Jejoo

Dans la même rubrique

Mampiakatra nono miroraka amin’ny elastique

18/02/2020

Azo atao ny mampiakatra ny nono miroraka fa mila finiavana sy faharetana kosa. Ireto fampihetseham-batana ireto no atao :

 Lire la suite...

Manamafy sady mandrafitra ny fe ao an-trano

11/02/2020

Hikolo sy hanamafy ny fe indray isika anio. Tsy mila fitaovana fa ny lanjan’ny vatana na ny “poids du corps” no ampiasaina amin’ity indray mitoraka ity.

 Lire la suite...

Vehivavy bevohoka, afaka mikolo vatana koa

04/02/2020

Mahazo manao fampihetseham-batana ny vehivavy mitondra vohoka. Ireto fampihetseham-batana atoro anao ireto dia azo atao manomboka eo amin’ny faha 6 volan’ny kibo.

 Lire la suite...

Mikolo ny fitombenana sy ny kibo miaraka

28/01/2020

Ndao indray hikolo ny fitombenana sy ny kibo, amin’ny fomba hafa. Mba hampandaitra tsara ny fampihetseham-batana atao amin’ny vatana dia tsara ovaovaina matetika ny karazana fampihetseham-batana atao.

 Lire la suite...

Mampiasa “baton”, hanafisahana kibo

21/01/2020

Tsy voatery atao mitsilany ny fanalana ny kibo. Azo atao tsara ny manala izany amin’ny fampihetseham-batana atao mitsangana ka ampiasana “baton” izany amin’ity indray mitoraka ity

 Lire la suite...

Manala tavy ao an-damosina sy ny foto-tsandry

14/01/2020

Rehefa handrafitra ny vatana dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny fikoloana ny tapany ambony amin’ny vatana indrindra ny ao an-damosina sy ny eo amin’ny foto-tsandry.

 Lire la suite...

Mandrafitra ny fitombenana ho boribory tsara

24/12/2019

Na dia vanim-potoana fety aza izao dia aza adinoina ny mampihetsi-batana. Sady mandrafitra ny bika rahateo izy ireo no handany kaloria koa.

 Lire la suite...

Forme

Manintsana tavy amin’ny alalan’ny fanaovana cardio

07/01/2020

Mba hanintsanana ny lanja azo tamin’ireny fety nisesisesy ireny sy hisorohana ny fitomboan-danja amin’ireo fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taom-baovao mbola ho avy dia azonao atao tsara ireto fampihetseham-batana ireto satria manintsana ny tavy izy ireo raha atao matetika.

 

 

 

 

Fampihetseham-batana voalohany :

Ampiasana “elastique” ity fampihetseham-batana voalohany ity no tena mandaitra tsara. Ao ambany lohalika ilay “élastique” no apetraka. Mitazona “haltère” na tavohangin-drano kely iray isaky ny tanana.  Aforitra ny lohalika toy ny manao “flexion” dia ampifandimbiasina akipily mankany aoriana ny tongotra haviana sy ny tongotra havanana. Mitsambikina hatrany mandritra izany. Averina in-20 izay fihetsika izay dia manao andiany 3 amin’izany.

Fampihetseham-batana faharoa 

Mila ankalana na zavatra avoavo eto. Atao eo anoloana izany. Atao eo ambonin’ilay ankalana ny tongotra havia dia takarina amin’ny tanana havanana izany. Sady mitsambikina no ampifamadihana ny tongotra sy ny tanana .Averina in-droa izany. Manao andiany telo hatrany.

Fampihetseham-batana fahatelo

Sady aforitra ny lohalika no mitsambikina dia alefa mifandimby manoloana ny tongotra havia sy havanana. Alefa somary lavidavitra ilay tongotra alefa manoloana. Atao mahavita in-30, ka ny tongotra havia sy havanana nitsambikina manoloana no isa 1.

 

Torohevitra fanampiny :

Rehefa mihazatra dia ampitomboy ny isan’ny famerenana atao amin’izay hahita vokatra haingana kokoa.

Mahatsemboka be ireto fampihetseham-batana ireto ka ilaina ny misotro rano betsaka hamerenana ny rano verin’ny vatana.

 

Isaorana ny coach Josy ao amin’ny Art Sport Fitness Andrefan’Ambohijanahary nanolotra ny fampihetseham-batana anio.  Fifandraisana : 0340399035                                                                                                

Lilou

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo