Jejoo

Dans la même rubrique

Mpivady na mpifankatia mielanelan-taona be, tokony ho olana ve ?

17/02/2020

Hafahafa ny fijerin'ny olona ny mpifankatia na mpivady misy elanelan-taona be. Ary mety lasa izany aza no sakana ho an'ny mpifankatia sasany. Fa tena tokony ho olana tokoa ve anefa?

 Lire la suite...

Tsy miresaka amiko intsony izy, fa maninona?

10/02/2020

Fanontaniana matetika mipetraka amin’ny vehivavy manana olon-tiana ity ezahina ho valiana androany ity. Misy fotoana ny olon-tiana no mangina tsy handrenesam-baovao tampoka. Inona tokoa no anton’izany?

 Lire la suite...

Fomba roa hanalana ny hasarotam-piaro

03/02/2020

Misy akony ratsy ao anatin’ny fiarahana ny hasaroram-piaro diso tafahoatra. Manimba izy sady mampijaly.

 Lire la suite...

Nampirafy in-dray…mety mbola hamerina ve ?

27/01/2020

Fanontaniana tena manitikitika ny olona efa nampirafesina ity entina aminao androany ity. Misy tokoa ve ny olona nateraka hampirafy? Raha nampirafy indray mandeha ve dia mety tsy ho afaka amin'izany intsony?

 Lire la suite...

Ny fomba fitiavana tena maha-sambatra…

13/01/2020

Maro ny vehivavy mahatsiaro mijaly ara-pitiavana. Anisan’ny mampijaly azy ireo indrindra ny tsy firarahiana sy ny hasarotam-piaro. Mety avy amin’ny fanavahana ireo fihetseham-po roa ireo koa anefa no ahafahana mitady vahaolana amin’izany.

 Lire la suite...

Mahatratra ny vady nampirafy, ny tsy tokony atao !

06/01/2020

Mampirafy ny olon-tianao, na ny vadinao. Rehefa tratranao izy, dia manazava, miangavy, mifona, mandamin-dresaka.

 Lire la suite...

Hadisoana telo tsy mahasambatra ny mpivady

30/12/2019

Amin’izao vanim-potoana izao indrindra no tsara hanaovana jery todika hanatsara ireo lesoka hita ao anatin’ny fiainan-tokantrano. Misy santionany telo matetika fanao ireto tokony hahitsy :

 Lire la suite...

Love

Fiarahana vao miandoha, fadio ireto…

25/11/2019

Tsy ampy ny mitia fotsiny fa misy ny fihetsika tsy maintsy tandremana raha tiana haharitra ny fiarahana ho an'ireo vao miaraka amin'ny olon-tiany.

 

 

 

Tsy tokony hahatsiaro tena ho voafandrika izy 

Halan'ny lehilahy ny mahatsiaro manao zavatra an-tery. Tsy tiany koa ny gejaina sy fehezina be. Tsy mikasikasika be azy : Raha mbola tsy tena fantatrao tsara izy dia fero ny fifampikasohana ara-batana. Aleo hiainga avy any aminy izany.

Tsy mamboraka fitia mialoha 

Raha ny tokony ho izy dia izy no tokony hiteny aminao voalohany fa "tia". Fadio ny miteny hoe "tiako ianao" azy raha mbola tsy nanao izany taminao izy.

Aza maika manome anaram- bositra azy 

Mahafinaritra antsika vehivavy tokoa ny manome solon'anarana mahafatifaty ny olon-tiana toy ny hoe "piso" na "malalako" sy ny sisa. Aza manao izany anefa raha tsy efa mba nanome solon'anarana anao izy aloha. Fantaro koa ny solon'anarana tiany satria misy lehilahy mihevitra azy ireny ho tsy mifanaraka amin'ny toetra maha lehilahy azy.

Aza maika hitondra azy amin'ny namana sy fianakaviana

Raha mbola tsy nangataka hihaona amin'ireo ray aman-dreninao sy namanao izy dia aza maimaika mihitsy hitondra azy any aminao. Mifankafantara tsara aloha. Aza avy hatrany dia manao tetikasa be ho amin'ny ho avinareo : Satria mbola tsy tena mifankafantatra ianareo dia mbola tsy azo antoka ny ho avy. Ny anio aloha hankafizina tsara.

Aza manakihana

Tsy mbola fantatrao tsara izy ka noho izany tsy hainao ny zavatra zakany na tsia. Fadio ny manao fanakianana na inona na inona anton-dresaka mba tsy ho diso paika. Tsy tsara koa ny ahitany anao ho toy ny olona mihevi-tena ho tonga lafatra.

Fehiny 

Tsy azo atao mihitsy ny mitratrevatreva ao anatin'ny fiarahana. Ilaina koa ny manisy mistery ny momba anao mba ahatonga azy ho liana sy maniry hambabo anao hatrany.

 

Hary.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo