Jejoo

Dans la même rubrique

Sakafo hariva 10 mampihena

01/10/2020

Tsy vahaolana mihitsy ny tsy misakafo hariva raha tena te-hihena amin’ny fomba mahomby sy ara-pahasalamana. Maro karazany koa ny sakafo azo hohanina tsara ny hariva raha te-hampihen-tena. Santionany ireto :

 Lire la suite...

Mpihiran’i “Jerusalema” : Hiseho eto tokoa ve ?

30/09/2020

Azo ambara ho isan’ireo hira tena nalaza, raha tamin’ity taona 2020 ity, ilay hira afrikanina mitondra ny lohateny hoe “Jerusalema”, nohiran’i Nomcebo Ziko. Raha ny siosion-dresaka miparitaka dia toa ho avy eto Madagasikara ity mpihira ity, amin’ny faramparan’ny volana ôktôbra. Marina tokoa ve izany?

 Lire la suite...

Herisetra Afa-jaza, nodakan’ny vadiny ilay ramatoa !

29/09/2020

Fifamaliana sady narahina fiakaram-peo no nitranga tao amina tokantrano iray, ny zoma lasa teo. Lehilahy vao 23 taona no nifamaly tamin’ny vadiny, 21 taona. Tamin’ny fotoana nifamalian’izy ireo anefa dia ity farany nitrotro ny zanak’izy ireo vao 12 volana sady bevohoka.

 Lire la suite...

Atao karazana case mitokatokana + sary dia asiana fond couleur angamba no mety amin’ito fa lava be ilay toriteny.

28/09/2020

Fomba tsotra...manala ny lehilahy amin'ny fampirafesana Tsy tongatonga ho azy ny fampirafesana eo amin’ny lehilahy, fa misy antony miteraka azy. Rehefa fantatrao vadiny izay antony izay dia ianao irery ihany no afaka misintona azy ho afaka amin’izany.

 Lire la suite...

Vehivavy 32 taona aho, manan-janaka lahikely anankiray, 5 taona.

22/09/2020

Nisarahan'ny vadiko aho, efa herintaona izao. Mbola tsy miaraka amin’olona foana anefa aho satria mbola tiako izy. Ahoana ny fomba hanadinoako azy ?

 Lire la suite...

Lova Renée sy Charlène Samy afaka CEPE !

21/09/2020

Afaka CEPE soa aman-tsara i Lova Renée. Izy ilay zazavavy kely avy ao Toamasina nalaza nandritra ny fihibohana noho ireo horonantsara sy fanentanana nataony momba ny Coronavirus raha tsiahivina.

 Lire la suite...

Halatra taova Namidy ny mason’ilay zaza

15/09/2020

Zazalahy kely 6 taona no nisy naka an-keriny raha iny nilalao tao an-tokontaniny iny ary noesorin’ireo mpaka azy an-keriny ny masony.

 Lire la suite...

Actualités

Adin’ny mpivady Nodorany aloha ramatoa vao naleviny?

14/01/2020

Tamin’ny alarobia 08 janoary teo no fantatra fa maty novoin’ny vadiny, ny ramatoa iray izay hita razana, tao amina tanàna iray antsoina hoe :

 

 

 

 Menara, kaominina Ambahoabe, distrikan’i Soanierana-Ivongo. Tamin’ny fomba feno habibiana no nitrangan’ny famonoana raha ny angom-baovao. Sahabo ho 36 taona io ramatoa io. Disadisa teo amin’izy sy ny vadiny no nitarika ny famonoana azy. Raikitra aloha ny fizarana entana, izay tonga hatramin’ny fizarana tanim-boly. Rehefa tonga tany amin’ity toerana ity izy mivady ireto, izay alan-davanilina, dia raikitra indray ny ady, ka rehefa tsy nahazaka ilay rangahy, dia novelesiny tamin’ny hazo ny hatok’ilay ramatoa vadiny ary naleviny. Ireo mpiara-monina moa no nahatsikaritra voalohany ny tsy nahitana ilay ramatoa, tamin’ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao teo. Tamin’ny 30 desambra mantsy, raha ny nambaran’ilay rangahy, no nitrangan’ity famonoana ity. Nohazonina tao Ambahoabe, raha ny vaovao farany, moa ilay rangahy vadiny. Niaiky ny heloka vitany izy, ary vonona ny hitondra azy eny amin’ny mpitandro ny filaminana eny Soanierana Ivongo ny fianakaviany. Ny zomà 10 desambra teo ihany koa dia efa saika nisy fifanolanana teo amin’ireo havan’ilay ramatoa sy ny havan’ity rangahy namono ity ary ny sefom-pokontany. Ity farany mantsy dia rain’ilay nahavanon-doza. Nanafatra mantsy ny havan’ilay ramatoa fa tsy mbola tokony nalefa tany Ambahoabe ilay rangahy fa miandry ny fahatongavan’ireo fianakavian’ny vehivavy. Nanara-bady mantsy ity ramatoa ity fa mponina  ao an-toerana. Efa niofo ihany koa ny nofon’ny razana izay heverina fa nodoran’ilay rangahy aloha vao naleviny. Andrasana moa ny tohin’ny raharaha.

 

 

 

Nelly-Bri

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo