Jejoo

Dans la même rubrique

Mino, nampihena tena dia maty!

21/02/2020

Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy ka fantatra fa mitsaika, dia tokony hitandrina amin’ny fanatanjahantena hataony. Renim-pianakaviana iray, 30 taona mahery mantsy, no nodimandry, rehefa nanao « fitness » be loatra, kanefa bevohoka.

 Lire la suite...

Lasa tsy mahazo fahafinaretana intsony aho rehefa manao firaisana ara-nofo amin’ny vadiko. Sao manana torohevitra azo omena ahy ianareo ?

20/02/2020

Raha toa ka tsy maharitra ela loatra io tsy fahazoana fahafinaretanha io ary tsy miverimberina matetika loatra, dia tsy tokony hampitahotra. Mety mandalo izany daholo mantsy ny olona rehetra rehefa rera-batana, rera-tsaina, tezitra, malahelo…

 Lire la suite...

Paty sinoa ..mahavoa an’ny “cancer” rà hono?

19/02/2020

Malaza be eran’ny aterineto, ny resaka aretin’ny rà sy ny homamiadan’ny rà. Maro ny fanontaniana mby ao an-tsain’ny olona,

 Lire la suite...

VEHIVAVY TSY HITA TAO AMBILOBE Novonoina dia noloarana ny zaza tao an-kibony

18/02/2020

Nitroatra ny vahoaka tao an-tampon-tananan’Ambilobe ny faran’ny herinandro teo taorian’ny vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra facebook mikasika ilay Renim-piakaviana iray bevohoka 7 volana tsy hita nanomboka ny 03 Febroary lasa teo.

 Lire la suite...

Ankizy nangalatra atody 1 Naboridan’ny olona !

17/02/2020

Ankizilahy 15 taona no tratra nangalatra teny Mahamasina ny sabotsy hariva lasa teo. Raha ny fantatra dia atody iray no nangalarin’ity zaza ity saingy rehefa nifanenjehana ka tratra izy dia naboridan’ireo olona nitàna azy ary nafatotr’izy ireo tamin’ny tady manify, teo amin’ny andrin-jiro iray.

 Lire la suite...

Mampirafy Miady lava Mifamono Saropiaro

14/02/2020

Mamaha ny olana i Dr Love Mampirafy ahy izy…Miady lava izahay ao an-trano….Vonoiny aho…Diso saropiaro izy ka tsy sambatra aho….

 Lire la suite...

Farafangana Reny teraka kambana 4

13/02/2020

Fahasoavana efatra sosona no azon’ny renim-pianakaviana iray, tao Farafangana. Teraka kambana efatra mantsy ity reny ity, tao amin’ny hopitaly CHRR Farafangana hatrany.

 Lire la suite...

Actualités

Kidnapping teny Soavimbahoaka : Vehivavy ny roa amin’ireo voasambotra !

15/01/2020

Vehivavy miisa roa sy lehilahy iray no nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora noho ilay resaka fakana ankeriny nahazo ilay teratany karana, Navaze Veledjee tompon’ny orinasa Vel’optic niseho ny 13 desambra lasa teo.

 

 

 

 

Rehefa avy nohenoina teny amin’ny Pole Anti-Corruption na ny PAC ao 67ha ny vehivavy miisa telo sy ity lehilahy iray ity, dia nalefa vonjimaika ho tazonina any amin’ny fonjan’Antanimora ny roa amin’ireo vehivavy miaraka amin’ilay lehilahy iray. Ilay vehivavy iray hafa kosa dia nahazo fahafahana vonjimaika aloha mandra-piandry ny tohin’ny raharaha. Araka ny fantatra kosa dia mbola maromaro ny olona voarohirohy amin’ity fakana an-keriny an’ilay tera-tany karana Navaze Veledjee tamin’ny 13 desambra lasa teo ity. Efa eo an-dalam-pikarohana ireo olona maro hafa ireo ny mpitandro ny filaminana araka ny fantatra ary ny sampana mpanao fikarohana mikasika ny heloka bevava ao Fiadanana no misahana ny raharaha. Raha tsiahivina dia ny 13 desambra lasa teo no nisy naka an-keriny teny Soavimbahoaka ity tera-tany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay, tompon’ny Vel’optic ity. Tsy vao voalohany anefa izany fa efa nisy naka an-keriny koa ny tenany tany amin’ny 24 mey 2018 tany ka teny Ampasapito indray no nisehoan’izany, niaraka tamin’ny vadiny. Navotsotr’ireo olon-dratsy teny an-dalana anefa ny vadin’ity karana ity tamin’izany ka  izy irery no notanan’ireo mpaka an-keriny azy. 15 andro taty aoriana vao votsotra ity tera-tany karana ity tamin’izany.

 

 

Ando  

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo