Jejoo

Dans la même rubrique

Fikarakarana tarehy makiana, rehefa ririnina

02/07/2020

Mora fantatra ny hoditra makiana sy tsy ampy rano. Maina lava izay izy ary tsy mahazo aina firy, satria mora mangidihidy sy marefo, noho ny hatsiaka sy ny hafanana ; mifandrirotra ary tsapa ho mihenjakenjana. Mora tohina ny hoditra makiana, ka izay no tmahatonga azy hila fikoloana manokana. Inona avy ary ireo fihetsika tsara atao ho azy ireo ?

 Lire la suite...

Maska volo sy tarehy amboarina…tandremo ihany !

30/06/2020

Tian’ny vehivavy malagasy kokoa ny mampiasa maska vita ao an-trano, na ho an’ny tarehy izany, na ho an’ny volo.

 Lire la suite...

Fahadisoana 5 fadiana rehefa mampiasa hareza

29/06/2020

Be mpampiasa ny hareza rehefa hanala ny volo amin’ny vatana, noho izy ireny mora ampiasaina sy tsotra kely.

 Lire la suite...

“Maquillage” gasigasy, mifanaraka amin’ny asaramanitra…

25/06/2020

Miloko volon-tsôkôla ny ati-mason’ny ankamaroan’ny malagasy.

 Lire la suite...

Nahoana no ilaina ny « baume à lèvres » ?

24/06/2020

Rehefa mangatsiaka tahaka izao ny andro, no tena ampiasan’ny olona ny « baume à lèvres ».

 Lire la suite...

Tandremo, misy tsy mahazaka ny “gommage”

23/06/2020

Ny fahalalan'ny besinimaro ny « gommage » dia hoe manala « peau morte » na ireo hoditra maty mandoto sy mahaela ny fipoitran’ny hoditra vaovao.

 Lire la suite...

Ny hiarovana ny tanana tsy ho simban’ny hatsiaka

22/06/2020

Marefo ny hodi-tanana rehefa mangatsiaka tahaka izao ny andro. Tsy maintsy atao foana mantsy ny asa aman-draharaha, na eo aza ny fanala sy ny rivotra mangatsiaka. Tsy azo atao anefa ny mionona fotsiny amin’izany.

 Lire la suite...

Beauté

Ny tokony hatao isan’andro, rehefa manadio tarehy…

14/01/2020

Averimberina foana fa dingana iray tena lehibe amin’ny fikoloana endrika ny fanaovana « démaquillage » na ny fanadiovana tarehy indroa isan’andro.

 

 

 Tsy fanesorana ny haingo natao tamin’ny tarehy fotsiny mantsy no dikan’izy io, fa fanadiovana ny hodi-tava, na dia tsy nanao « maquillage » akory aza. Misy fitsipika 4 tokony arahina, mba ho lavorary ny fanatanterahana azy.

1-Ny akora ampiasaina

Raha toa ka matavy ny hoditra, dia ireo akora miendrika menaka ihany koa no tena tsara ampiasaina, satria ireny no mahavita mifaoka tsara ny menaka avoakan’ny hoditra. Raha toa ka makina ny hoditra, dia ireo miendrika “lait”, na “crème” no safidio, satria ireny no miaro ny hoditra tsy ho maina. Raha toa moa ka ara-dalàna ny hodi-tava, dia mety avokoa ny akora rehetra. Etsy an-daniny, isan’ny mandaitra, sady tsy manahirana, ny “lingettes démaquillantes”, izay sady azo entina mandehandeha ihany koa.

2-Ny fihetsika atao

Tsara tadidiana lalandava, fa taova marefo ny hoditra ka tsy tokony hosetrasetraina. Tsy kosehina mafy be, noho izany ny tarehy rehefa manao “démaquillage”, fa safoina moramora fotsiny. Inty misy fihetsika tsara ampiharina : hafanaina ao anaty felan-tanana izay akora “démaquillant” nosafidianao. Raha efa izay, dia ahosotra amin’ny tarehy, somary orina kely moramora. Aorian’izay, apetraka manarona ny tarehy ireo felan-tanana roa ary ingaina, toy ireny mitroka ny hodi-tava ireny ny tanana, mba hanaraka ny loto. Azo averina in-telo eo ho eo izay fihetsika somary mitroka izay. Ny ambin’ny loto sy “maquillage” mbola tavela kosa dia faohana moramora amin’ny vovon-dandihazo.

3-Ny fotoana hanaovana azy

Na nanao “maquillage” nandritra ny tontolo andro na tsia, dia tena tokony hatao fahazarana ny manao “démaquillage”, isa-kariva rehefa tonga ao an-trano. Io no isan’ny fomba fototra hahafahana mitazona ny hatsaran’ny hoditra, misoroka ny fipoiran’ny mony ary koa ny kentrona, izay maha-antitra aloha loatra.

4-Ny aorian’ny “démaquillage”

Rehefa afaky ny akora “démaquillant” ny haingon-tava sy ny loto dia tsy maintsy hamandinina ho fiarovana an’ilay hoditra. Iny menaka manamandina iny indray dia tokony hamaly ny hetahetan’ny hoditrao.  Raha amin’ny alina dia afaka manosotra « crème de nuit », na maska fitondra matory.

Ando

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo