gigi Hadid… Misy amin’ireny no hanaovan’izy ireo matetika mihitsy na dia fantatra fa manana marika mampanofa izany maimaim-poana azy ireo izy, rehefa hamonjy lanonana.

 

 

1.       Jennifer Meyer, naman’ireo olo-malaza rehetra

Firavaka azo hanaovana isan’andro no amboarin’i Jennifer Meyer ao Los Angeles. Efa nilomano tao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika izy, noho ny rainy mpamokatra mpilalao sarimihetsika ka lasa namany avokoa ireo vehivavy mpilalao sarimihetsika sy ny manodidina azy ireo no sady mitondra ny firavaka amboariny

2.       Fernando Jorge, ilay bitsihina foana ny anarany

Mampanofinofy ny ankamaroan’ireo olo-malaza ny firavaka amboarin’i Fernando Jorge. Tsy mahagaga noho izany ny fahitana ireo firavaka ireo eny amin’ireo olo-malaza ireo sy azo sary eny amin’ny karipetra mena

3.       De Grisogono, ilay mpanao firavaky ny olo-malaza ambony

Manaraka ireo olo-malaza efa hatramin’izay ity marika ity. Firavaka tena maneho manontolo ny maha-vehivavy no foroniny ka efa betsaka ireo vehivavy malaza mitondra izany eny amin’ny karipetra mena.

4.       Messika, ilay faniriana ravahina diamondra

Efa hankalaza ny tsingerintaona faha-15 nisiany ity marika ity. Ireo firavaka rehetra noforoniny dia misy diamondra ary namboarina natao mba hiaina ao anatin’ny vanim-potoana maoderina avokoa. Voalohany isany mankafy izany i Beyoncé ary ny ankamaroan’ireo firavaka hanaovany  dia an’ity marika ity avokoa.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo