Jejoo

Dans la même rubrique

Baranjely ; naman’ny hatsaran-tarehy

29/06/2020

Legioma iray tsy fihinan’ny ankamarontsika matetika ny baranjely nefa legioma tena tsara no mahasalama ary naman’ny hatsaran-tarehy amam-bika ihany koa.

 Lire la suite...

Ranona voatabia ; mahasalama no sady mahasoa

22/06/2020

Akora iray anisan’ny miantoka ny fahasalaman’ny vatana ny ranona voatabia. Ankoatra ny fampiasana azy amin’ny sakafo dia vokatsoa maro no entina na eo amin’ny resaka fahasalamana izany, na eo amin’ny fikolokoloana ny endrika.

 Lire la suite...

Voana zavoka : Mahatsara tarehy

15/06/2020

Ao anaty fahavokaran’ny zavoka isika. Fantaro fa ankoatra ny nofony izay manan-karena otrikaina maro dia azo atao tsara ihany koa ny mampiasa na mihinanana ny voana zavoka.

 Lire la suite...

Ranom-pary : Tena tsara ho an'ny bohoka

08/06/2020

Manan-karena vitamina sy mineraly ny ranom-pary. Tsara ho an'ny vehivavy bevohoka ny misotro azy noho izay otrikaina entiny izay. Ireto misy tombontsoa vitsivitsy entin’ny fisotroana na ny fihinanana azy.

 Lire la suite...

Voam-boaloboka : Misoroka homamiadana, manadio rà…

19/05/2020

Fihetsika mahazatra foana ny manary ny voan’ny voaloboka rehefa mihinana azy. Raha ireo voka-pikarohana natao anefa dia ao anatin’ireny voany ireny no tena itoeran’ny heriny, ka mahasalamana ny vatana.

 Lire la suite...

Voasary : Misoroka fahanterana!

10/03/2020

Fianakavian’ny « agrumes », izay miaraka amin’ny papelemosy, ny voasarimakirana, ny voasary laoranjy.

 Lire la suite...

Voana papay : Manadio aty, miaro ny voa…

03/03/2020

Aza ariana intsony ireny voana papay ireny fa itoeran’ny vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana. Santionany amin’izany ireto atoro anao ireto.

 Lire la suite...

Bienfaits

“Haricot vert” 1 tasy …. misoroka aretim-po

14/01/2020

Legioma mitondra otrikaina maro ary ahitana « antioxydant » matanjaka ny « haricot vert ». Mahasalama izy ary mampihena ihany koa.

 

 

Mampitony ny fanelingelenan’ny fitsaharam-pitsaihana

Araka ny voka-pikarohana iray dia manampy ny vehivavy hiatrika ny fitsaharam-pitsaihana ny “haricot vert”. Mihena kokoa ireo fanelingelenana mifandraika amin’ny fitsaharam-pitsaihana, toy ny aretin-kibo, ny fiakaran’ny hafanana, ny  fahalemen’ny taolana… rehefa zatra mihinana ity legioma ity isan’andro ny vehivavy 45 taona no ho miakatra.

Misoroka ny homamiadana

Isan’ireo legioma ahitana “antioxydant” matanjaka sy vitamina C ny “haricot vert”. Ireo singa hita ao anatiny ireo dia mampihena ny taha mety hisehoan’ny homiadan’ny nono, na tsinay be amin’ny olona iray, hoy ireo mpikaroka avy ao amin’ny oniversiten’i Deakin, Aostralia.

Mampihena…

Ho an’ireo te-hampihena vatana, fantaro fa 25 kalôria fotsiny no entin’ny “haricot vert” 100 grama. Ankoatra izay, mafimafy izy ka manosika ny vatana hiasa handevona hanina haingana. Azonao atao ihany koa anefa ny misotro ny ranony, saingy mba hampandaitra azy haingana dia aleo mifady sakafo be menaka, na be lafarinina :

·         Andrahoina ao anaty rano mangotraka mandritra ny 5 minitra ny “haricot vert” 1 tanana.

·         Potsehina ao anaty “mixer” avy eo.

·         Asiana rano 1 vera.

·         Asiana sira, na tongolo gasy.

·         1 vera isan’andro no sotroina.

Araka ny  nambaran’ireo mpikaroka dia “haricot vert” 1 tasy ihany dia ampy ahazoana ireo voka-tsoa maro ireo. Ny tena idealy dia izy mbola mikarepoka no hanina, izany hoe : tsy masaka loatra, asiana saosy vinegrety amin’ny voasarimakirana.

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo