Jejoo

Dans la même rubrique

Dite 3 sotroina amin’ny alina, manadio aty sady mampihena

18/02/2020

Mandritra ny torimaso no tena miasa ny taova manadio ny ao anaty ao. Mandritra izany koa no mihavao ny sela rehetra. Araka ny fomba fitsaboana tatsinanana dia taova tena manadio ny aty, ka eo anelanelan’ny amin’ny 1 sy amin’ny 3 maraina izy no tena miasa.

 Lire la suite...

Paika 5 ho an’ny sakafo ara-pahasalamana

14/02/2020

Amporisihina foana isika mba hahay handanjalanja ny sakafo hohanina. Mora am-pitenenana anefa izany, fa sarotra tanterahina ! Ity torohevitra manaraka ity àry no hanampy anao amin’izany.

 Lire la suite...

Lela may…tonio amin’ny siramamy sy yaourt

13/02/2020

Marary, manelingelina, mangirifiry ery rehefa sendra main’ny ronono velona vao nangotraka, na ny vary sosoa mbola midona-tsetroka ny lela.

 Lire la suite...

Voanatsindrana : manasitrana homamiadana

12/02/2020

Maro karazana ny fomba fiantso ny voanatsindrana : « pok pok », “cerise de terre”, « alkekenge » … Manana tsiro somary mamy marikivy izy, azo hanina amin’izao,

 Lire la suite...

Ranom-boankazo 3 manadio ny voa

11/02/2020

Miasa be ny voa satria izy no manadio ny rà amin’ny loto sy ny poizina azo avy amin’ny sakafo.

 Lire la suite...

Ny fomba fisakafo tena ara-pahasalamana

06/02/2020

Raha ny fanazavana nentin’ireo « nutritioniste

 Lire la suite...

Fanaviana : entina mandra-maty

05/02/2020

Indro kosa ny fanazavan’ny mpitsabo, izay nampanantenaina anao, tohin’ny fandaharana taiza vatana omaly, tao amin’ny « Top Radio », mahakasika ny fanaviana.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Bolety ovy sy nofon-trondro : Be otrikaina ho an’ny zaza

08/01/2020

Isan’ny fototra iray hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mpahazo ny ankizy ny fanomezana azy sakafo feno otrikaina.

 

 Araka ny nambaran’ny ONN, na ny Ofisim-pirenena momba ny sakafo eto Madagasikara, dia tokony ho  sakafo maro loko no hanin’ny zaza, hahatonga lafatra ny fitomboany.

Sakafo maroloko

Isan’ireo fototra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fanomezana sakafo maro loko ny zaza. Voasokajy ao  anatin’ilay loko miisa 7 tokony hanina ao anatin’ny 1 andro izany : ny manga dia ireo ahitana ronono na vokatra azo avy amin’ny ronono ; maitso tanora indray dia ireo foto-tsakafo mahasolo ny vary ; ny mena dia ireo sakafo azo avy amin’ny biby toy ny atody, hena, trondro ; ny maitso indray dia ireo legioma isan-karazany ;  ny volom-boasary kosa dia ireo voankazo ; ny mavo sy ny volon-davenona dia ny sira sy  ny menaka. Ohatra sakafo iray azo hanin’ny zaza anatin’ny iray andro :

Bolety ovy sy nofo trondro (ho ana zaza miisa 10, eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 23 volana)

Akora ilaina :

·         Ovy 2 kilao

·         Tongolo be singany 5

·         Tongolo maitso 1 fehezana

·         Atody 5

·         Menaka ¼

·         Nofon-trondro

·         Sira

Fikarakarana :

Sasana madio tsara ny ovy vao voasana. Rehefa voadio tsara dia hamainina amin’ny lamba madio. Kikisana amin’ny rapy avy eo ary asiana sira. Voasana ny tongolo be sy tongolo maitso ary tetehina madinika. Afanaina anatina lapoaly ny menaka ary endakendasina ao ireo tongolo efa voatetika. Esorina rehefa hita fa masaka. Endasina amin’io menaka io ihany ny ovy mandrapahamasaka azy. Arotsaka avy eo ny tongolo. Rarahana atody voakapoka. Tetehina araka izay tiana ary aroso mafana.

N.B : Azo atao ody ambavafo ihany koa ity nahandro ity, ho an’ny ankizy.

Isaorana ny ONN nanolotra an’ity nahandro ity.

Nangonin’i Nelly-Bri

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo