Jejoo

Dans la même rubrique

Mpivady na mpifankatia mielanelan-taona be, tokony ho olana ve ?

17/02/2020

Hafahafa ny fijerin'ny olona ny mpifankatia na mpivady misy elanelan-taona be. Ary mety lasa izany aza no sakana ho an'ny mpifankatia sasany. Fa tena tokony ho olana tokoa ve anefa?

 Lire la suite...

Tsy miresaka amiko intsony izy, fa maninona?

10/02/2020

Fanontaniana matetika mipetraka amin’ny vehivavy manana olon-tiana ity ezahina ho valiana androany ity. Misy fotoana ny olon-tiana no mangina tsy handrenesam-baovao tampoka. Inona tokoa no anton’izany?

 Lire la suite...

Fomba roa hanalana ny hasarotam-piaro

03/02/2020

Misy akony ratsy ao anatin’ny fiarahana ny hasaroram-piaro diso tafahoatra. Manimba izy sady mampijaly.

 Lire la suite...

Nampirafy in-dray…mety mbola hamerina ve ?

27/01/2020

Fanontaniana tena manitikitika ny olona efa nampirafesina ity entina aminao androany ity. Misy tokoa ve ny olona nateraka hampirafy? Raha nampirafy indray mandeha ve dia mety tsy ho afaka amin'izany intsony?

 Lire la suite...

Ny fomba fitiavana tena maha-sambatra…

13/01/2020

Maro ny vehivavy mahatsiaro mijaly ara-pitiavana. Anisan’ny mampijaly azy ireo indrindra ny tsy firarahiana sy ny hasarotam-piaro. Mety avy amin’ny fanavahana ireo fihetseham-po roa ireo koa anefa no ahafahana mitady vahaolana amin’izany.

 Lire la suite...

Mahatratra ny vady nampirafy, ny tsy tokony atao !

06/01/2020

Mampirafy ny olon-tianao, na ny vadinao. Rehefa tratranao izy, dia manazava, miangavy, mifona, mandamin-dresaka.

 Lire la suite...

Hadisoana telo tsy mahasambatra ny mpivady

30/12/2019

Amin’izao vanim-potoana izao indrindra no tsara hanaovana jery todika hanatsara ireo lesoka hita ao anatin’ny fiainan-tokantrano. Misy santionany telo matetika fanao ireto tokony hahitsy :

 Lire la suite...

Love

Fambara 4 fa tsy natao ho anao izy

02/12/2019

Tsy ny fe-potoana niarahana no hahafantarana raha tena natao ho anao na tsia ny olona iarahanao fa ny fifandraisana misy sy mampifamatotra anareo. Raha ireto 4 ireto no mitranga dia tsy natao ho anao izy.

 

 

 

 

 Mitandri-tena be foana ianao : Tokony ho tia anao amin'ny maha ianao anao izy na inona lesoka na fahalemena hanananao. Raha tsapanao fa voatery manova toetra na fihetsika ianao noho izy dia tsy ilay tena ianao amin'ny maha izy anao izany no heverinao fa mambabo sy mahaliana azy.

Manontany matetika ny zavatra ataony ianao : Tsy matoky azy tanteraka ianao. Ahoana anefa no hieritreretana ho avy iraisana amin'ny olona tsy atokisana akory. Aza mandainga amin'ny tenanao fa manara-maso ny ataony no tena ataonao isaky ny manontany izay ataony satria miahiahy ianao. Tsy tena fitiavana sy tsy fifampitsinjovana izany.

Miresaka momba ny olon-tiana taloha foana izy na ianao : Raha misy aminareo mbola manao anton-dresaka ny olon-tiana taloha, eny fa na dia miendrika fanaratsiana na fanakianana ilay olon-tiana taloha aza izany, dia midika izany fa tsy mbola nikatona tsara ny ratra mahakasika izany. Tsy mitovy ny tamin'ny vao niaraka ny toerany eo amin'ny fiainanao :

Lasa tsy dia maka ny heviny intsony ianao rehefa handray fanapahan-kevitra, tsy dia mivaky loha firy aminy intsony ianao. Tsy mampaninona anao mihitsy na tsy dia mifampiresaka firy loatra intsony aza ianareo. Niova ny laharam-pahamehany ao anatin'ny fiainanao. Raha ireo rehetra ireo no mitranga dia fantaro fa mety mifandany zara fotsiny ianareo fa tsy tena mifankatia.

 

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo