Jejoo

Dans la même rubrique

Tsy nahalevon-kanina…izao atao

17/06/2020

Mangatsiaka ny andro. Mety ho isan’ny manosika ny tsy fahalevonan-kanina izy io. Isan’ny fambaran’io fanelingelenana io moa ny aretin-kibo mahery vaika,

 Lire la suite...

Tena tiako ny vadiko ary tsy te hisaraka aminy aho. 5 taona nivadiana izahay, saingy ny 3 taona tamin’ireo dia nampirafy ahy foana izy.

15/06/2020

Naharary ahy ilay izy saingy nihafiako foana. Amin’izao, mihamitombo hatrany ny ditrany, satria misy fotoana, tsy mody izy raha tsy indray mandeha isa-kerinandro. Mbola hihafy ihany ve aho ? Sa inona no tokony ataoko ? Raha hisaraka aho dia ahoana ny amin’ireo zanakay mianadahy ?

 Lire la suite...

Vehivavy 16 taona aho, tia lehilahy iray 20 taona.

11/06/2020

Hitako niaraka tamin’olon-kafa anefa izy tamin’ny volana febroary teo ary rehefa nanadihady aho dia fantatro fa efa 4 taona niarahana ry zareo. Nasaiko nisafidy izy, nefa nilaza fa samy tiany izahay roa.

 Lire la suite...

Nisy lehilahy nikôty ahy dia niarahako, vao herinandro izao, fa izaho efa elaela no tia azy.

10/06/2020

Nilaza tamiko anefa izy fa efa miaraka amin’olon-kafa. Marary be ny foko, nefa aho tsy te hisaraka aminy, fa tiako ianarana izany mitia amin’ny saina izany.

 Lire la suite...

Leo ny fampirafesana ataon’ny vadiko aho. Mamo lava izy sady tsy manome vola ahy. Te hisaraka aminy aho, nefa izy tsy mety. Tsy haiko ny fomba ialana aminy.

27/05/2020

Rehefa mahatsiaro fijaliana tsy azo leferina intsony ianao dia tsy misy olona afaka hitazona anao ao anatin’izany tokantrano tsy ahitana hasambarana izany. Raha mbola tsy tena tapa-kevitra tsara ny hisaraka aminy ianao dia tadidio fa manana ny antsoina hoe :

 Lire la suite...

Covid-19 tao Manarintsoa Isotry : Olona 1 namindra tamin'olona 16!

18/05/2020

Nahatratra 16 be izao ireo olona niara-hita fa voan'ny Coronavirus tao Manarintsoa Isotry ny asabotsy lasa teo, araka ny tatitra navoakan'ny mpitondra teny ofisialin'ny CCO, Pr Vololontiana Hanta tamin'io andro io. Olona niserasera sy nifampikasoka tamin'ireo olona voan'ny Coronavirus teo Anatihazo Isotry teo aloha ihany ireo olona 16 vao hita ireo raha ny fanazavany.

 Lire la suite...

Zaza 9 volana voan’ny « coronavirus » Tsy maty izany...hoy ny reniny!

08/05/2020

Niely tao amin’ny tranonkala vazaha antsoina hoe freedom.fr omaly, fa nahitana trangana fahafatesana vokatry ny « coronavirus » teto Madagasikara. Raha ny nambaran’io tranonkala io hatrany dia zazalahikely 9 volana izay voamarina fa

 Lire la suite...

Conseils

Ahoana kay no tena ahazoana antoka fa tena tia ilay olona miaraka aminao ?

14/01/2020

Raha ny tokony ho izy, avy hatrany dia tsapa izany fitiavana izany, fa tsy ilàna porofo fanampiny.

 

 

Raha fehezina amin’ny teny tokana, dia hoe : mahatsiaro sambatra be ianao miaraka aminy. Ny olona tia mantsy dia manaja ny olona tiany, manome hasina azy, manome lanja azy, mitsinjo azy, miraharaha azy ary mikatsaka foana izay hahasoa, hahatsara ary hampandroso azy. Raha toa izany ianao ka tsy mahatsiaro fijaliana miaraka aminy, raha toa ianao mahatsiaro tena ho mihatsara, dia tia anao izy izany.

 

Efa herintaona izao no niaraka izaho sy ilay olon-tiako. Mifampiantso foana izahay ary mifankahita in-dray mandeha isam-bolana. Misy vehivavy anankiray izay anefa manadala azy foana, ka leo aho amin’ny fandrebireben’io azy. Ilay olon-tiako milaza ho tsy tia an’io vehivavy io. Te hiresaka amin’io vehivavy io aho fa tsy avelany fa sao miteraka olana, hono. Inona no ataoko fa marary ny foko ?

Izay hampiasa saina anao sy hankarary ny fonao izay indrindra no tadiavin’ilay vehivavy. Aza avela handresy amin’izany izy, izany hoe : aza ivakiana loha fotsiny tsotra izao izay rehetra ataony. Rehefa mifankatia tsara ianao sy ilay olon-tianao dia izay no zava-dehibe. Ny mampatahotra anao manko dia sao ho voarebirebiny ilay olon-tianao amin’ny farany. Noho izany, ampio ny fitokisana io olon-tianao io. Matokia koa tena. Aza ambenana tsy hihetsika izy, saingy ataovy kosa izay hahatadidiavany foana fa misy ianao ary tena tia azy ianao. Manaova metimety foana, mitadiava fomba hanaitairana ilay olon-tianao foana, dia tsy hisy olona hahavita handrebireby azy. Fadio kosa ny mitady resaka amin’ilay vehivavy fa ataovy ho toy ny tsy misy izy. Rehefa leo izy dia hijanona ihany.

 

Saro-piaro be amin’ny vadiko aho nefa izy mbola tsy hitako nanao sipa mihitsy. Efa hatramin’ny voalohany aho no toy izany, te hiova nefa tsy mety.

Ny olona saro-piaro, amin’ny ankapobeny, dia tsy matoky tena loatra ary tsy matoky ny olon-tiany koa. Tsy misy olona tsy saro-piaro amin’ny olona, na amin’ny zavatra tiany, saingy rehefa tafahoatra ilay hasarota-piaro dia lasa toy ny fonja, na ho an’ilay manao azy na ho an’ilay iharany. Lasa te hitroatra be, hiala amin’ilay fangejana azy ilay olon-tianao, ianao kosa lasa tsy miaina intsony fa miasa saina lava. Ho rava ny tokantranonareo raha izany no mitohy. Efa tsapanao fa mila fiovana ianao, efa zava-dehibe izany. Eto dia mila manana finiavana ianao hanome fahatokisana bebe kokoa ny vadinao, fa indrindra koa, hanome lanja ny tenanao. Manokàna mihitsy fotoana andinihanao tena, ka itadiavanao ireo tsara rehetra any aminao, na toetra, na endrika ivelany… Tsy fahotana akory ny midoka tena, rehefa tena mitombina ilay doka. Ireny tsara any aminao ireny no itiavany anao, izay atao masaka an-tsaina dia hitombo tsikelikely ny fitokisanao tena ary hihena tsikelikely koa ny hasarota-piaronao.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo