Jejoo

Dans la même rubrique

Mino, nampihena tena dia maty!

21/02/2020

Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy ka fantatra fa mitsaika, dia tokony hitandrina amin’ny fanatanjahantena hataony. Renim-pianakaviana iray, 30 taona mahery mantsy, no nodimandry, rehefa nanao « fitness » be loatra, kanefa bevohoka.

 Lire la suite...

Lasa tsy mahazo fahafinaretana intsony aho rehefa manao firaisana ara-nofo amin’ny vadiko. Sao manana torohevitra azo omena ahy ianareo ?

20/02/2020

Raha toa ka tsy maharitra ela loatra io tsy fahazoana fahafinaretanha io ary tsy miverimberina matetika loatra, dia tsy tokony hampitahotra. Mety mandalo izany daholo mantsy ny olona rehetra rehefa rera-batana, rera-tsaina, tezitra, malahelo…

 Lire la suite...

Paty sinoa ..mahavoa an’ny “cancer” rà hono?

19/02/2020

Malaza be eran’ny aterineto, ny resaka aretin’ny rà sy ny homamiadan’ny rà. Maro ny fanontaniana mby ao an-tsain’ny olona,

 Lire la suite...

VEHIVAVY TSY HITA TAO AMBILOBE Novonoina dia noloarana ny zaza tao an-kibony

18/02/2020

Nitroatra ny vahoaka tao an-tampon-tananan’Ambilobe ny faran’ny herinandro teo taorian’ny vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra facebook mikasika ilay Renim-piakaviana iray bevohoka 7 volana tsy hita nanomboka ny 03 Febroary lasa teo.

 Lire la suite...

Ankizy nangalatra atody 1 Naboridan’ny olona !

17/02/2020

Ankizilahy 15 taona no tratra nangalatra teny Mahamasina ny sabotsy hariva lasa teo. Raha ny fantatra dia atody iray no nangalarin’ity zaza ity saingy rehefa nifanenjehana ka tratra izy dia naboridan’ireo olona nitàna azy ary nafatotr’izy ireo tamin’ny tady manify, teo amin’ny andrin-jiro iray.

 Lire la suite...

Mampirafy Miady lava Mifamono Saropiaro

14/02/2020

Mamaha ny olana i Dr Love Mampirafy ahy izy…Miady lava izahay ao an-trano….Vonoiny aho…Diso saropiaro izy ka tsy sambatra aho….

 Lire la suite...

Farafangana Reny teraka kambana 4

13/02/2020

Fahasoavana efatra sosona no azon’ny renim-pianakaviana iray, tao Farafangana. Teraka kambana efatra mantsy ity reny ity, tao amin’ny hopitaly CHRR Farafangana hatrany.

 Lire la suite...

Actualités

Mpivarotr’anana, mitaiza kely Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

09/01/2020

Renim-pianakaviana iray, manan-janaka kely mbola minono no nisy namono tao ambadiky ny toerana filalaovam-baolina amoron-dranomasina ao Analalava ny alin’ny alatsinainy 6 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 8ora alina.

 

 

 

Tamin’io fotoana nahitan’ny fokonolona azy io dia mbola nisy aina ilay renim-pianakaviana saingy efa tsy nahateny intsony. Nentin’ny mponina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ny tenany saingy tsy tana intsony ny ainy hoy ireo mpitsabo nandray an-tanana azy tao aorian’izay. Ireto farany izay nanao ny fizahana kosa no nilaza fa voavono tamin’ny fomba feno habibiana ity reny ity. Raha ny nambaran’izy ireo mantsy dia tombanana ho nokapohina mafy teo amin’ny hatoka sy ny lohany ity renim-pianakaviana ity. Nambaran’ireo mpitsabo ihany koa fa nisy ratra tao amin’ny fivaviany. Araka ny fantatra anefa dia mpivarotra anana no asan’ity renim-pianakaviana ity. Mbola mitaiza kely sy mampinono ihany koa izy raha ny fantatra. Efa nalevina any amin’ny fasan-drazany any amin’ny fokontanin’ Andronjana kaomina Ambolobozo distrikan'i Analalava moa ny razana. Tsy mbola fantatra mihitsy kosa izay nahavanona izao loza mahatsiravina tany amoron-dranomasin’Analalava izao raha ny tatitra avy ao an-toerana ihany ka manao antso avo amin’ny tompon’andraiki-pilaminana ireo mponina.

 

 

 

Ando

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo