Jejoo

Dans la même rubrique

Mpivady na mpifankatia mielanelan-taona be, tokony ho olana ve ?

17/02/2020

Hafahafa ny fijerin'ny olona ny mpifankatia na mpivady misy elanelan-taona be. Ary mety lasa izany aza no sakana ho an'ny mpifankatia sasany. Fa tena tokony ho olana tokoa ve anefa?

 Lire la suite...

Tsy miresaka amiko intsony izy, fa maninona?

10/02/2020

Fanontaniana matetika mipetraka amin’ny vehivavy manana olon-tiana ity ezahina ho valiana androany ity. Misy fotoana ny olon-tiana no mangina tsy handrenesam-baovao tampoka. Inona tokoa no anton’izany?

 Lire la suite...

Fomba roa hanalana ny hasarotam-piaro

03/02/2020

Misy akony ratsy ao anatin’ny fiarahana ny hasaroram-piaro diso tafahoatra. Manimba izy sady mampijaly.

 Lire la suite...

Nampirafy in-dray…mety mbola hamerina ve ?

27/01/2020

Fanontaniana tena manitikitika ny olona efa nampirafesina ity entina aminao androany ity. Misy tokoa ve ny olona nateraka hampirafy? Raha nampirafy indray mandeha ve dia mety tsy ho afaka amin'izany intsony?

 Lire la suite...

Mahatratra ny vady nampirafy, ny tsy tokony atao !

06/01/2020

Mampirafy ny olon-tianao, na ny vadinao. Rehefa tratranao izy, dia manazava, miangavy, mifona, mandamin-dresaka.

 Lire la suite...

Hadisoana telo tsy mahasambatra ny mpivady

30/12/2019

Amin’izao vanim-potoana izao indrindra no tsara hanaovana jery todika hanatsara ireo lesoka hita ao anatin’ny fiainan-tokantrano. Misy santionany telo matetika fanao ireto tokony hahitsy :

 Lire la suite...

Nampirafy izy, mbola azo itokisana ve?

16/12/2019

Marary ny ampirafesina. Ankoatra ny alahelo sy ny hatezerana dia tsy maintsy mipetraka koa ny fanontaniana ny amin'ny tokony atao.

 Lire la suite...

Love

Ny fomba fitiavana tena maha-sambatra…

13/01/2020

Maro ny vehivavy mahatsiaro mijaly ara-pitiavana. Anisan’ny mampijaly azy ireo indrindra ny tsy firarahiana sy ny hasarotam-piaro. Mety avy amin’ny fanavahana ireo fihetseham-po roa ireo koa anefa no ahafahana mitady vahaolana amin’izany.

 

 

 

Samihafa ny tanjona :

Samihafa tokoa ny hoe  : miraiki-po sy ny tena tia.

  • Rehefa tena tia dia izay mahasambatra ilay olon-tiana no tanjona.
  • Rehefa miraiki-po indray dia ilay olona hiraiketan’ny fo no iriana hahasambatra ny tena.

Samihafa ny fomba fifandraisana :

Samihafa tokoa ny fomba fifandraisana amin’ny olona tena tiana sy ny olona iraiketan’ny fo fotsiny:

  • Maivana kely, tsy misy romoromo ny fifandraisan’ny olona tena tia. Satria ny olona tena tiana iriana ho sambatra dia tsy ao an-tsaina ny haneritery azy hanao zavatra tsy avy amin’ny nahim-pony. Na saro-piaro amin’ny olon-tiany aza ny olona tena tia dia mahafehy izany ihany izy. Mazàna koa rehefa tena tia dia matoky ny olon-tiana ary mamela azy malalaka amin’ny aleha sy ny hatao. Ny tena mampiavaka ny olona tena tia dia izy manohana ilay olon-tiany amin’ny fotoan-tsarotra. Tsy mitady tombony na takalony, tsy miandry valim-pitia  ny olona tena tia fa izay ataony dia manana tanjona iray ihany dia ny hahatonga ilay olon-tiany ho sambatra. Tsy manao izay mampalahelo na mahatezitra ny olon-tiany koa ny olona tena tia. Ny olona tena tia  araka izany dia tsy mamikitra mafy fa mamela ny olon-tiany hivelatra ary hanana ny safidiny manokana, eny fa na dia tsy ao anatin’ny safidiny aza ianao, ny hany zava-dehibe dia ilay izy sambatra. Maivana sy tsy misy romoromo ny fomba fifandraisana rehefa tena tia.
  • Ny olona hiraiketan’ny fo dia arahina akaiky dia akaiky satria ahiana sao mandao noho izy niraiketan’ny fo izay. Maha saro-piaro fatratra izy. Rehefa tsy hita izy dia mampitantaina fatratra sao dia miaraka amin’olon-kafa any. Mandiso fanantenana izy rehefa tsy mahavita izay andrasana sy antenaina aminy. Karakaraina tsara izy ary omena teny mamy koa. Atao mifantoka tanteraka aminy ny fiainana manontolo saingy miandry azy hanao ezaka mihoatra na farafarahatsiny mba mitovy izay nomena azy koa. Miandry azy hanao ezaka mba hahasambatra toy ireo fahita ao anaty horonantsary. Mamikitra mafy ny olona hiraiketan’ny fony ny olona miraiki-po  satria matahotra mafy ny hijaly raha toa ka hilaozana. Ny olana anefa dia mety hanempotra ilay olona heveriny fa tiany izany. Matetika misy fifamaliana na fifandirana ao anatin’ity fomba fifandraisana ity. Matetika no miady dia miombona indray.

Fehiny :

Azonao dinihina ny fomba fifandraisanao amin’ny olon-tianao na ny vadinao. Ny antony mahatonga anao ho saro-piaro aminy, ny zavatra andrasanao aminy. Hahafantaranao izany hoe : tena tianao tokoa ve izy?

 

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo