Jejoo

Dans la même rubrique

Manintsana tavy eo ambony seza

29/09/2020

Azo atao tsara ny manintsana tavy na dia mipetraka eo ambony seza fotsiny aza. Toy izao no atao …

 Lire la suite...

Manala ny tavy amin'ny sandry

22/09/2020

Fihetsika tsotra dia hahafahana mandoro ireo tavy eo amin’ny sandry. Araho anie e !

 Lire la suite...

Fitombenana miroraka, azo ampiakarina

15/09/2020

Hampiakatra ny fitombenana somary niroraka ireto fampihetseham-batana ireto. Azo lazaina hoe :

 Lire la suite...

Manala ny tavy amin’ny vatana ambony

08/09/2020

Mora mahazo tavy koa ny tapany ambony amin’ny vatantsika vehivavy. Raha maniry hanintsana manokana ireo tavy ireo ianao dia ireto fampihetseham-batana ireto hatao.

 Lire la suite...

Manintsana tavy ao an-trano

01/09/2020

Fampihetseham-batana manintsana ny tavy amin’ny vatana manontolo indray no entina aminao anio. Mavitribitrika tsara araka izany rehefa manao ireto manaraka ireto.

 Lire la suite...

Manala ny sisin-kibo

25/08/2020

Mivoaka avy hatrany ny bika maha-vehivavy raha toa ka miala ny tavy amin'ny sisin'ny kibo, eo amin'ny andaniny roa amin'ny valahana sy ambanin'ny helika. Manala ireo tavy ireo indrindra ireto fampihetseham-batana telo manaraka ireto.

 Lire la suite...

Manome endrika ny sandry sy ny nono

18/08/2020

Faritra tena azo koloina ary tokony hokoloina tsara ny nono sy ny sandry mba ho mafimafy sy tsy hiroraka. Hanampy anao amin'izany ireto manaraka ireto.

 Lire la suite...

Forme

Manala tavy ao an-damosina sy ny foto-tsandry

14/01/2020

Rehefa handrafitra ny vatana dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny fikoloana ny tapany ambony amin’ny vatana indrindra ny ao an-damosina sy ny eo amin’ny foto-tsandry.

 

 

 

 Matetika mantsy ny kibo sy ny fitombenana no tena ifantohan’ny maro. Ampifandanjaina noho izany ny fikoloana ny vatana ka atao mahazo daholo ny faritra rehetra.

Fampihetseham-batana voalohany :

Mijoro mahitsy, somary asabaka hitovy tantana ny soroka ny tongotra. Tazonina amin’ny tanana roa manoloana ny tratra ny tavoahangin-drano na “haltère”iray. Alefa miankavia sy miankavanana mifandimby. Tsy mihetsika ny vatana fa ny tanana ihany no mikipily miankavia sy miankavanana. Averina in-30 izany dia manao andiany telo.

Fampihetseham-batana faharoa : 

Tazonina amin’ny tanana havia ny tavoahangy dia akarina any ambonin’ny loha izany. Alefa mankany aloha avy eo toy ny hanao totohondry fa misy tavoahangy fotsiny ny tanana dia averina ampiakarina any ambonin’ny loha. Izay no averina in-30 dia mivadika amin’ny lafiny ilany. Atao haingakaingana ny fihetsika.Manao andiany 3.

Fampihetseham-batana fahatelo :

Mitazona tavoahangy na haltère iray isaky ny tanana indray eto. Somary miondrika ny tapany ambony amin’ny vatana amin’ity farany ity. Alefa miankavia sy miankavanana mifandimby ny tanana dia sintonina tsara mba hahazo tsar any lamosina, izany hoe : atsipy lavitra araka izay tratra ny tanana.

Isaorana ny coach Josy avy ao amin’ny Art Sport Fitness Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny fiaraha-miasa. Fifandraisana : 0340399035 

Lilou

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo