Jejoo

Dans la même rubrique

Sira sy menaka oliva, manala ny fanaintainan’ny hatoka

01/10/2020

Mety misy fotoana, manaintaina ny ao amin’ny hatoka ao. Manelingelina fatratra izany satria ny hatoka mantsy no natao hizaka ny loha.

 Lire la suite...

Manadio ny oron’ny zazakely

30/09/2020

Ilàna fahaizana sy teknika ny famafana lelon-jaza. Ireto misy teknika azo hampiharina Mila diovina

 Lire la suite...

Vinaingitra paoma + sakamalaho : Mampitony sinozia

29/09/2020

Otrikaretina mipetraka eo anivon’ny « sinus » ao anatin’ny orona no mahatonga ny sinozita, sery, gripa.

 Lire la suite...

Fihetsika tsotra, mampitony ny rarin-tsaina

22/09/2020

Noho ny rotoroto isan’andro, ny fitohanan’ny fiara, ny fikarakarana ny ao an-tokantrano,

 Lire la suite...

Ho an’ny mpifoka sigara… “jus” manadio havokavoka

15/09/2020

Iaraha-mahalala fa tena sarotra ny miala sigara. Misy singa poizina ho an’ny havokavoka anefa avy amin’ny sigara, izay manimba azy tokoa.

 Lire la suite...

Ahoana no tena tsara hihinanana atody?

11/09/2020

Mitondra otrikaina maro ho an’ny vatana ny fihinanana atody, amin’ny tahany antonony.

 Lire la suite...

Ireo sakafo misoroka ny « Alzheimer »

10/09/2020

Aretina manaranaka ny « Alzheimer ». Hatreto aloha dia mbola tsy nisy ny fanafody manokana hitsaboana azy io.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Ody gripa amin’ny tongolo gasy sy vinaingitra

14/01/2020

Azo atao ny manamboatra ity karazana sirop ody gripa ity ao an-trano ka akora natoraly avokoa no mandrafitra azy. Tsy avy hatrany dia azo ampiasaina anefa izy fa mila 2 herinandro eo vao tena vonona.

 

 

 

Akora ilaina 

  • Tongolo gasy voatetika madinika
  • Tongolo oignon voatetika madinika
  • Sakamalaho kely voakiky
  • Sakay vovony 1 tsongo
  • Vinaigre de cidre

Fomba ikarakarana azy 

Arotsaka ao anaty bocal iray avokoa ny tongolo gasy, ny tongolo oignon, ny sakamalaho ary ny sakay vovony. Tondrahana ny vinaingitra. Hidiana tsara ny bocal. Ahontsana isan’andro mandritry ny 2 herinandro. Dila izay dia vonona ity ody gripa ity.

Iray sotro isa-maraina, mialoha ny sakafo maraina ny fomba ihinanana azy.

 Torohevitra fanampiny

Mety ihany koa raha afangaro amin’ny tantely 1 6 sotro ny tongolo gasy 3 vaventy voatetika madinika. Alona andro vitsivitsy dia tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana. Iray sotro isa-maraina mialohan’ny sakafo no hihinanana azy. Tokony ho sitrana ao anatin’ny 7 andro raha voan’ny sery na gripa. Ity farany ity rahateo dia mitsabo kohoka sy ireo aretina avy amin’ny “infections”.

Miss

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo