Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no menaka tarehy mety aminao?

03/07/2020

Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava sady mitazona ny hatsaran’ny tarehy tsy ho antitra aloha loatra ny fanadiovana azy isan’andro sy ny fanosorana menaka manamandina. Raha vao diso safidy anefa amin’ny fifantenana izay menaka tarehy ahosotra, dia simba tsikelikely ny tarehy.

 Lire la suite...

Fikarakarana tarehy makiana, rehefa ririnina

02/07/2020

Mora fantatra ny hoditra makiana sy tsy ampy rano. Maina lava izay izy ary tsy mahazo aina firy, satria mora mangidihidy sy marefo, noho ny hatsiaka sy ny hafanana ; mifandrirotra ary tsapa ho mihenjakenjana. Mora tohina ny hoditra makiana, ka izay no tmahatonga azy hila fikoloana manokana. Inona avy ary ireo fihetsika tsara atao ho azy ireo ?

 Lire la suite...

Maska volo sy tarehy amboarina…tandremo ihany !

30/06/2020

Tian’ny vehivavy malagasy kokoa ny mampiasa maska vita ao an-trano, na ho an’ny tarehy izany, na ho an’ny volo.

 Lire la suite...

Fahadisoana 5 fadiana rehefa mampiasa hareza

29/06/2020

Be mpampiasa ny hareza rehefa hanala ny volo amin’ny vatana, noho izy ireny mora ampiasaina sy tsotra kely.

 Lire la suite...

“Maquillage” gasigasy, mifanaraka amin’ny asaramanitra…

25/06/2020

Miloko volon-tsôkôla ny ati-mason’ny ankamaroan’ny malagasy.

 Lire la suite...

Nahoana no ilaina ny « baume à lèvres » ?

24/06/2020

Rehefa mangatsiaka tahaka izao ny andro, no tena ampiasan’ny olona ny « baume à lèvres ».

 Lire la suite...

Tandremo, misy tsy mahazaka ny “gommage”

23/06/2020

Ny fahalalan'ny besinimaro ny « gommage » dia hoe manala « peau morte » na ireo hoditra maty mandoto sy mahaela ny fipoitran’ny hoditra vaovao.

 Lire la suite...

Beauté

Volomaso raitra…araho izao!

21/11/2019

Singa iray mety hanova ny fijery sy ny hatsaran’ny tarehy ny volomaso raha voakarakara sy voasoritra tsara. Atoronay anao ireo paipaika mila atao hahazoana antoka fa ho tsara soritra foana ny volomasonao.

 

 

 


Ny fitaovana ilaina 

  • « Pince à épiler » tsara kalitao, izany hoe maranitra tsara ka afaka manala ireo volokely hatrany amin’ny fakany fa tsy manapaka azy.
  • Mila fihogo kely voatokana ho an’ny volomaso. Mba ho tsara soritra foana lalandava ny volomaso dia tokony hogoina isan’andro, hanaraka ny faniriny ny volomaso, miainga amin’ny fakany.


Ny famaritana azy 

  • Ny soritra tsara indrindra : Volomaso somary matevina eo amin’ny sisiny manakaiky ny orona ary mihamanify any akaikin’ny firihifina no volomaso tsara soritra indrindra.

·         Ny fanadiovana azy

Isaky ny hanamboatra ny volomaso ka hanala ireo volo kely mihoatra amin’ilay soritra nosafidiana dia toy izao no atao : tsy maintsy manaraka ny fanirin’ny volo no isintomana ireo volo esorina.
Paipaika : Asiana penisily hazo manaraka ny sisin’ny orona mankany amin’ny sisiny ivelan’ny maso. Eo amin’ilay faritra mifanojo amin’ilay penisily hazo no tokony hiantomboka ny volomaso ka esorina avokoa izay mihoatra izay. Esorina amin’ilay « pince à épiler » avokoa izay volokely mihoatra amin’ny soritr’ilay volomaso ka manavesatra ny fijery. Tsiahivina ihany fa volomaso tsy dia manify sady tsy dia matevina loatra no tsara indrindra.

·        
Fenoina amin’ny « crayon » raha ilaina

Raha somary diso kely ny fihetsika dia azo ahitsy na fenoina amin’ny « crayon » mitovy loko amin’ny volomaso.  Rehefa manao azy dia tsy soritana amin’ny tsipika mahitsy akory fa atao toy ny fanirin’ireo volomaso mihitsy koa ny fihetsika.

 
Ny volomaso ratsy endrika indrindra

Hanimba tanteraka ny hatsaran-tarehy ireto karazana volomaso ireo ka fadio :

  • Ny volomaso tsy voakarakara fa maniry sy mikorontana
  • Ny volomaso manify loatra na tsy misy mihitsy
  • Ny volomaso lasa boribory loatra ny soritra aminy
  • Ny volomaso havia sy havanana samy manana ny soriny
  • Ny volomaso matroka be loatra
  • Ny volomaso milatsaka manakaiky ny maso loatra

 

Ando

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo