Jejoo

Dans la même rubrique

Mpivady na mpifankatia mielanelan-taona be, tokony ho olana ve ?

17/02/2020

Hafahafa ny fijerin'ny olona ny mpifankatia na mpivady misy elanelan-taona be. Ary mety lasa izany aza no sakana ho an'ny mpifankatia sasany. Fa tena tokony ho olana tokoa ve anefa?

 Lire la suite...

Tsy miresaka amiko intsony izy, fa maninona?

10/02/2020

Fanontaniana matetika mipetraka amin’ny vehivavy manana olon-tiana ity ezahina ho valiana androany ity. Misy fotoana ny olon-tiana no mangina tsy handrenesam-baovao tampoka. Inona tokoa no anton’izany?

 Lire la suite...

Fomba roa hanalana ny hasarotam-piaro

03/02/2020

Misy akony ratsy ao anatin’ny fiarahana ny hasaroram-piaro diso tafahoatra. Manimba izy sady mampijaly.

 Lire la suite...

Nampirafy in-dray…mety mbola hamerina ve ?

27/01/2020

Fanontaniana tena manitikitika ny olona efa nampirafesina ity entina aminao androany ity. Misy tokoa ve ny olona nateraka hampirafy? Raha nampirafy indray mandeha ve dia mety tsy ho afaka amin'izany intsony?

 Lire la suite...

Ny fomba fitiavana tena maha-sambatra…

13/01/2020

Maro ny vehivavy mahatsiaro mijaly ara-pitiavana. Anisan’ny mampijaly azy ireo indrindra ny tsy firarahiana sy ny hasarotam-piaro. Mety avy amin’ny fanavahana ireo fihetseham-po roa ireo koa anefa no ahafahana mitady vahaolana amin’izany.

 Lire la suite...

Hadisoana telo tsy mahasambatra ny mpivady

30/12/2019

Amin’izao vanim-potoana izao indrindra no tsara hanaovana jery todika hanatsara ireo lesoka hita ao anatin’ny fiainan-tokantrano. Misy santionany telo matetika fanao ireto tokony hahitsy :

 Lire la suite...

Nampirafy izy, mbola azo itokisana ve?

16/12/2019

Marary ny ampirafesina. Ankoatra ny alahelo sy ny hatezerana dia tsy maintsy mipetraka koa ny fanontaniana ny amin'ny tokony atao.

 Lire la suite...

Love

Mahatratra ny vady nampirafy, ny tsy tokony atao !

06/01/2020

Mampirafy ny olon-tianao, na ny vadinao. Rehefa tratranao izy, dia manazava, miangavy, mifona, mandamin-dresaka.

 

 

Manontany tena ianao hoe : inona ary no atao ? Hamela heloka ve , hanome fotoana hieritreretana ve sa tena ampy izay ka aleo misaraka.

Aza mora manapakevitra

Sarotra eken’ny saina ilay hoe voafitaka ho an’ny vehivavy. Miady ny saina, marary ny fo mitady valiteny amin’ny zava-mitranga ; ao anatin’ny fahatezerana ve no hamela ilay lehilahy nanao ny tsy mety. Mety mangoraka sy manaiky ihany anefa ilay vehivavy rehefa mandangolango amin’ny teny feno toky sy tambitamby ilay lehilahy, tahaka ireny zaza nanao ny tsy nety ireny dia mipitrapitra mampalahelo. Mila fitandremana be anefa fa misy ny lehilahy fetsy sady be paikady. Ary manirikiry ny mieritreritra fa toa mahita hevitra foana izy hampisehoana fa « lehilahy milamina » sy tsy misy misy tomika…Tsy voatery hoe hisaraka avy hatrany saingy teneno mazava aminy fa aleo samy maka saina volana vitsivitsy aloha ianareo roa handinihana ny mety ho tohiny sy ahitana izay ezaka ho ataony hanehoana fa tsy hamerina intsony.

Aza mihaino havana na namana

Rariny tokoa amin'ny fotoan-tsarotra tahaka izao raha miandrandra ny fanohan'ny fianakaviana sy ny namana akaiky. Mila lanjalanjaina ihany anefa ny zavatra zaraina amin'izy ireo. Mety havesatra ho anao ny fomba fitsaran'izy ireo ny zava-misy satria mety hiendrika fanakianana na latsa. Mety hanova ny fomba fijerinao koa izany kanefa ianao irery no mahalala ny zava-nitranga rehetra tany aloha fa fijery ivelambelany ihany ny azy ireo. Mety hitranga koa ny hoe mety mitanila ny fitsaran'izy ireo ny raharaha ka na misy anjara andraikitrao ihany aza ohatra ny nahatonga ilay olana dia ilay vadinao foana ihany no ho hany diso. Tsy hitondra vahaolana izany fa vao maika aza hanitatra ny olana. Tadidio koa fa raha toa ka miravona ny disadisa eo aminareo dia ho sarotra ho an'ireo havanao sy namanao kosa ny hamela azy noho ireo zavatra rehetra nolazainao azy ireo momba azy. Ny mety indrindra dia ny maka saina samirery tokoa mandinika ny zava-misy. Tsy tsara loatra ny mamoaka ny olan-tokatrano amin'ny havana sy ny namana. Hary

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo