Jejoo

Dans la même rubrique

Sakafo hariva 10 mampihena

01/10/2020

Tsy vahaolana mihitsy ny tsy misakafo hariva raha tena te-hihena amin’ny fomba mahomby sy ara-pahasalamana. Maro karazany koa ny sakafo azo hohanina tsara ny hariva raha te-hampihen-tena. Santionany ireto :

 Lire la suite...

Mpihiran’i “Jerusalema” : Hiseho eto tokoa ve ?

30/09/2020

Azo ambara ho isan’ireo hira tena nalaza, raha tamin’ity taona 2020 ity, ilay hira afrikanina mitondra ny lohateny hoe “Jerusalema”, nohiran’i Nomcebo Ziko. Raha ny siosion-dresaka miparitaka dia toa ho avy eto Madagasikara ity mpihira ity, amin’ny faramparan’ny volana ôktôbra. Marina tokoa ve izany?

 Lire la suite...

Herisetra Afa-jaza, nodakan’ny vadiny ilay ramatoa !

29/09/2020

Fifamaliana sady narahina fiakaram-peo no nitranga tao amina tokantrano iray, ny zoma lasa teo. Lehilahy vao 23 taona no nifamaly tamin’ny vadiny, 21 taona. Tamin’ny fotoana nifamalian’izy ireo anefa dia ity farany nitrotro ny zanak’izy ireo vao 12 volana sady bevohoka.

 Lire la suite...

Atao karazana case mitokatokana + sary dia asiana fond couleur angamba no mety amin’ito fa lava be ilay toriteny.

28/09/2020

Fomba tsotra...manala ny lehilahy amin'ny fampirafesana Tsy tongatonga ho azy ny fampirafesana eo amin’ny lehilahy, fa misy antony miteraka azy. Rehefa fantatrao vadiny izay antony izay dia ianao irery ihany no afaka misintona azy ho afaka amin’izany.

 Lire la suite...

Vehivavy 32 taona aho, manan-janaka lahikely anankiray, 5 taona.

22/09/2020

Nisarahan'ny vadiko aho, efa herintaona izao. Mbola tsy miaraka amin’olona foana anefa aho satria mbola tiako izy. Ahoana ny fomba hanadinoako azy ?

 Lire la suite...

Lova Renée sy Charlène Samy afaka CEPE !

21/09/2020

Afaka CEPE soa aman-tsara i Lova Renée. Izy ilay zazavavy kely avy ao Toamasina nalaza nandritra ny fihibohana noho ireo horonantsara sy fanentanana nataony momba ny Coronavirus raha tsiahivina.

 Lire la suite...

Halatra taova Namidy ny mason’ilay zaza

15/09/2020

Zazalahy kely 6 taona no nisy naka an-keriny raha iny nilalao tao an-tokontaniny iny ary noesorin’ireo mpaka azy an-keriny ny masony.

 Lire la suite...

Actualités

ANTSIRABE Zaza 4 sy 18 volana, maty novonoin-drainy!

16/01/2020

Raim-pianakaviana iray avy ao Antsirabe no voasambotry ny polisy ny sabotsy 11 janoary lasa teo rehefa avy namono ny zanany mianadahy.

 

Raha iny nandeha nivoaka ny trano iny ilay renim-pianakaviana ny faha 09 janoary 2020 lasa teo ka namela ny zanany tao an-trano no nanararaotan’ilay raim-pianakaviana namonoana ireo zanany lahy vao efa-bolana monja. Taorian’izany dia nentiny nivoaka ny trano indray ilay zanany vavy vao 18 volana ary novonoiny tany anaty ala tao amin’ny fokontany Amboronomby. Ny zoma faha 10 janoary tokony ho tamin’ny 06 ora hariva vao hita ny vatana mangatsiakan’ity vavikely ity. Nandritra ny fanadihadiana izay natao no nanambaran’ity lehilahy ity fa maheno feo ny hiakiaky ny zanany foana izy, miantso vonjy fa mijaly. Nanapa-kevitra arak’izany ity farany fa hovonoiny ireo zanany mba hanafahana izany fijaliana izany. Marihina fa tsy  nahitana olana na korontana tao amin'ny tokantrano nisy an'ity lehilahy ity. Niaiky ny heloka vitany izy ary efa saika namono tena ihany koa  saingy izao tra-tehaky ny pôlisy  izao.

Lalaina Rav

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo