Jejoo

Dans la même rubrique

Tsy manao « maquillage » nefa manja be…ny tsiambaratelo

01/10/2020

Maro ny vehivavy te hitazona mandrakariva ny hatsaran’endrika, ary tsy te hiankin-doha amin’ny karazana haingon-tava, mba hanehoana ny hatsarana.

 Lire la suite...

Karazana vahaolana ho an’ny hoho simba…

30/09/2020

Manaratsy endrika ny tanana ny hoho rehefa tsy voakarakara. Betsaka ireo karazana fahasimbana mety hahazo ny hoho. Fa misy koa ireo vahaolana mety ho an’ny olana tsirairay…

 Lire la suite...

Maquillage natoraly, manatanoraendrika…

29/09/2020

Amin’izaovaninandroiainantsikaizao dia efamanananykarazanyny « maquillage » Na tsy dia hamonjyfotoanalehibeazaizany dia azoataofoananymanao « maquillage » kelymbahamelombelonanytarehy.

 Lire la suite...

Ny « fond de teint » tena mety amin’ny tarehinao…

28/09/2020

Anio dia ny fomba fisafidianana ny karazana « fond de teint » tena mety aminao no atoronay eto amin’ny Jejoo.

 Lire la suite...

Hoditra malandina, mazava, tsy misy kianina … ahoana no atao ?

22/09/2020

Isan’ny vehivavy malaza ho tsara hoditra eran-tany ry zareo japoney. Amin’ny ankapobeny dia malandina ny hoditr’izy ireo,

 Lire la suite...

Rahoviana no tokony hampiasa « crème de nuit »?

15/09/2020

Tsy mahazatra ny vehivavy malagasy loatra ny mampiasa akora mikolo hodi-tava fanosotra amin’ny alina.

 Lire la suite...

Zavoka :Manadionytarehy be mony

14/09/2020

Fotoam-pahavokaran’nyzavokaizao.Araraotynyvokatsoaentin’ityvoankazoityamin’nysokajin-koditra be menaka, mbahahafahanymanadio, mitsabotsikelikely,

 Lire la suite...

Beauté

Fahazarana 4 maha-tsara tarehy lalandava

09/01/2020

Raha miandoha tahaka izao ny taona no mazoto sy tia mikolo endrika amam-bika, dia azo antoka fa hahavatra hanao izany foana mandavan-taona, rehefa nahita ny tombontsoa azo.

Fombafomba sy torohay mila hizarana ireto, mba hitazonana ny hamanjana mandavan-taona 

Amandinina ny hoditra

Mila atao ampy rano ny vatana, mba hahazo tombony ny hoditra tazana ety ivelany sy ao anatiny. Mitaiza hoditra tsy hiroraka vetivety ny fahampian-drano. Diovina isa-maraina koa ny hoditra ary hosorana menaka manamandina sy miaro amin’ny masandro avy eo. Amin’ny alina kosa dia asiana « crème anti-âge », raha manana fahafahana, ary tonga dia matory avy eo. Raha voahaja izany dia hazava loko sady ho mandina sy malefaka  mandavan-taona ny hoditra. Dieny tanora, ao anatin’ny hatsarana, no mikolo ny hoditra, mba tsy ho sahirana rehefa lehibe. 25 taona na 30 taona dia atomboka izany.

Akora tsara sy manara-penitra no ampiasaina

Rehefa hikolo vatana amin’ny akora manokana, dia aleo tsy mampiasa ireo tsy azo antoka, sao vao mainka hanimba. Ireto ny akora tsara ananana ao an-trano, na eo aza ny akora natoraly : « crème solaire » ; « crème hydratant » ; « baume » manalefaka ny molotra, ary « démaquillant ». Ireo no fototra, fa manaraka azy avy eo, arakaraky ny safidy, ny manjamaso, ny « crayon », ny « mascara »... Tsy misaraka any anaty pôketra kosa ny lokomena iray, ankoatra ireo mipetraka ao an-trano.

Ho an’ny volo  

Ampy hikoloana volo ny “shampooing” sy “après-shampooing”, raha toa ka tsy te hiasa saina loatra amin’ireny akora ho an’ny volo ireny. Misy karazana akora fanasana loha tsy mitaky fampiasana menaka, saingy arakaraky ny toetoetran’ilay volo koa izany.  Raha miloko ny volo, dia kendrena hifanaraka amin’izany ny akora fampiasa.

Manana toe-tsaina manaja vatana

Zava-dehibe eo amin’ny hatsarana ny toe-tsaina. Mila tsaroana foana fa fitaovana enti-mikolo ny vatana ihany ireo akora fampiasa, fa tsy izy ireo akory no fiondanana. Mahafinaritra foana ny mahita olona mihaingo sy tsara endrika, na dia tsy asongadiny aza izany. Mila foanana koa ny toe-tsaina matahotra fahanterana, satria tsy maintsy ho avy izany fotoana izany. Mila matoky tena isaky ny taona diavina, mifaly amin’ny zava-misy ary miezaka mitafy sy manaingo ny vatana amin’ny zavatra tsara. Izany hafaliana anaty izany dia miteraka hatsarana tazana ety ivelany !

Ando



 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo