Jejoo

Dans la même rubrique

Mampiakatra nono miroraka amin’ny elastique

18/02/2020

Azo atao ny mampiakatra ny nono miroraka fa mila finiavana sy faharetana kosa. Ireto fampihetseham-batana ireto no atao :

 Lire la suite...

Manamafy sady mandrafitra ny fe ao an-trano

11/02/2020

Hikolo sy hanamafy ny fe indray isika anio. Tsy mila fitaovana fa ny lanjan’ny vatana na ny “poids du corps” no ampiasaina amin’ity indray mitoraka ity.

 Lire la suite...

Vehivavy bevohoka, afaka mikolo vatana koa

04/02/2020

Mahazo manao fampihetseham-batana ny vehivavy mitondra vohoka. Ireto fampihetseham-batana atoro anao ireto dia azo atao manomboka eo amin’ny faha 6 volan’ny kibo.

 Lire la suite...

Mikolo ny fitombenana sy ny kibo miaraka

28/01/2020

Ndao indray hikolo ny fitombenana sy ny kibo, amin’ny fomba hafa. Mba hampandaitra tsara ny fampihetseham-batana atao amin’ny vatana dia tsara ovaovaina matetika ny karazana fampihetseham-batana atao.

 Lire la suite...

Mampiasa “baton”, hanafisahana kibo

21/01/2020

Tsy voatery atao mitsilany ny fanalana ny kibo. Azo atao tsara ny manala izany amin’ny fampihetseham-batana atao mitsangana ka ampiasana “baton” izany amin’ity indray mitoraka ity

 Lire la suite...

Manala tavy ao an-damosina sy ny foto-tsandry

14/01/2020

Rehefa handrafitra ny vatana dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny fikoloana ny tapany ambony amin’ny vatana indrindra ny ao an-damosina sy ny eo amin’ny foto-tsandry.

 Lire la suite...

Manintsana tavy amin’ny alalan’ny fanaovana cardio

07/01/2020

Mba hanintsanana ny lanja azo tamin’ireny fety nisesisesy ireny sy hisorohana ny fitomboan-danja amin’ireo fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taom-baovao mbola ho avy dia azonao atao tsara ireto fampihetseham-batana ireto satria manintsana ny tavy izy ireo raha atao matetika.

 Lire la suite...

Forme

Manamafy sy mampifintina ny hoza-tsandry

03/12/2019

Ilaina ny mikolo ny hoza-tsandry mba tsy hiroraka izany sy hifintimpitina tsara. Hanampy anao amin’izany ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 

 

 

 

Fampihetseham-batana voalohany 

Mipetraka eo ambony seza. Tsara indrindra raha misabaka toy izao ny tongotra amin’izay mifandanja tsara ny lanjan’ny vatana. Mitazona “haltères” na tavohangin-drano amin’ny tanana roa eo ambonin’ny loha. Ampidinina mankany amin’ny lamosina ilay haltères ka tsy hahetsika mihitsy ny sandry fa ny “avant-bras” ihany no miakatra sy midina. Averina in-20 izay fihetsika izay. Manao andiany 3

 

Fampihetseham-batana faharoa 

Ity faharoa ity dia azo atao eo amin’ny sisim-pandriana na sisin-tseza. Mipetraka amin’ny moron’ilay fanaka mihitsy dia mitehina eo amin’ilay fanaka ny tanana roa. Alatsaka ny fitombenana sady aforitra ny lohalika. Atao miara-milatsaka amin’ny vatana ny tanana dia ny tanana no ianteherana  hampiakarana ny vatana. Izay fihetsika izay no averina in-20. Manao andiany 3 hatrany.

 

Fampihetseham-batana fahatelo (sary 5)

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo