Jejoo

Dans la même rubrique

Dite 3 sotroina amin’ny alina, manadio aty sady mampihena

18/02/2020

Mandritra ny torimaso no tena miasa ny taova manadio ny ao anaty ao. Mandritra izany koa no mihavao ny sela rehetra. Araka ny fomba fitsaboana tatsinanana dia taova tena manadio ny aty, ka eo anelanelan’ny amin’ny 1 sy amin’ny 3 maraina izy no tena miasa.

 Lire la suite...

Paika 5 ho an’ny sakafo ara-pahasalamana

14/02/2020

Amporisihina foana isika mba hahay handanjalanja ny sakafo hohanina. Mora am-pitenenana anefa izany, fa sarotra tanterahina ! Ity torohevitra manaraka ity àry no hanampy anao amin’izany.

 Lire la suite...

Lela may…tonio amin’ny siramamy sy yaourt

13/02/2020

Marary, manelingelina, mangirifiry ery rehefa sendra main’ny ronono velona vao nangotraka, na ny vary sosoa mbola midona-tsetroka ny lela.

 Lire la suite...

Voanatsindrana : manasitrana homamiadana

12/02/2020

Maro karazana ny fomba fiantso ny voanatsindrana : « pok pok », “cerise de terre”, « alkekenge » … Manana tsiro somary mamy marikivy izy, azo hanina amin’izao,

 Lire la suite...

Ranom-boankazo 3 manadio ny voa

11/02/2020

Miasa be ny voa satria izy no manadio ny rà amin’ny loto sy ny poizina azo avy amin’ny sakafo.

 Lire la suite...

Ny fomba fisakafo tena ara-pahasalamana

06/02/2020

Raha ny fanazavana nentin’ireo « nutritioniste

 Lire la suite...

Fanaviana : entina mandra-maty

05/02/2020

Indro kosa ny fanazavan’ny mpitsabo, izay nampanantenaina anao, tohin’ny fandaharana taiza vatana omaly, tao amin’ny « Top Radio », mahakasika ny fanaviana.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Tokony hanatona « gynécologue » na tsy marary aza!

09/01/2020

Ny « gynécologue » no atonina rehefa misy olana manokana mitranga eo amin’ny fahasalaman’ny vehivavy.

 Tafiditra ao anatin’izany ny olana eo amin’ny taovam-pananahana sy ny nono fa eo ihany koa ny fitondrana vohoka. Na salama mandavan-taona aza nefa ny vehivavy iray, ary tsy manana olana ara-pahasalamana, dia tokony hanokana fotoana ihany, hanatonana “génecologue”.

 

Rehefa miditra eo amin’ny fiainam-pananahana

Raha tsy nisy tranga na olana hafahafa niseho nandritra ny fotoana naha-adolatsento dia rehefa miditra ao anatin’ny fiainam-pananahana sy ny firaisana ara-nofo no tokony hizaha dokotera “gynécologue” voalohany. Anton’izany ny hahafantarana ny zava-mitranga mandritra io firaisana ara-nofo io, ny tsingerim-bolana, ny mety ho antony tsy hampandeha ny fadimbolana na tsy bevohoka aza ary ny fanabeazana aizana mifandraika amin’ny toe-batana, raha tapa-kevitra ny hanao izany.  

Isan-taona

Tsara ihany koa raha mizaha fahasalamana isan-taona any amin’ny “gynécologue” ny vehivavy na salama aza. Tokony ho jerena mantsy ny fahasalaman’ny tranon-jaza, ny vozon’ny tranon-jaza, ny fivaviana, ny nono … . Tokony hanao fitiliana amin’ny alalan’ny “frottis vaginale” ihany koa, hanamarinana sao sanatria mitondra ilay viriosy mahatonga ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza antsoina hoe :  “papillomavirus” ilay vehivavy.

Mialohan’ny hametraka zaza

Fihetsika tokony hataon’ny vehivavy rehetra, mialohan’ny hametrahana zaza, ny mizaha ny fahasalaman’ny tranon-jaza. Omanina mialoha mantsy io taova io mba hipetraka tsara ny zaza ka hahalavorary ny vohoka. Tohizana foana ny fizahana eny amin’ny “gynécologue” mandritra ny fitondrana vohoka iray manontolo.

Mialoha sy aorian’ny fitsaharam-pitsaihana

Mialohan’ny fidirana ao anatin’ny fitsaharam-pitsaihana sy aorian’ny fitsaharam-pitsaihana, izany hoe :  any amin’ny faha-55 taona any, dia tokony hizaha fahasalamana ihany koa ny vehivavy. Amin’io fotoana io no hanaovana ny fitiliana isan-karazany, sao misy soritra homamiadana amin’ny nono, ny tranon-jaza, ny vozon’ny tanon-jaza, ny atodin’aina sns.

Nelly-Bri

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo