Jejoo

Dans la même rubrique

Mandrindra ny asa ao an-trano sy ny fitaizana

29/09/2020

Iray amin’ireo fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana manoloana ny fihanaky ny valan’aretina COVID-19 ny fijanonana ao an-trano.

 Lire la suite...

Manampy ny ankizy ho tia sakafo

22/09/2020

Matetika tsy resaka sakafo loatra no mahatonga ny ankizy tsy hazoto homana fa ny fomba fampisakafoanana azy. Hianaro ato anatin’ity lahatsoratra ity ny tokony hatao.

 Lire la suite...

TV, tablette…adin’ny firy isan’andro ho an’ny ankizy?

15/09/2020

Mahavariana sy mahaliana ny ankizy ny “ecrans”. Tsy tsara anefa izany indrindra ho an’ny latsaky ny 3 taona noho ireo voka-dratsy maro entiny.

 Lire la suite...

Zaza hidiran’ny rivotra ...Ireo tsara ho fantatra rehetra

08/09/2020

Diso ny fiheverana fa ny akanjo hanaovana, na ny toetry ny andro no mety mahatonga ny zaza hidiran'ny rivotra.

 Lire la suite...

Vaky boky : Lafatra ho an'ny ankizy

01/09/2020

Vavahady iray mampitombo ny fahalalahan'ny ankizy vetivety, indrindra amin’izao fotoana tsy ahafahany mianatra izao ny famakiana boky.

 Lire la suite...

Manampy ny zaza harani-tsaina

25/08/2020

Singa iray lehibe kendrena amin’ny fanabeazana ny zaza ny fampivelarana azy amin’ny lafiny ara-tsaina. Rehefa mianatra ny zaza dia tiantsika ray aman-dreny ny hahatonga azy ho zaza mahay, mahataka-javatra, marani-tsaina.

 Lire la suite...

Gilasy amin'ny rononon-dreny ... mampitony ny nify mitsiry

18/08/2020

Isan’ny mahasorena ny zaza ny fotoana hitsirian’ny nifiny. Na ny Ray aman-dreny ary misy fotoana lasa miferon'aina, mitebiteby ihany koa. Manomboka eo amin’ny faha-enim-bolana hatramin’ny faha-folo volany eo ho eo matetika no mifoha nify voalohany ny zaza.

 Lire la suite...

Maman

Fetin’ny noely : Ireo fialam-boly azo hatao miaraka amin’ny ankizy

24/12/2019

Hankalaza ny fetin’ny Noely isika rahampitso. Ankoatra ny fandehanana mamonjy fiangonana dia fotoana iray mampiavaka ny fety ny fiarahana amin’ny zanaka na ny fianakaviana ao an-trano,

 

 

  ny fiarahana misakafo, ny fifanolorana fanomezana, ny fiarahana amin’ny ankapobeny. Raha mbola tsy afaka manao ireny “arbre de noel” any am-piangonana ny ankizy dia lalao afaka ataony tsara ao an-trano ireto entina amintsika ireto.

Mijery horontsary miaraka

Atombohy amin’ny fijerevana horonantsary iray manodidina ny Noely miaraka amin’ny ankizy ny tontolo andro iarahana. Tsara raha ilay vao avy mifoha amin’ny maraina mbola tsy miala eo am-pandriana iny no mijery azy raha ohatra ka nikasa ny tsy hamonjy fiangonana ny ao an-trano.

“Chasse aux étoiles”

Afaka atao tsara ihany koa ny mampilalao azy. Raha ity lalao iray ity izao dia maka ireo kitana fanaovana haingon’ny hazo noely ireny ny lehibe ary afenina manerana ny trano na ao anatiny io na any ivelany. Ny ankizy amin’izay avy eo no asaina mitady ilay kintana ary asaina ataony anaty harona kely ilay izy. Mba hampazoto ny ankizy dia asio fanomezana kely atolotra ho an’izay mahita betsaka ohatra.

Manamboatra mofomamy tsotra

Manana fotoana betsaka ijanonana ao an-trano ny ankizy rehefa fotoanan’ny noely. Afaka atao tsara  arak’izany raha ho an’ny zaza efa afaka manao raharaha kely ny miaraka mikarakara mofomamy  tso-tsotra ataon’izy ireo gouté. Ohatra hoe “pain d’épice”, na “sucettes” amin’ny chocolat,…

Mandeha mijery dadabe noely

Raha tsy afaka manao dadabe noely i dada dia manokana fotoana kely ary mamonjy ireny toeram-pilalaovana miavaka kely ireny miaraka amin’ny ankizy. Amin’ireny matetika dia misy dadabe noely foana  ary misy kilalao maro izay afaka hilalaovan’ny ankizy.

Mivoaka kely

Raha tsy mbola milamina sy mitombona tsara izay hatao amin’ny noely dia azo atao koa ny manao programa kely mitondra ny ankizy mivoaka kely miala ao an-trano. Mitondra sakafo, entina izay kilalao vao azony,… 

Lalaina Rav

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo