Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no an-tsain’ny lehilahy rehefa miray ara-nofo ?

18/02/2020

Araka ity fanadihadiana ity, ny antsasa-manilan’ny lehilahy no tsy mahafantatra akory izay ao an-tsainy mandritra ny fotoana mamy hifampizaràny amin’ny olon-tiany.

 Lire la suite...

« Sextoys » : Be mankafy ny vehivavy gasy

14/02/2020

Na dia tsy resahana mivantana aza, vao mijery ny ao anatin’ny tambajotran-tserasera fotsiny dia isan’ny mandeha be ny fivarotana ireny « sextoys » ireny.

 Lire la suite...

Hevitra 4 mampatsiro ny alin’ny Saint Valentin

11/02/2020

Tsy amin’ny fetin’ny mpifankatia ihany no tokony hitady fomba entina manisy tsiro vaovao ny firaisana ara-nofo, fa isan’andro mihitsy, mba tsy hankaleo.

 Lire la suite...

Ireo “position” sy ny tsirony avy

04/02/2020

Maro karazana ireo paozy azo atao mandritra ny firaisana ara-nofo. Samy manana ny mampiavaka azy sy ny mampatsiro azy avy izy ireny. Santionany ireto entina aminao ireto.

 Lire la suite...

Mety halaina hiray koa ny lehilahy

28/01/2020

Heverina mazàna fa mibahana loatra ao anatin’ny lehilahy ny fitiavana te hiray ara-nofo. Misy anefa ireo anton-javatra mety hahatonga azy tsy hazoto hiray. Isan’isan’izany ireto.

 Lire la suite...

Manafosafo tena : Mahasalama!

21/01/2020

Tsy ireo manana olon-tiana ihany no natao hianoka fahafinaretana ara-nofo. Ireo nisaraka tamin’ny olon-tiany,

 Lire la suite...

Molokely : Ireo tsara ho fantatra mahakasika azy

14/01/2020

Taova tsy tena manaitra firy, ny lehilahy na ny vehivavy ny molokely amin’ny fivaviana. Isan’ireo faritra azo ambara ho itoeran’ny filangolangoan’ny vehivavy anefa io faritra io,

 Lire la suite...

Sexo

Miray ara-nofo mandritra ny “regles”

03/12/2019

Tsy misy mihitsy ny fandrarana ara-medikaly, raha hiray ara-nofo mandritra ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolana.

 

 

Fotoana saro-pady anefa io, satria manamora ny fifindran’ny aretina, raha misy izany ilay olona iarahana. Ireto àry ny fepetra tsara raisina, raha hanao izany.

 

Mahasalama ny fo

 

Maro ireo manam-pahaizana momba ny fananahana no nilaza fa manatsara ny fahasalaman’ny fo ny firaisana ara-nofo mandritra ny fadimbolana, satria mampitombo ny fitempony ary mampientanentana kokoa. Ireto misy torohevitra mety hanampy hahalafatra io fifampizaràna io:

 

·         Mba tsy handotoana ny fandriana dia asio lamba matroka miloko atao lafika. Amin’izay, tsy mihafihafy sady tsy matahotra ny hanasy ny lamba.

·         Mampijanona ny rà ao anatin’ny tranon-jaza ny rano. Noho izany, tsara raha ao anaty efitrano fandroana, na ao anaty dobo filomanosana no miray.

·         Tsy voatery hisy fifampitsofohan’ny taovam-pananahana. Azo atao tsara ny manararaotra savarononando.

·         Mampiasà kapaoty raha misy fifampitsofohan’ny taovam-pananahana, satria mety ho bevohoka, raha fohy ny tsingerim-bolan’ilay vehivavy no sady hiarovana amin’ny areti-mifindra.

·         Aza adinoina mihitsy ny misasa mialoha sy aorian’ny firaisana ara-nofo. Soloy avy hatrany ny servieta ampiasaina rehefa vita ny natao. Ary raha misy rà mandeha, mandritra ny firaisana, dia fafao moramora amin’ny “lingette intime”.

 

Tiasoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo