Jejoo

Dans la même rubrique

Manatsara endrika ny fitombenana … baolina ampiasaina

30/06/2020

Mampandaitra ny fampihetseham-batana hatao ny fanovaovana ny karazany hatao. Raha maniry hikolo ny fitombenana ianao dia azonao hatao tsara koa ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Manamafy sy mampanifinify ny sandry

23/06/2020

Anisan’ny faritra mora miroraka amin’ny vatana ny sandry rehefa mandroso ny taona, raha tsy koloina. Ilaina araka izany ny manamafimafy azy ireo.

 Lire la suite...

Manintsana sady mikolo ny hoza-pe sy ny hoza-kibo

16/06/2020

Mikolo ny vatana manontolo ny fampihetseham-batana atolotra anao anio. Raha atao haingakaingana ny fihetsika dia manintsana tavy izy ireo. Manamafy manokana ny hoza-pe sy ny fitombenana koa izy ireo ary miantraika hatrany amin’ny hoza-kibo :

 Lire la suite...

Manala kibo amin'ny patin, ao an-trano

10/03/2020

Hafa kely ny fampihetseham-batana atolotra anao anio. Ampiasana ireny patin fanadiovana trano ireny izy ireto ary ny faritry ny kibo no tena miasa sy mahazo aminy.

 Lire la suite...

Mampiakatra nono miroraka amin’ny elastique

18/02/2020

Azo atao ny mampiakatra ny nono miroraka fa mila finiavana sy faharetana kosa. Ireto fampihetseham-batana ireto no atao :

 Lire la suite...

Manamafy sady mandrafitra ny fe ao an-trano

11/02/2020

Hikolo sy hanamafy ny fe indray isika anio. Tsy mila fitaovana fa ny lanjan’ny vatana na ny “poids du corps” no ampiasaina amin’ity indray mitoraka ity.

 Lire la suite...

Vehivavy bevohoka, afaka mikolo vatana koa

04/02/2020

Mahazo manao fampihetseham-batana ny vehivavy mitondra vohoka. Ireto fampihetseham-batana atoro anao ireto dia azo atao manomboka eo amin’ny faha 6 volan’ny kibo.

 Lire la suite...

Forme

Manala tavy ao an-damosina sy ny foto-tsandry

14/01/2020

Rehefa handrafitra ny vatana dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny fikoloana ny tapany ambony amin’ny vatana indrindra ny ao an-damosina sy ny eo amin’ny foto-tsandry.

 

 

 

 Matetika mantsy ny kibo sy ny fitombenana no tena ifantohan’ny maro. Ampifandanjaina noho izany ny fikoloana ny vatana ka atao mahazo daholo ny faritra rehetra.

Fampihetseham-batana voalohany :

Mijoro mahitsy, somary asabaka hitovy tantana ny soroka ny tongotra. Tazonina amin’ny tanana roa manoloana ny tratra ny tavoahangin-drano na “haltère”iray. Alefa miankavia sy miankavanana mifandimby. Tsy mihetsika ny vatana fa ny tanana ihany no mikipily miankavia sy miankavanana. Averina in-30 izany dia manao andiany telo.

Fampihetseham-batana faharoa : 

Tazonina amin’ny tanana havia ny tavoahangy dia akarina any ambonin’ny loha izany. Alefa mankany aloha avy eo toy ny hanao totohondry fa misy tavoahangy fotsiny ny tanana dia averina ampiakarina any ambonin’ny loha. Izay no averina in-30 dia mivadika amin’ny lafiny ilany. Atao haingakaingana ny fihetsika.Manao andiany 3.

Fampihetseham-batana fahatelo :

Mitazona tavoahangy na haltère iray isaky ny tanana indray eto. Somary miondrika ny tapany ambony amin’ny vatana amin’ity farany ity. Alefa miankavia sy miankavanana mifandimby ny tanana dia sintonina tsara mba hahazo tsar any lamosina, izany hoe : atsipy lavitra araka izay tratra ny tanana.

Isaorana ny coach Josy avy ao amin’ny Art Sport Fitness Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny fiaraha-miasa. Fifandraisana : 0340399035 

Lilou

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo