Jejoo

Dans la même rubrique

Manomana ny hoho ho lava sy matevina tsara, hiatrika ny fety…

06/12/2019

Ho avy izao ny fety ka mba te hanana hoho lavalava sy maniry tsara ianao. Tianao ihany koa raha mba matevina tsara izy ireo ka tsy voatery hanao “faux ongles” intsony fa avy dia ny hohonao mihitsy no hiangaliana an’ireny karazana fanaingoana hoho na “nail’s art” ireny. Mbola tsy tara ianao raha izao dia efa manomana ny hoho hiatrika ny fety. Ireto ny torohevitra …

 Lire la suite...

Manomana ny hoho ho lava sy matevina tsara, hiatrika ny fety…

06/12/2019

Ho avy izao ny fety ka mba te hanana hoho lavalava sy maniry tsara ianao. Tianao ihany koa raha mba matevina tsara izy ireo ka tsy voatery hanao “faux ongles” intsony fa avy dia ny hohonao mihitsy no hiangaliana an’ireny karazana fanaingoana hoho na “nail’s art” ireny. Mbola tsy tara ianao raha izao dia efa manomana ny hoho hiatrika ny fety. Ireto ny torohevitra …

 Lire la suite...

Lokomena, azo anafenana ny kentrona amin’ny molotra

04/12/2019

Raha tsy hay tsara ny mametraka ny lokomena dia mety vao mainka hampiharihary ny kentrona manodidina ny molotra izany, hany ka hahatonga ny tarehy ho antitra kokoa.

 Lire la suite...

Ny fomba tena mety, hitahirizana ranomanitra…

03/12/2019

Na inona na inona karazan-dranomanitra, dia mety hiova kalitao tsikelikely izy ireny, raha tsy hay ny mitahiry azy. Manana ranomanitra maro karazana anefa ianao ao an-trano ao, ary raha ny tianao dia ny haharetan’izy ireo ela indrindra ao aminao. Indro ny torohevitra 3 hitazonana ny hatsaran’ny ranomanitra.

 Lire la suite...

Ny atao, raha tsy te hisy mony intsony !

02/12/2019

Ny sokajin-tarehy be menaka no tena tian’ny mony.

 Lire la suite...

Isaky ny inona no tokony hanao “epilation”?

26/11/2019

Amin’ny fotoana mampafana ny andro tahaka izao dia tsy azo atao tsirambina mihitsy ny fanesorana ny volo amin’ny vatana.

 Lire la suite...

Maskaovy, manala ireo mivoara-mena amin’ny tarehy

25/11/2019

Rahahana ovana maska amin’ny tarehy ny ovy dia manazava endrika,

 Lire la suite...

Beauté

Otra atao isan’andro, tsy mampisy kentrona

20/11/2019

Fantatrao ve fa mitondra vahaolana maro amin’ny fikoloana ny hatsaran-tarehy ny otra ? Ity iray ity izao dia manala havizanana sady misoroka ny fipoiran’ny kentrona izay maha-antitra ny tarehy :

 

 

 

 

 

Ny fanaovana azy :

  • Apetraka eo amin’ny handrina ny felan-tanana roa. Toy ny pasohanana amin’ny rantsan-tanana miainga avy eo afovoany mankany amin’ny sisiny ny handrina.
  • Raha efa izay dia avonkona ny totohondry dia orina amin’ny ankihibe ny volomaso.  
  • Atao manoritra boribory manaraka ny fihodin’ny famataranandro ny eo amin’ny fihirifana roa, amin’ny alalan’ny loha-rantsan-tanana. Somary manindry kely rehefa manao ity otra ity. Atao mifanohitra indray ny fihetsika avy eo.
  • Orina ny manodidina ny maso, eo amin’ny mifanandrify amin’ny taolana, ka atao manoritra boribory hatrany ny fihetsiky ny rantsan-tanana.
  • Eto dia ny fanondro roa indray no ampiasaina hipotsipotserana ny taolan’orona. Atao midina ny fihetsika, ka tsindriana amin’ireo fanondro ireo koa ny fototry ny orona roa.
  • Farany, apetraka eo amin’ny teboka ifanenan’ny valanorano ambany sy ny valanorano ambony ny rantsan-tanana. Eo afovoan’ny takolaka no misy azy io. Orina atao manoritra boribory ireo faritra ireo mba hanatsotra ny hozatra mifanandrify aminy.

 

Fanazavana fanampiny :

Rehefa manotra ireo faritra voalaza ireo dia atao amin’ny lafiny roa foana ny fihetsika, izany hoe : mihodina miankavia dia averina miankavanana indray avy eo. Atao mialohan’ny hatory ity otra ity no tena tsara. Atao isan’andro mba hisy vokany. Ho hitanao fa hitsotra tsara ny hodi-tava, ela vao mipoitra ny kentrona, ho afaka mora foana koa ny havizanana hita soritra eny amin’ny tarehy.

 

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo